< Genesisy 45 >
1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’ izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’ i Josefa, raha nanao izay hahafantaran’ ny rahalahiny azy izy.
Tsono Yosefe sanathenso kuwugwira mtima kuti asalire pamaso pa antchito ake ndipo anafuwula kuti, “Aliyense achoke pamaso panga!” Motero panalibe wina aliyense pamene Yosefe anadziwulula kwa abale ake.
2 Dia nitomany mafy izy, ka ren’ ny Egyptiana, ary ren’ ny tao an-tranon’ i Farao koa.
Ndipo analira mokweza mwakuti Aigupto anamva. Onse a ku nyumba kwa Farao anamvanso za zimenezi.
3 Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
Yosefe anati kwa abale ake, “Ine ndine Yosefe! Kodi abambo anga akanali ndi moyo?” Koma abale ake sanathe kumuyankha chifukwa anali ndi mantha kwambiri pamaso pake.
4 Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
Ndipo Yosefe anati kwa abale ake, “Senderani pafupi nane.” Atasendera iye anati, “Ine ndine mʼbale wanu Yosefe amene munamugulitsa ku Igupto!
5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
Ndipo tsopano, musawawidwe mtima kapena kudzipsera mtima chifukwa choti munandigulitsa ine kuno, popeza Mulungu ananditsogoza ine kuti adzapulumutse miyoyo yanu.
6 Fa roa taona izao no efa nisian’ ny mosary teto amin’ ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
Kwa zaka ziwiri tsopano, kwakhala kuli njala mʼdziko muno, ndipo kwa zaka zisanu zikubwerazi, anthu sadzalima kapena kukolola.
7 Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ ny tany, fa hamelona anareo amin’ ny famonjena lehibe.
Koma Mulungu ananditsogoza kuti adzakusungeni ndi moyo ndi kuti mudzakhale ndi zidzukulu pa dziko lapansi.
8 Ary amin’ izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain’ i Farao, sy ho tompon’ ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
“Motero, si inu amene munanditumiza kuno koma Mulungu. Iye anandisandutsa kukhala nduna yayikulu ya Farao, ndipo zonse za mʼnyumba mwake zili mʼmanja mwangamu. Komanso amene akulamulira dziko lonse la Igupto ndi ine.
9 Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin’ ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’ i Josefa zanakao: Efa nataon’ Andriamanitra ho tompon’ i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
Tsono fulumirani mubwerere kwa abambo anga ndi kuwawuza kuti, ‘Mwana wanu Yosefe akuti, Mulungu anandisandutsa kukhala mbuye wa dziko lonse la Igupto. Ndiye bwerani kuno musachedwe.
10 dia honina eo amin’ ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao mbamin’ izay rehetra anananao.
Ndipo inu, ana anu, zidzukulu zanu, pamodzi ndi nkhosa ndi ngʼombe zanu ndi antchito anu amene muli nawo muzidzakhala mʼdziko la Goseni pafupi ndi ine.
11 Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
Ine ndizidzakupatsani zakudya kumeneko chifukwa zaka zisanu za njala zikubwera ndithu. Kupanda kutero, inu ndi mabanja anu pamodzi ndi anthu anu onse mudzasowa chakudya.’
12 Ary, indro, hitan’ ny masonareo sy ny mason’ i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
“Tsono inu nonse pamodzi ndi mʼbale wangayu Benjamini, mukuona kuti ndi inedi amene ndikuyankhula nanu.
13 Dia hambaranareo amin’ ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midìna atỳ ikaky.
Mukawawuze abambo anga kuti ndili pa ulemerero ku dziko la Igupto kuno ndi zonse zimene mwaziona. Tsopano fulumirani kuti mukabwere nawo kuno abambo anga.”
14 Dia namihina ny vozon’ i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin’ ny vozony.
Kenaka Yosefe anakhumbatira Benjamini, mngʼono wake uja nayamba kulira. Nayenso Benjamini anayamba kulira atamukumbatira.
15 Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
Atatero, Yosefe anapsompsona abale ake onse aja, akulira. Pambuyo pake abale ake aja anacheza ndi Yosefe.
16 Ary re tao an-tranon’ i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin’ i Josefa; dia sitrak’ i Farao sy ny mpanompony izany.
Akunyumba kwa Farao atamva kuti abale ake a Yosefe abwera, Farao pamodzi ndi nduna zake zonse anakondwera.
17 Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Lazao amin’ ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin’ ny bibinareo, ka mankanesa any amin’ ny tany Kanana;
Farao anati kwa Yosefe, “Uwawuze abale ako kuti, ‘Senzetsani nyama zanu katundu ndi kubwerera ku dziko la Kanaani.
18 ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin’ ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin’ ny tany ianareo.
Mukabwere nawo abambo anu ndi mabanja anu kuno, ndipo ine ndidzakupatsani dera lachonde kwambiri mʼdziko la Igupto. Mudzadya zokoma za mʼdzikoli.’”
19 Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin’ ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.
“Uwawuzenso kuti, ‘Tengani ngolo zingapo za kuno ku Igupto kuti mukakwezepo ana anu, akazi anu pamodzi ndi abambo ako ndi kubwera nawo kuno.
20 Aza malahelo ny amin’ ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin’ ny tany Egypta rehetra.
Musadandaule zosiya katundu komweko chifukwa dziko lachonde la kuno ku Igupto lidzakhala lanu.’”
21 Ary nataon’ ny zanak’ Isiraely izany, ka dia nomen’ i Josefa sariety izy, araka ny tenin’ i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
Choncho ana a Israeli anachita zimenezo. Yosefe anawapatsa ngolo monga Farao analamulira, ndipo anawapatsanso chakudya cha paulendo wawo.
22 Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
Anaperekanso kwa aliyense zovala zatsopano, koma kwa Benjamini anapereka siliva wolemera pafupifupi makilogalamu anayi ndi zovala zisanu.
23 Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an’ ny rainy ho entiny eny an-dalana.
Ndipo abambo ake anawatumizira izi: abulu khumi osenza zinthu zabwino kwambiri za ku Igupto, ndi abulu aakazi khumi osenza tirigu, buledi ndi zakudya zina za pa ulendo wake.
24 Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
Kenaka anawalola abale ake aja kuti azipita, ndipo akunyamuka, iye anawawuza kuti, “Osakangana mʼnjira!”
25 Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin’ i Jakoba rainy tany amin’ ny tany Kanana.
Ndipo anachoka ku Igupto nafika kwa abambo awo Yakobo mʼdziko la Kanaani.
26 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon’ i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
Iwo anawuza abambo awo kuti, “Yosefe akanali ndi moyo! Ndiponsotu, ndiye akulamulira dziko la Igupto.” Yakobo anangoti kakasi osankhulupirira.
27 Dia nolazain’ izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain’ i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain’ i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin’ i Jakoba rainy
Komabe atamufotokozera zonse zimene Yosefe anawawuza ndipo ataona ngolo zimene Yosefe anatumiza kuti adzakweremo popita ku Igupto, mtima wa Yakobo, abambo awo unatsitsimuka.
28 Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
Ndipo Israeli anati, “Ndatsimikizadi! Mwana wanga Yosefe akanali ndi moyodi. Ndipita ndikamuone ndisanafe.”