< Genesisy 41 >
1 Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron’ i Neily izy.
Ikawa mwishoni mwa miaka miwili mizima Farao akaota ndoto.
2 Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin’ ny bararata.
Tazama, alikuwa amesimama kando ya Nile. Tazama, ng'ombe saba wakatoka katika mto Nile, wakupendeza na wanene, na wakajilisha katika nyasi.
3 Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan’ ireo ombivavy teo amoron’ i Neily.
Tazama, ng'ombe wengine saba wakatoka katika Nile baada yao, wasiopendeza na wamekondeana. Wakasimama ukingoni mwa mto kando ya wale ng'ombe wengine.
4 Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao.
Kisha wale ng'ombe wasiopendeza na waliokonda wakawala wale waliokuwa wanapendeza na walionenepa.
5 Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin’ ny tahony iray, sady vokatra no tsara.
Kisha Farao akaamka. Kisha akalala na kuota mara ya pili. Tazama, masuke saba ya nafaka yalichipua katika mche mmoja, mema na mazuri.
6 Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main’ ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny.
Tazama, masuke saba, membamba na yaliyokaushwa na upepo wa mashariki, yakachipua baada yake.
7 Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany.
Masuke membamba yakayameza yale masuke saba mema yote. Farao akaamka, na, tazama, ilikuwa ni ndoto tu.
8 Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran’ i Farao tamin’ ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’ i Farao.
Ikawa wakati wa asubuhi roho yake ikafadhaika. Akatuma na kuwaita waganga na wenye hekima wote wa Misri. Farao akawasimlia ndoto zake, lakini hakuna aliyeweza kumtafsiria Farao.
9 Dia niteny tamin’ i Farao ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:
Kisha mkuu wa wanyweshaji akamwambia Farao, “Leo ninayafikiri makosa yangu.
10 Farao dia tezitra tamin’ ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin’ ny tranon’ ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben’ ny mpanao mofo.
Farao aliwakasirikia watumishi wake, na kutuweka kifungoni katika nyumba ya kapteni wa walinzi, mkuu wa waokaji na mimi.
11 Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay.
Tuliota ndoto usiku huo mmoja, yeye na mimi. Kila mmoja aliota kwa kadili ya tafsiri yake.
12 Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon’ ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
Pamoja nasi kulikuwa na kijana Mwebrania, mtumishi wa kapteni wa walinzi. Tulimwambia na akatutafsiria ndoto zetu. Alitutafsiria kila mmoja wetu kulingana na ndoto yake.
13 Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin’ ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.
Ikawa kama alivyotutafsiria, ndivyo ilivyokuwa. Farao alinirudisha katika nafasi yangu, lakini akamtundika yule mwingine.”
14 Dia naniraka Farao ka nampaka an’ i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an-davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin’ i Farao.
Ndipo Farao alipotuma na kumwita Yusufu. Kwa haraka wakamtoa gerezani. Akajinyoa mwenyewe, akabadili mavazi yake, na akaingia kwa Farao.
15 Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny.
Farao akamwambia Yusufu, “Nimeoda ndoto, lakini hakuna wa kuitafsiri. Lakini nimesikia kuhusu wewe, kwamba unaposikia ndoto unaweza kuitafsiri.”
16 Ary Josefa dia namaly an’ i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’ i Farao.
Yusufu akamjibu Farao, kusema, “Siyo katika mimi. Mungu atamjibu Farao kwa uhakika.”
17 Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron’ i Neily aho;
Farao akamwambia Yusufu, “Katika ndoto yangu, tazama, nilisimama katika ukingo wa Nile.
18 koa, indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana teny amin’ ny bararata ireny.
Tazama, ng'ombe saba wakatoka ndani ya Nile, wanene na wakuvutia, nao wakajilisha katika nyasi.
19 Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin’ ny tany Egypta rehetra.
Tazama, ng'ombe wengine saba wakapanda baada yao, dhaifu, wabaya, na wembaba. Sijawao kuona wabaya kama hao katika nchi yote ya Misri.
20 Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy.
Wale ng'ombe wembamba na wabaya wakawala wale ng'ombe saba na wanene.
21 Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin’ ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho.
Walipokuwa wamemaliza kuwala wote, haikujulikana kama walikuwa wamewala, kwani walibaki wabaya kama mwanzo. Kisha nikaamka.
22 Ary hitako tamin’ ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin’ ny tahony iray, sady vokatra no tsara;
Niliona katika ndoto yangu, na tazama, masuke saba yakatoka katika bua moja, jema na limejaa.
23 ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main’ ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny;
Tazama, masuke saba zaidi, yaliyonyauka, membamba na yamekaushwa na upepo wa mashariki, yakachipua baada yake.
24 ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin’ ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.
Yale masuke membamba yakayameza masuke saba mema. Niliwaambia waganga ndoto hizi, lakini hakuna aliyeweza kunielezea.”
25 Ary hoy Josefa tamin’ i Farao: Ny nofin’ i Farao dia iray ihany; izay efa hataon’ Andriamanitra no nambarany tamin’ i Farao.
Yusufu akamwambia Farao, “Ndoto za Farao ni moja. Mungu amemwambia Farao kuhusu jambo analokwenda kulifanya.
26 Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito taona; iray ihany ny nofy.
Wale ng'ombe saba wema ni miaka saba, na masuke saba mema ni miaka saba. Ndoto ni moja.
27 Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main’ ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena.
Na wale ng'ombe saba wembamba na wabaya waliokuja baadaye ni miaka saba, na pia masuke saba membamba yaliyokaushwa na upepo wa mashariki itakuwa miaka saba ya njaa.
28 Izany dia ilay efa nolazaiko tamin’ i Farao teo hoe: Izay efa hataon’ Andriamanitra no asehony amin’ i Farao.
Hilo ni jambo nililomwambia Farao. Mungu amemfunulia Farao jambo analokwenda kulifanya.
29 Indro, hisy fito taona zina indrindra eran’ ny tany Egypta rehetra;
Tazama, miaka saba yenye utele mwingi inakuja katika nchi yote ya Misri.
30 ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin’ ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany;
Na miaka saba ya njaa itakuja baada yake, na utele wote katika nchi ya Misri utasahaulika, na njaa itaiaribu nchi.
31 ary ny fahavokarana eo amin’ ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.
Utele hautakumbukwa katika nchi kwa sababu ya njaa itakayofuata, kwa kuwa itakuwa kali sana.
32 Ary naverina indroa ny nofin’ i Farao, satria efa voatendrin’ Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin’ Andriamanitra faingana.
Kwamb ndoto ilijirudia kwa Farao sababu ni kwamba jambo hili limeanzishwa na Mungu, na Mungu atalitimiza hivi karibuni.
33 Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.
Basi Farao atafute mtu mwenye maharifa na busara, na kumweka juu ya nchi ya Misri.
34 Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin’ ny vokatry ny tany Egypta amin’ ny taon-jina fito.
Farao na afanye hivi: achague wasimamizi juu ya nchi. Na wachukue sehemu ya tano ya mazao ya Misri katika miaka saba ya shibe.
35 Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin’ ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin’ ny anaran’ i Farao ho fihinana any amin’ ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy
Na wakusanye chakula chote cha hii miaka myema ijayo na kuitunza nafaka chini ya mamlaka ya Farao, kwa chakula kutumika katika miji. Wakiifadhi.
36 Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin’ ny tany ho amin’ ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin’ ny tany Egypta, mba tsy ho simban’ ny mosary ny tany.
Chakula kitakuwa matumizi ya nchi kwa miaka saba ya njaa itakayokuwa katika nchi ya Misri. Kwa njia hii nchi haitaaribiwa na njaa.”
37 Ary sitrak’ i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.
Ushauri huu ukawa mwema machoni pa Farao na machoni pa watumishi wake wote.
38 Dia hoy Farao tamin’ ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’ Andriamanitra ao anatiny, va isika?
Farao akawambia watumishi wake, “Je tunaweza kumpata mtu kama huyu, ambaye ndani yake kuna Roho wa Mungu?”
39 Ary hoy koa Farao tamin’ i Josefa: Satria efa nampahafantarin’ Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
Hivyo Farao akamwambia Yusufu, “Kwa vile Mungu amekuonesha yote haya, hakuna mtu mwenye ufahamu na busara kama wewe.
40 koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
Utakuwa juu ya nyumba yangu, watu wangu watatawaliwa kwa kadili ya neno lako. Katika kiti cha enzi peke yake mimi nitakuwa mkuu kuliko wewe.”
41 Ary hoy indray Farao tamin’ i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.
Farao akamwambia Yusufu, “Tazama, nimekuweka juu ya nchi yote ya Misri.”
42 Dia nesorin’ i Farao ny peratra tamin’ ny tanany ka nataony tamin’ ny tànan’ i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
Farao akavua pete yake ya mhuri kutoka katika mkono wake na kuiweka katika mkono wa Yusufu. Akamvika kwa mavazi ya kitani safi, na kuweka mkufu wa dhahabu shingoni mwake.
43 dia nampitaingeniny teo anatin’ ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy.
Akataka apandishwe katika kibandawazi cha pili alichokuwa nacho. Watu wakapiga kelele mbele yake, “Pigeni magoti.” Farao akamweka juu ya nchi yote ya Misri.
44 Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin’ ny tany Egypta rehetra.
Farao akamwambia Yusufu, “Mimi ni Farao, mbali na wewe, hakuna mtu atakayeinua mkono wake au mguu wake katika nchi ya Misri.”
45 Ary nataon’ i Farao hoe Zafenata-panea no anaran’ i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta.
Farao akamwita Yusufu jina la Zafenathi Panea.” Akampa Asenathi, binti wa Potifera kuhani wa On, kuwa mke wake. Yusufu akaenda juu ya nchi yote ya Misri.
46 Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta. Dia niala teo anatrehan’ i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
Yusufu alikuwa na umri wa miaka thelathini aliposimama mbele ya Farao, mfalme wa Misri. Yusufu akatoka mbele ya Farao, na kwenda katika nchi yote ya Misri.
47 Ary ny tany dia nahavokatra tsy omby fàmpana tamin’ ny taon-jina fito.
Katika miaka saba ya shibe nchi ilipozaa kwa wingi.
48 Dia namory ny hanina rehetra tamin’ izany fito taona izany teo amin’ ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin’ ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin’ ny tanàna.
Akakusanya chakula chote cha miaka saba iliyokuwako katika nchi ya Misri na kukiweka chakula katika miji. Akaweka katika kila mji chakula cha mashamba yaliyokizunguka.
49 Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa.
Yusufu akahifadhi nafaka kama mchanga wa bahari, kingi kiasi kwamba akaacha kuhesabu, kwa sababu kilikuwa hakihesabiki.
50 Ary nisy zazalahy roa naterak’ i Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin’ i Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena.
Kabla miaka ya njaa kuingia Yusufu akapata wana wawili, ambao Asenathi, binti wa Potifera kuhani wa On, alimzalia.
51 Ary ny anaran’ ny lahimatoa dia nataon’ i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ ny raiko.
Yusufu akamwita mzaliwa wake wa kwanza Manase, kwani alisema, “Mungu amenisahaurisha shida zangu zote na nyumba yote ya baba yangu.”
52 Ary ny anaran’ ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin’ ny tanin’ ny fahoriako.
Akamwita mwanawe wa pili Efraimu, kwani alisema, Mungu amenipa uzao katika nchi ya mateso yangu.”
53 Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin’ ny tany Egypta;
Miaka saba ya shibe iliyokuwa katika nchi ya Misri ikafika mwisho.
54 dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain’ i Josefa; ary nisy mosary tany amin’ ny tany rehetra; nefa eran’ ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.
Miaka saba ya njaa ikaanza, kama alivyokuwa amesema Yusufu. Kulikuwa na njaa katika nchi zote, lakini katika nchi yote ya Misri kulikuwa na chakula.
55 Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin’ i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin’ ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin’ i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.
Nchi yote ya Misri ilipokuwa na njaa, watu wakapiga kelele kwa Farao kwa ajili ya chakula. Farao akawambia Wamisri wote, “Nendeni kwa Yusufu na mfanye atakavyosema.”
56 Ary ny mosary dia tany amin’ ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin’ ny Egyptiana.
Njaa ilikuwa juu ya uso wote wa nchi. Yusufu akafungua ghala zote na kuuza chakula kwa Wamisri. Njaa ilikuwa kali sana katika nchi ya Misri.
57 Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin’ i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin’ ny tany rehetra.
Dunia yote ikaja Misri kununua nafaka kutoka kwa Yusufu, kwani njaa ilikuwa kali katika dunia yote.