< Genesisy 45 >

1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’ izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’ i Josefa, raha nanao izay hahafantaran’ ny rahalahiny azy izy.
Then Joseph could not restrain himself before all those who stood before him, and he cried out, Cause every man to go out from me. And no man stood with him while Joseph made himself known to his brothers.
2 Dia nitomany mafy izy, ka ren’ ny Egyptiana, ary ren’ ny tao an-tranon’ i Farao koa.
And he wept aloud, and the Egyptians heard, and the house of Pharaoh heard.
3 Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
And Joseph said to his brothers, I am Joseph, does my father yet live? And his brothers could not answer him, for they were troubled at his presence.
4 Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
And Joseph said to his brothers, Come near to me, I pray you. And they came near, and he said, I am Joseph your brother, whom ye sold into Egypt.
5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
And now be not grieved, nor angry with yourselves, that ye sold me here, for God sent me before you to preserve life.
6 Fa roa taona izao no efa nisian’ ny mosary teto amin’ ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
For the famine has been in the land these two years, and there are yet five years, in which there shall be neither plowing nor harvest.
7 Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ ny tany, fa hamelona anareo amin’ ny famonjena lehibe.
And God sent me before you to preserve for you a remnant on the earth, and to save you alive by a great deliverance.
8 Ary amin’ izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain’ i Farao, sy ho tompon’ ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
So now it was not you that sent me here, but God, and he has made me a father to Pharaoh, and lord of all his house, and ruler over all the land of Egypt.
9 Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin’ ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’ i Josefa zanakao: Efa nataon’ Andriamanitra ho tompon’ i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
Hasten ye, and go up to my father, and say to him, Thus says thy son Joseph: God has made me lord of all Egypt. Come down to me, delay not.
10 dia honina eo amin’ ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao mbamin’ izay rehetra anananao.
And thou shall dwell in the land of Goshen, and thou shall be near to me, thou, and thy sons, and thy sons' sons, and thy flocks, and thy herds, and all that thou have.
11 Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
And there will I nourish thee, for there are yet five years of famine, lest thou come to poverty, thou, and thy household, and all that thou have.
12 Ary, indro, hitan’ ny masonareo sy ny mason’ i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
And, behold, your eyes see, and the eyes of my brother Benjamin, that it is my mouth that speaks to you.
13 Dia hambaranareo amin’ ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midìna atỳ ikaky.
And ye shall tell my father of all my glory in Egypt, and of all that ye have seen. And ye shall hasten and bring down my father here.
14 Dia namihina ny vozon’ i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin’ ny vozony.
And he fell upon his brother Benjamin's neck, and wept, and Benjamin wept upon his neck.
15 Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
And he kissed all his brothers, and wept upon them. And after that his brothers talked with him.
16 Ary re tao an-tranon’ i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin’ i Josefa; dia sitrak’ i Farao sy ny mpanompony izany.
And the report of it was heard in Pharaoh's house, saying, Joseph's brothers have come. And it pleased Pharaoh well, and his servants.
17 Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Lazao amin’ ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin’ ny bibinareo, ka mankanesa any amin’ ny tany Kanana;
And Pharaoh said to Joseph, Say to thy brothers, This do ye: Load your beasts, and go, get you to the land of Canaan,
18 ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin’ ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin’ ny tany ianareo.
and take your father and your households, and come to me. And I will give you the good of the land of Egypt, and ye shall eat the fat of the land.
19 Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin’ ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.
Now thou are commanded, this do ye: Take wagons for you out of the land of Egypt for your little ones, and for your wives, and bring your father, and come.
20 Aza malahelo ny amin’ ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin’ ny tany Egypta rehetra.
Also do not regard your stuff, for the good of all the land of Egypt is yours.
21 Ary nataon’ ny zanak’ Isiraely izany, ka dia nomen’ i Josefa sariety izy, araka ny tenin’ i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
And the sons of Israel did so. And Joseph gave them wagons, according to the commandment of Pharaoh, and gave them provision for the way.
22 Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
He gave to all of them, each man, changes of raiment, but to Benjamin he gave three hundred pieces of silver, and five changes of raiment.
23 Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an’ ny rainy ho entiny eny an-dalana.
And he sent to his father according to this manner: ten donkeys laden with the good things of Egypt, and ten she-donkeys laden with grain and bread and provision for his father by the way.
24 Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
So he sent his brothers away, and they departed. And he said to them, See that ye not fall out by the way.
25 Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin’ i Jakoba rainy tany amin’ ny tany Kanana.
And they went up out of Egypt, and came into the land of Canaan to Jacob their father.
26 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon’ i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
And they told him, saying, Joseph is yet alive, and he is ruler over all the land of Egypt. And his heart fainted, for he did not believe them.
27 Dia nolazain’ izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain’ i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain’ i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin’ i Jakoba rainy
And they told him all the words of Joseph, which he had said to them. And when he saw the wagons which Joseph had sent to carry him, the spirit of Jacob their father revived.
28 Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
And Israel said, It is enough, Joseph my son is yet alive. I will go and see him before I die.

< Genesisy 45 >