< Genesisy 48 >
1 Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin’ i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
Ikawa baada ya mambo haya, mmojawapo akamwambia Yusufu, “Tazama, baba yako ni mgonjwa.” Hivyo akaondoka pamoja na wanawe wawili, Manase na Efrahimu.
2 Ary nisy nilaza tamin’ i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin’ ny farafara.
Yakobo alipoambiwa, “Tazama, mwanao Yusufu amekuja kukuona,” Israeli akakusanya nguvu na kukaa juu ya kitanda.
3 Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin’ ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
Yakobo akamwambia Yusufu, Mungu Mwenyezi alinitokea huko Luzu katika nchi ya Kanaani. Akanibariki na
4 Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
kuniambia, 'Tazama, nitakupa uzao mwingi, na kukuzidisha. Nitakufanya kuwa kusanyiko la mataifa. Nitakupa nchi hii wewe na uzao wako kuwa milki ya milele.'
5 Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin’ ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an’ i Robena sy Simeona.
Na sasa wanao wawili, waliozaliwa kwako katika nchi ya Misri kabla sijaja Misri, ni wangu. Efrahimu na Manase watakuwa wangu, kama walivyo Rubeni na Simioni.
6 Fa ny zanakao izay haterakao aorian’ izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an’ ny rahalahiny eo amin’ ny zara-taniny.
Watoto utakaowapata baada ya hapo ni wako; watahesabiwa katika majina ya ndugu zao katika urithi wao.
7 Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
Lakini kwangu mimi, nilipokuja kutoka Padani, kwa uzuni yangu Raheli alikufa njiani katika nchi ya Kanaani, wakati kungalipo kitambo kwenda Efrathi. Nilimzika pale katika njia iendayo Efrathi” (ndio, Bethlehemu).
8 Ary rehefa hitan’ Isiraely ny zanak’ i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
Israeli alipowaona wana wa Yusufu, akasema, “Ni nani hawa?”
9 Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen’ Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy: Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
Yusufu akamwambia baba yake, “Hawa ni wanangu, Mungu alionipa hapa:” Israeli akasema, “Walete kwangu, kwamba niwabariki.”
10 Ary efa pahina ny mason’ Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin’ i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
Basi macho ya Israeli yalikuwa yanashindwa kwa ajili ya umri wake, hivyo hakuweza kuona. Hivyo Yusufu akawasogeza karibu yake, na akawabusu na kuwakumbatia.
11 Dia hoy Isiraely tamin’ i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
Israeli akamwambia Yusufu, “Sikutazamia kuuona uso wako tena, Lakini Mungu ameniruhusu kuwaona hata wanao.”
12 Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan’ ny lohalik’ Isiraely, dia niankohoka tamin’ ny tany izy.
Yusufu akawaondoa kati ya magoti ya Israeli, na kisha akainama na uso wake juu ya nchi.
13 Dia notantanan’ i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin’ ny ankavanany ho eo amin’ ny ankavian’ Isiraely, ary Manase tamin’ ny ankaviany ho eo amin’ ny ankavanan’ Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
Yusufu akawachukua wote wawili, Efrahimu katika mkono wake wa kulia kuelekea mkono wa kushoto wa Israeli, na Manase katika mkono wake wa kulia kuelekea mkono wa kulia wa Israeli, na akawasogeza kwake.
14 Dia nahinjitr’ Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin’ ny lohan’ i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin’ ny lohan’ i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
Israeli akainua mkono wake wa kulia na kuuweka juu ya kichwa cha Efrahimu, aliyekuwa mdogo, na mkono wake wa kushoto juu ya kichwa cha Manase. Akaipishanisha mikono yake, kwani Manase ndiye alikuwa mzaliwa wa kwanza.
15 Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
Israeli akambariki Yusufu, akisema, Mungu ambaye mbele zake baba zangu Ibrahimu na Isaka walitembea, Mungu aliyenilinda hata leo,
16 ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’ i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ ny tany anie izy.
malaika walionilinda na madhara yote, awabariki vijana hawa. Jina langu na litajwe kwao, na majina ya baba zangu Ibrahimu na Isaka. Na wawe makutano ya watu juu ya nchi.”
17 Ary rehefa hitan’ i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin’ ny lohan’ i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan’ ny rainy, mba hampiala azy amin’ ny lohan’ i Efraima ho amin’ ny lohan’ i Manase,
Yusufu alipoona baba yake ameweka mkono wake wa kulia juu ya kichwa cha Efrahimu, haikumpendeza. Akauchukuwa mkono wa baba yake auweke katika kichwa cha Manase.
18 ka hoy Josefa tamin’ ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin’ ny lohany ny tananao ankavanana.
Yusufu akamwambia baba yake, “Sivyo babangu; kwani huyu ndiye mzaliwa wa kwanza. Uweke mkono wako juu ya kichwa chake.”
19 Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
Baba yake akakataa na kusema, “Ninafahamu, mwanangu, nafahamu. Yeye naye atakuwa watu, naye pia atakuwa mkuu. Lakini mdogo wake atakuwa mkuu kuliko yeye, na uzao wake utakuwa wingi wa mataifa.”
20 Dia nitso-drano azy tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan’ ny Isiraely rano hoe: Hataon’ Andriamanitra tahaka an’ i Efraima sy tahaka an’ i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan’ i Manase.
Israeli akawabariki siku hiyo kwa maneno haya, “Watu wa Israeli watatamka baraka kwa majina yenu wakisema, Mungu na akufanye kama Efrahimu na kama Manase'. “Kwa njia hii, Israeli akamweka Efrahimu mbele ya Manase.
21 Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ ny tanindrazanareo.
Israeli akamwambia Yusufu, “Tazama, ninakaribia kufa, lakini Mungu atakuwa nanyi, na atawarudisha katika nchi ya baba zenu.
22 Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin’ ny rahalahinao, izay nalaiko tamin’ ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan’ ny Amorita.
Kwako wewe, kwa kuwa uko juu ya ndugu zako, ninakupa mtelemko wa mlima niliouchukuwa kutoka kwa Waamori kwa upanga wangu na upinde wangu.”