< Genesisy 47 >

1 Ary Josefa nankao amin’ i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny mbamin’ izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin’ ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin’ ny tany Gosena izy.
茲にヨセフゆきてパロにつげていひけるはわが父と兄弟およびその羊と牛と諸の所有物カナンの地よりいたれり彼らはゴセンの地にをると
2 Ary ny dimy lahy tamin’ ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan’ i Farao.
その兄弟の中より五人をとりてこれをパロにまみえしむ
3 Ary hoy Farao tamin’ ireo rahalahin’ i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin’ i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin’ ny razanay.
パロ、ヨセフの兄弟等にいひけるは汝らの業は何なるか彼等パロにいふ僕等は牧者なりわれらも先祖等もともにしかりと
4 Ary hoy koa izy tamin’ i Farao: Mba hivahiny eto amin’ ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an’ ny ondry aman’ osin’ ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin’ ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin’ ny tany Gosena ny mpanomponao.
かれら又パロにいひけるは此國に寓らんとて我等はきたる其はカナンの地に饑饉はげしくして僕等の群をやしなふ牧場なければなりされば請ふ僕等をしてゴセンの地にすましめたまへ
5 Ary Farao dia niteny tamin’ i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atỳ aminao;
パロ、ヨセフにかたりていふ汝の父と兄弟汝の所にきたれり
6 ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin’ izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin’ ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben’ ny mpiandry ny omby aman’ ondriko.
エジプトの地はなんぢの前にあり地の善き處に汝の父と兄弟をすましめよすなはちゴセンの地にかれらをすましめよ汝もし彼等の中に才能ある者あるをしらば其人々をしてわが家畜をつかさどらしめよ
7 Dia nentin’ i Josefa ho eo anatrehan’ i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an’ i Farao.
ヨセフまた父ヤコブを引ていりパロの前にたたしむヤコブ、パロを祝す
8 Ary hoy Farao tamin’ i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao?
パロ、ヤコブにいふ汝の齡の日は幾何なるか
9 Dia hoy Jakoba tamin’ i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan’ ny razako tamin’ ny andro nivahiniany.
ヤコブ、パロにいひけるはわが旅路の年月は百三十年にいたる我が齡の日は僅少にして且惡かり未だわが先祖等の齡の日と旅路の日にはおよばざるなり
10 Ary Jakoba, rehefa nisaotra an’ i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
ヤコブ、パロを祝しパロのまへよりいでさりぬ
11 Dia namponenin’ i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin’ ny tany Egypta, dia tao amin’ ny tany tsara indrindra, tao amin’ ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian’ i Farao.
ヨセフ、パロの命ぜしごとくその父と兄弟に居所を與へエジプトの國の中の善き地即ちラメセスの地をかれらにあたへて所有となさしむ
12 Dia novelomin’ i Josefa tamin’ ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ ny ankohonan’ ny rainy rehetra, araka ny isan’ ny zanany avy.
ヨセフその父と兄弟と父の全家にその子の數にしたがひて食物をあたへて養へり
13 Ary tsy nisy hanina teo amin’ ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.
却説饑饉ははなはだはげしくして全國に食物なくエジプトの國とカナンの國饑饉のために弱れり
14 Dia nangonin’ i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin’ ny tany Egypta sy tany amin’ ny tany Kanana, dia izay vidin’ ny vary novidin’ ny olona, ka nampidirin’ i Josefa tao an-tranon’ i Farao ny vola.
ヨセフ穀物を賣あたへてエジプトの地とカナンの地にありし金をことごとく斂む而してヨセフその金をパロの家にもちきたる
15 Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin’ ny tany Egypta sy tany amin’ ny tany Kanana, dia nankeo amin’ i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
エジプトの國とカナンの國に金つきたればエジプト人みなヨセフにいたりていふ我等に食物をあたへよ如何ぞなんぢの前に死べけんや金すでにたえたり
16 Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman’ ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
ヨセフいひけるは汝等の家畜をいだせ金もしたえたらば我なんぢらの家畜にかへて與ふべしと
17 Dia nentiny tany amin’ i Josefa ny omby aman’ ondriny, ka notakalozan’ i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’ osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin’ izany taona izany ho takalon’ ny bibiny rehetra.
かれら乃ちその家畜をヨセフにひききたりければヨセフその馬と羊の群と牛の群および驢馬にかへて食物をかれらにあたへそのすべての家畜のために其年のあひだ食物をあたへてこれをやしなふ
18 Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin’ ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin’ itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan’ itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason’ itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
かくてその年暮けるが明年にいたりて人衆またヨセフにきたりて之にいふ我等主に隱すところなしわれらの金は竭たりまたわれらの畜の群は主に皈す主のまへにいだすべき者は何ものこりをらず唯われらの身體と田地あるのみ
19 nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’ i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
われらいかんぞわれらの田地とともに汝の目のまへに死亡ぶべけんや我等とわれらの田地を食物に易て買とれ我等田地とともにパロの僕とならんまた我等に種をあたへよ然らばわれら生るをえて死るにいたらず田地も荒蕪にいたらじ
20 Dia notakalozan’ i Josefa ho an’ i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan’ i Farao ny tany.
是に於てヨセフ、エジプトの田地をことごとく購とりてパロに納る其はエジプト人饑饉にせまりて各人その田圃を賣たればなり是によりて地はパロの所有となれり
21 Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin’ ny tanàna hatramin’ ny faran’ ny faritr’ i Egypta rehetra.
また民はエジプトのこの境の極よりかの堺の極の者までヨセフこれを邑々にうつせり
22 Ny tanin’ ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin’ i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’ i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
但祭司の田地は購とらざりき祭司はパロより祿をたまはりをればパロの與る祿を食たるによりてその田地を賣ざればなり
23 Dia hoy Josefa tamin’ ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an’ i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
茲にヨセフ民にいひけるは視よ我今日汝等となんぢらの田地をかひてパロに納る視よこの種子を汝らに與ふ地に播べし
24 Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an’ i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’ izay ao an-tranonareo ary hohanin’ ny zanakareo.
しかして收穫の五分の一をパロに輸し四分をなんぢらに取て田圃の種としなんぢらの食としなんぢらの家族と子女の食とせよ
25 Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason’ itompokolahy izahay, dia ho mpanompon’ i Farao.
人衆いひけるは汝われらの生命を拯ひたまへりわれら主のまへに恩をえんことをねがふ我等パロの僕となるべしと
26 Dia nataon’ i Josefa ho lalana tany amin’ ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an’ i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin’ ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’ i Farao.
ヨセフ、エジプトの田地に法をたてその五分の一をパロにをさめしむその事今日にいたる唯祭司の田地のみパロの有とならざりき
27 Ary nonina tao amin’ ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin’ ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
イスラエル、エジプトの國に於てゴセンの地にすみ彼處に産業を獲その數増して大に殖たり
28 Ary ny andro niainan’ i Jakoba tao amin’ ny tany Egypta dia fito ambin’ ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan’ i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.
ヤコブ、エジプトの國に十七年いきながらへたりヤコブの年齒の日は合て百四十七年なりき
29 Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’ Isiraely, dia nampaka an’ i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
イスラエル死る日ちかよりければその子ヨセフをよびて之にいひけるは我もし汝のまへに恩を得るならば請ふなんぢの手をわが髀の下にいれ懇に眞實をもて我をあつかへ我をエジプトに葬るなかれ
30 Fa rehefa lasa mody mandry any amin’ ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin’ ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
我は先祖等とともに偃んことをねがふ汝われをエジプトよ舁いだして先祖等の墓場にはうむれヨセフいふ我なんぢが言るごとくなすべしと
31 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan’ ny farafara Isiraely.
ヤコブまた我に誓へといひければすなはち誓へりイスラエル床の頭にて拜をなせり

< Genesisy 47 >