< Genesisy 46 >

1 Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitr’ Isaka rainy izy.
Ie nionjoñe amy fañaveloa’ey t’Israele ninday o fanaña’e iabio naho nandoake e Beersevà ao, le nañenga soroñe aman’ Añahare’ Ietsàke rae’e.
2 Ary Andriamanitra niteny tamin’ Isiraely tao amin’ ny fahitana nony alina ka nanao ho: Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
Nitsara am’ Israele añ’ aroñaron-kaleñe t’i Andrianañahare nanao ty hoe, O Iakòbe, Iakòbe. Intoy iraho, hoe re.
3 Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
Le hoe Re, Izaho o Andrianañahareo, t’i Andrianañaharen-drae’o; ko hembañe ami’ty fañaveloa’o mb’e Mitsraime mb’eo amy t’ie hanoeko foko ra’elahy te añe.
4 Izaho hiara-midìna aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan’ i Josefa no hanirina ny masonao.
Hindre lia ama’o mb’e Mitsraime mb’eo iraho vaho toe hampoliko indraike, le ty tañan’ Ana’o, Iosefe, ro hampirompo o fihaino’oo.
5 Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak’ Isiraely nitondra an’ i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin’ ny sariety, izay efa nampitondrain’ i Farao hitondrana azy.
Aa le nienga i Beersevà t’Iakòbe, vaho nendese’ o ana-dahi’ Israeleo t’i rae’e Iakòbe rekets’ o keleia’eo naho o vali’eo amo sarete nahitri’ i Parò hindesañe azeo.
6 Ary nentin’ izy ireo ny omby aman’ ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
Nendese’ iereo o hare’ iareoo naho ty vara’iareo, o niazo’ iareo an-tane Kanàneo, vaho nandoak’e Mitsraime ao: t’Iakòbe rekets’ i hasavereña’e iabiy;
7 ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
nendese’e mb’e Mitsraime mb’eo ze hene ana-dahi’e naho anan’ana’e lahy naho anak’ampela’e naho anak’ampelan’ ana-dahi’e vaho o tarira’e iabio.
8 Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy:
Aa le zao o tahinan’ ana’ Israele nandoak’e Mitsraimeo: Iakòbe naho o ana-dahi’eo. I Reòbene tañoloñoloña’ Iakòbe,
9 Robena, lahimatoan’ i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy
le o ana’ i Reòbeneo: i Kanòke naho i Palò naho i Ketsrone vaho i Karmý.
10 Ary ny zanakalahin’ i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin’ ny vehivavy Kananita.
O ana’ i Simoneo: Iemoèle naho Iamìne naho i Ohade naho Iakìne naho i Tsòkare vaho i Saòle ana’ty rakemba nte-Kanàne.
11 Ary ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata atỳ Merary.
O ana’ i Levio: i Gersòne, i Kehàte naho i Merarý.
12 Ary ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
O ana’ Iehodào: I Ere naho i Onane naho i Selà naho i Perètse vaho i Zèrake (fe nivetrak’ an-tane Kanàne añe t’i Ere naho i Onane; ) vaho ty ana’ i Perètse: i Ketsrone naho i Kamòle.
13 Ary ny zanakalahin’ Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona.
O ana’ Isakareo: i Tolà, naho i Povà, naho Iòbe vaho i Simròne.
14 Ary ny zanakalahin’ i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.
O ana’ i Zebolone: i Sèrede, naho i Elòne vaho Iak’ leèle
15 lreo no zanakalahin’ i Lea izay naterany tamin’ i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan’ ny zananilahy rehetra mbamin’ ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
(ana’ i Leae iaby irezay, o nasama’e ho a Iakòbe e Padan’ arameo rekets’ i Dinae anak’ ampela’ey, le ni-telo-polo telo amby ty ana-dahi’e miharo anak’ ampela.)
16 Ary ny zanakalahin’ i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary Arely.
O ana’ i Gadeo: i Tsifiòne, naho i Kagý, i Soný, naho i Etsbòne, i Erý, naho i Arodý vaho i Arelý.
17 Ary ny zanak’ i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin’ ireo; ary ny zanakalahin’ i Beria dia Hebera sy Malkiela.
O ana’ i Asereo: Iimnà, naho Iisvà, naho Iisvý, naho i Berìa vaho i Sèrake rahavave’ iareo. O ana’ i Berìao: i Kebère naho i Malkièle;
18 Ireo no zanak’ i Zilpa, izay nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin’ i Jakoba, dia enina ambin’ ny folo izy.
(irezay ro ana’ i Zilpae, i nomei’ i Labàne amy ana’e Leae vaho nasama’e ho a’ Iakòbe—ondaty folo eneñ’ amby.)
19 Ny zanakalahin-dRahely, vadin’ i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.
O ana’ i Rahkele vali’ Iakòbeo: I Iosefe naho i Beniamine.
20 Ary ny zanakalahin’ i Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak’ i Josefa tany amin’ ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
Nahatoly i Menasè naho i Efraime an-tane Mitsraime ao t’Iosefe, i nasama’ i Asenate ana’ i Potifera, mpisoro’ i Oney, ho aze rey.
21 Ary ny zanakalahin’ i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
O ana’ i Beniamineo: i Bèla, naho i Bèkere, naho i Asbèle, i Gerà, naho i Naamàne, i Eký, naho i Ròse, i Mopìme, naho i Khopìme vaho i Arde,
22 Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin’ i Jakoba; efatra ambin’ ny folo ny isan’ izy rehetra.
(nasama’ i Rahkele am’ Iakòbe i ana’e rey: ondaty folo efats’amby.)
23 Ary ny zanakalahin’ i Dana dia Hosima.
Ty ana’ i Dane: i Kosìme.
24 Ary ny zanakalahin’ i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.
O ana’ i Naftalio: Iaktseèle, naho i Goný, naho Ietsère vaho i Sileme,
25 Ireo no zanakalahin’ i Bila, izay nomen’ i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak’ i Jakoba; fito no isan’ izy rehetra.
(i Bilhae, natolo’ i Labàne amy ana’e Rahkele ty nahatoly irezay ho am’ Iakobe—nitontañe h’ondaty fito).
26 Ny isan’ izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin’ i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin’ ny zanakalahin’ i Jakoba dia enina amby enim-polo.
Ze hene ondati’ Iakòbe nitotsa­ke Mitsraime añe, o boak’am-bania’e ao naho tsy o valin’ ana’eo, le ondaty enem-polo eneñ’ amby.
27 Ary ny zanakalahin’ i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan’ ny terak’ i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
Roe ty ana’ Iosefe nisamake e Mitsraime ao; aa le fitompolo ty an-kasavereña’ Iakòbe nandoake e Mitsraime añe.
28 Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin’ i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin’ ny tany Gosena izy.
Nirahe’e aolo mb’am’Iosefe mb’eo t’Ie­hodà hatoro’e aze hey ty lalañe mb’e Gose­na mb’eo, vaho nimoak’ an-tane Gosena ao iereo.
29 Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an’ Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin’ ny vozony.
Nampihentseñe’ Iosefe ty sarete’e le nionjom-b’eo hifanalaka am’ Israele rae’e e Gosena ao. Niheo ama’e mb’eo re, le namorokoko am-pititia’e vaho nangololoike ela am-pititia’e eo.
30 Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Aoka ho faty amin’ izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao.
Hoe t’Israele am’ Iosefe, Apoho hikenkañe henaneo, fa nitreako ty tare­he’o t’ie mbe veloñe.
31 Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny sy ny ankohonan’ ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin’ i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan’ ny raiko, izay tany amin’ ny tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.
Hoe t’Iosefe aman-drahalahi’e naho añ’anjomban-drae’e, Hiavotse mb’eo iraho hitalily ty hoe amy Parò: Fa to­tsa­k’ amako atoy o rahalahikoo naho ty anjomban-draeko boak’ an-tane Kanàne añe.
32 Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman’ ondry izy; ary ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny mbamin’ izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.
Mpiarak’ añondry o lahilahio, fa mpihare, le hene nen­dese’ iereo o mpirai-lia’eo naho o mpirai-tro’eo vaho ze he’e am’iareoo.
33 Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe: Inona no raharaha fanaonareo?
Ie koiha’ i Parò manao ty hoe, Inom-bao ty tolon-draha’ areo?
34 dia izao no havalinareo: Miompy omby aman’ ondry no raharaha fanaon’ ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin’ ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin’ ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.
le hanoa’areo ty hoe, Fa mpihare boak’ amy te niajalahy pake henane o mpitoro’oo, zahay naho o roae’aio—soa t’ie hitoetse an-tane Gosena, amy te mampangorý o nte-Mitsraimeo ze atao mpiarak’ añondry.

< Genesisy 46 >