< Genesisy 48 >
1 Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin’ i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
이 일 후에 혹이 요셉에게 고하기를 `네 부친이 병들었다' 하므로 그가 곧 두아들 므낫세와 에브라임과 함께 이르니
2 Ary nisy nilaza tamin’ i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin’ ny farafara.
혹이 야곱에게 고하되 `네 아들 요셉이 네게 왔다' 하매 이스라엘이 힘을 내어 침상에 앉아
3 Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin’ ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
요셉에게 이르되 `이전에 가나안 땅 루스에서 전능한 하나님이 내게 나타나 복을 허락하여
4 Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
내게 이르시되 내가 너로 생육하게 하며 번성하게 하여 네게서 많은 백성이 나게 하고 내가 이 땅을 네 후손에게 주어 영원한 기업이 되게 하리라 하셨느니라
5 Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin’ ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an’ i Robena sy Simeona.
내가 애굽으로 와서 네게 이르기 전에 애굽에서 네게 낳은 두 아들 에브라임과 므낫세는 내 것이라 르우벤과 시므온처럼 내 것이 될 것이요
6 Fa ny zanakao izay haterakao aorian’ izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an’ ny rahalahiny eo amin’ ny zara-taniny.
이들 후의 네 소생이 네 것이 될 것이며 그 산업은 그 형의 명의하에서 함께 하리라
7 Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
내게 관하여는 내가 이전에 내가 밧단에서 올 때에 라헬이 나를 따르는 노중 가나안 땅에서 죽었는데 그곳은 에브랏까지 길이 오히려 격한 곳이라 내가 거기서 그를 에브랏 길에 장사 하였느니라' (에브랏은 곧 베들레헴이라)
8 Ary rehefa hitan’ Isiraely ny zanak’ i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
이스라엘이 요셉의 아들들을 보고 가로되 `이들은 누구냐?`
9 Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen’ Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy: Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
요셉이 그 아비에게 고하되 `이는 하나님이 여기서 내게 주신 아들들이니이다` 아비가 가로되 `그들을 이끌어 내 앞으로 나아오라 내가 그들에게 축복하리라'
10 Ary efa pahina ny mason’ Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin’ i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
이스라엘의 눈이 나이로 인하여 어두워서 보지 못하더라 요셉이 두 아들을 이끌어 아비 앞으로 나아가니 이스라엘이 그들에게 입맞추고 그들을 안고
11 Dia hoy Isiraely tamin’ i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
요셉에게 이르되 `내가 네 얼굴을 보리라고는 뜻하지 못하였더니 하나님이 내게 네 소생까지 보이셨도다'
12 Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan’ ny lohalik’ Isiraely, dia niankohoka tamin’ ny tany izy.
요셉이 아비 무릎 사이에서 두 아들을 물리고 땅에 엎드려 절하고
13 Dia notantanan’ i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin’ ny ankavanany ho eo amin’ ny ankavian’ Isiraely, ary Manase tamin’ ny ankaviany ho eo amin’ ny ankavanan’ Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
우수로는 에브라임을 이스라엘의 좌수를 향하게 하고 좌수로는 므낫세를 이스라엘의 우수를 향하게 하고 이끌어 그에게 가까이 나아가매
14 Dia nahinjitr’ Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin’ ny lohan’ i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin’ ny lohan’ i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
이스라엘이 우수를 차자 에브라임의 머리에 얹고 좌수를 펴서 므낫세의 머리에 얹으니 므낫세는 장자라도 팔을 어긋맞겨 얹었더라
15 Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
그가 요셉을 위하여 축복하여 가로되 `내 조부 아브라함과 아버지 이삭의 섬기던 하나님, 나의 남으로부터 지금까지 나를 기르신 하나님,
16 ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’ i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ ny tany anie izy.
나를 모든 환난에서 건지신 사자께서 이 아이에게 복을 주시오며 이들로 내 이름과 내 조부 아브라함과 아버지 이삭의 이름으로 칭하게 하시오며 이들로 세상에서 번식되게 하시기를 원하나이다'
17 Ary rehefa hitan’ i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin’ ny lohan’ i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan’ ny rainy, mba hampiala azy amin’ ny lohan’ i Efraima ho amin’ ny lohan’ i Manase,
요셉이 그 아비가 우수를 에브라임의 머리에 얹은 것을 보고 기뻐 아니하여 아비의 손을 들어 에브라임의 머리에서 므낫세의 머리로 옮기고자 하여
18 ka hoy Josefa tamin’ ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin’ ny lohany ny tananao ankavanana.
그 아비에게 이르되 `아버지여, 그리 마옵소서 이는 장자니 우수를 그 머리에 얹으소서'
19 Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
아비가 허락지 아니하여 가로되 `나도 안다 내 아들아! 나도 안다 그도 한 족속이 되며 그도 크게 되려니와 그 아우가 그보다 큰 자가 되고 그 자손이 여러 민족을 이루리라` 하고
20 Dia nitso-drano azy tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan’ ny Isiraely rano hoe: Hataon’ Andriamanitra tahaka an’ i Efraima sy tahaka an’ i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan’ i Manase.
그 날에 그들에게 축복하여 가로되 `이스라엘 족속이 너로 축복하기를 하나님이 너로 에브라임 같고 므낫세같게 하시리라 하리라' 하여 에브라임을 므낫세보다 앞세웠더라
21 Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ ny tanindrazanareo.
이스라엘이 요셉에게 또 이르되 `나는 죽으나 하나님이 너희와 함께 계시사 너희를 인도하여 너희 조상의 땅으로 돌아가게 하시려니와
22 Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin’ ny rahalahinao, izay nalaiko tamin’ ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan’ ny Amorita.
내가 네게 네 형제보다 일부분을 더 주었나니 이는 내가 내 칼과 활로 아모리 족속의 손에서 빼앗은 것이니라'