< Genesisy 42 >

1 Ary fantatr’ i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin’ ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo?
Now when Jacob saw that there was corn in Egypt, Jacob said to his sons, Why do ye look one upon another?
2 Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midìna any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty.
And he said, Behold, I have heard that there is corn in Egypt: go down thither, and buy for us from thence; that we may live, and not die.
3 Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin’ i Josefa mba hividy vary tany Egypta.
And Joseph's ten brethren went down to buy corn in Egypt.
4 Fa Benjamina, rahalahin’ i Josefa, tsy mba nampandehanin’ i Jakoba niaraka tamin’ ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy.
But Benjamin, Joseph's brother, Jacob sent not with his brethren: for he said, Lest perhaps mischief shall befall him.
5 Dia tonga ny zanak’ Isiraely mba hividy vary niaraka tamin’ izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.
And the sons of Israel came to buy [corn] among those that came: for the famine was in the land of Canaan.
6 Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin’ i Josefa ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
And Joseph [was] the governor over the land, [and] he [it was] that sold to all the people of the land: and Joseph's brethren came, and bowed themselves before him [with] their faces to the earth.
7 Ary hitan’ i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin’ ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.
And Joseph saw his brethren, and he knew them, but made himself strange to them, and spoke roughly to them; and he said to them, Whence come ye? And they said, From the land of Canaan to buy food.
8 Ary fantatr’ i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy.
And Joseph knew his brethren, but they knew not him.
9 Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo; hizaha ny fangadihadin’ ny tany no nahatongavanareo.
And Joseph remembered the dreams which he dreamed of them, and said to them, Ye [are] spies; to see the nakedness of the land have ye come.
10 Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
And they said to him, No, my lord, but to buy food have thy servants come.
11 Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao.
We [are] all one man's sons; we [are] true [men]; thy servants are no spies.
12 Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin’ ny tany no nahatongavanareo.
And he said to them, No, but to see the nakedness of the land have ye come.
13 Fa hoy izy; Roa ambin’ ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin’ ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.
And they said, Thy servants [are] twelve brethren, the sons of one man in the land of Canaan; and behold, the youngest [is] this day with our father, and one [is] not.
14 Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina;
And Joseph said to them, That [is] what I spoke to you, saying, Ye [are] spies:
15 dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany.
By this ye shall be proved: By the life of Pharaoh ye shall not go forth hence, except your youngest brother shall come hither.
16 Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo.
Send one of you, and let him bring your brother, and ye shall be kept in prison, that your words may be proved, whether [there is any] truth in you: or else by the life of Pharaoh surely ye [are] spies.
17 Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.
And he put them all together into custody three days.
18 Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra an’ Andriamanitra:
And Joseph said to them the third day, This do, and live; [for] I fear God:
19 Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin’ ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin’ ny tranonareo;
If ye [are] true [men], let one of your brethren be bound in the house of your prison: go ye, carry corn for the famine of your houses:
20 ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany.
But bring your youngest brother to me; so shall your words be verified, and ye shall not die. And they did so.
21 Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin’ ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian’ ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan’ izao fahoriana izao amintsika.
And they said one to another, We [are] verily guilty concerning our brother, in that we saw the anguish of his soul, when he besought us, and we would not hear; therefore is this distress come upon us.
22 Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin’ ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao.
And Reuben answered them, saying, Did I not speak to you, saying, Do not sin against the young man; and ye would not hear? therefore behold also his blood is required.
23 Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy.
And they knew not that Joseph understood [them]; for he spoke to them by an interpreter.
24 Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an’ i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
And he turned himself away from them, and wept; and returned to them again, and communed with them, and took from them Simeon, and bound him before their eyes.
25 Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan’ ny isan-dahy ho ao anatin’ ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.
Then Joseph commanded to fill their sacks with corn, and to restore every man's money into his sack, and to give them provision for the way: and thus did he to them.
26 Ary natainginy tamin’ ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy.
And they loaded their asses with the corn, and departed thence.
27 Ary raha nosokafan’ ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin’ izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan’ ny lasakany izany.
And as one of them opened his sack to give his ass provender in the inn, he espied his money: for behold, it [was] in his sack's mouth.
28 Dia hoy izy tamin’ ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin’ ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon’ Andriamanitra amintsika izao?
And he said to his brethren, My money is restored; and see [it is] even in my sack: and their heart failed [them], and they were afraid, saying one to another, What [is] this [that] God hath done to us?
29 Ary tonga tany amin’ i Jakoba rainy, tany amin’ ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy:
And they came to Jacob their father to the land of Canaan, and told him all that befell them, saying,
30 Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon’ ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay.
The man [who is] the lord of the land, spoke roughly to us, and took us for spies of the country.
31 Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory;
And we said to him, We [are] true [men]; we are no spies:
32 roa ambin’ ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin’ ny rainay any amin’ ny tany Kanana ankehitriny.
We [are] twelve brethren, sons of our father: one [is] not, and the youngest [is] this day with our father in the land of Canaan.
33 Dia hoy ralehilahy, tompon’ ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo: ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin’ ny tranonareo, dia mandehana;
And the man, the lord of the country, said to us, By this shall I know that ye [are] true [men]: leave one of your brethren [here] with me, and take [food for] the famine of your households, and depart:
34 ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin’ ny tany ianareo.
And bring your youngest brother to me: then shall I know that ye [are] no spies, but [that] ye [are] true [men]: then will I deliver to you your brother, and ye shall traffick in the land.
35 Ary raha nandraraka izay tao anatin’ ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin’ ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra.
And it came to pass as they emptied their sacks, that behold, every man's bundle of money [was] in his sack; and when they and their father saw the bundles of money, they were afraid.
36 Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin’ izany rehetra izany,
And Jacob their father said to them, Me have ye bereaved: Joseph [is] not, and Simeon [is] not, and ye will take Benjamin [away]: all these things are against me.
37 Ary Robena niteny tamin’ ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.
And Reuben spoke to his father, saying, Slay my two sons, if I bring him not to thee: deliver him into my hand, and I will bring him to thee again.
38 Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin’ ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ alahelo ny volo fotsiko. (Sheol h7585)
And he said, My son shall not go down with you; for his brother is dead, and he is left alone: if mischief shall befall him by the way in which ye go, then will ye bring down my gray hairs with sorrow to the grave. (Sheol h7585)

< Genesisy 42 >