< Genesisy 41 >

1 Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron’ i Neily izy.
And it came to pass after two full years that Pharao had a dream. He thought he stood upon [the bank of] the river.
2 Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin’ ny bararata.
And behold, there came up as it were out of the river seven cows, fair in appearance, and choice of flesh, and they fed on the sedge.
3 Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan’ ireo ombivavy teo amoron’ i Neily.
And other seven cows came up after these out of the river, ill-favoured and lean-fleshed, and fed by the [other] cows on the bank of the river.
4 Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao.
And the seven ill-favoured and lean cows devoured the seven well-favoured and choice-fleshed cows; and Pharao awoke.
5 Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin’ ny tahony iray, sady vokatra no tsara.
And he dreamt again. And, behold, seven ears came up on one stalk, choice and good.
6 Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main’ ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny.
And, behold, seven ears thin and blasted with the wind, grew up after them.
7 Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany.
And the seven thin ears and blasted with the wind devoured the seven choice and full ears; and Pharao awoke, and it was a dream.
8 Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran’ i Farao tamin’ ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’ i Farao.
And it was morning, and his soul was troubled; and he sent and called all the interpreters of Egypt, and all her wise men; and Pharao related to them his dream, and there was no one to interpret it to Pharao.
9 Dia niteny tamin’ i Farao ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:
And the chief cupbearer spoke to Pharao, saying, I this day remember my fault:
10 Farao dia tezitra tamin’ ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin’ ny tranon’ ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben’ ny mpanao mofo.
Pharao was angry with his servants, and put us in prison in the house of the captain of the guard, both me and the chief baker.
11 Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay.
And we had a dream both in one night, I and he; we saw, each according to his dream.
12 Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon’ ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
And there was there with us a young man, a Hebrew servant of the captain of the guard; and we related to him [our dreams], and he interpreted [them] to us.
13 Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin’ ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.
And it came to pass, as he interpreted them to us, so also it happened, both that I was restored to my office, and that he was hanged.
14 Dia naniraka Farao ka nampaka an’ i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an-davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin’ i Farao.
And Pharao having sent, called Joseph; and they brought him out from the prison, and shaved him, and changed his dress, and he came to Pharao.
15 Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny.
And Pharao said to Joseph, I have seen a vision, and there is no one to interpret it; but I have heard say concerning you that you did hear dreams and interpret them.
16 Ary Josefa dia namaly an’ i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’ i Farao.
And Joseph answered Pharao and said, Without God an answer of safety shall not be given to Pharao.
17 Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron’ i Neily aho;
And Pharao spoke to Joseph, saying, In my dream I thought I stood by the bank of the river;
18 koa, indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana teny amin’ ny bararata ireny.
and there came up as it were out of the river, seven cows well-favoured and choice-fleshed, and they fed on the sedge.
19 Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin’ ny tany Egypta rehetra.
And behold seven other cows came up after them out of the river, evil and ill-favoured and lean-fleshed, such that I never saw worse in all the land of Egypt.
20 Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy.
And the seven ill-favoured and thin cows ate up the seven first good and choice cows.
21 Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin’ ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho.
And they went into their bellies; and it was not perceptible that they had gone into their bellies, and their appearance was ill-favoured, as also at the beginning; and after I awoke I slept,
22 Ary hitako tamin’ ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin’ ny tahony iray, sady vokatra no tsara;
and saw again in my sleep, and as it were seven ears came up on one stem, full and good.
23 ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main’ ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny;
And other seven ears, thin and blasted with the wind, sprang up close to them.
24 ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin’ ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.
And the seven thin and blasted ears devoured the seven fine and full ears: so I spoke to the interpreters, and there was no one to explain it to me.
25 Ary hoy Josefa tamin’ i Farao: Ny nofin’ i Farao dia iray ihany; izay efa hataon’ Andriamanitra no nambarany tamin’ i Farao.
And Joseph said to Pharao, The dream of Pharao is one; whatever God does, he has shown to Pharao.
26 Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito taona; iray ihany ny nofy.
The seven good cows are seven years, and the seven good ears are seven years; the dream of Pharao is one.
27 Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main’ ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena.
And the seven thin kine that came up after them are seven years; and the seven thin and blasted ears are seven years; there shall be seven years of famine.
28 Izany dia ilay efa nolazaiko tamin’ i Farao teo hoe: Izay efa hataon’ Andriamanitra no asehony amin’ i Farao.
And as for the word which I have told Pharao, whatever God intends to do, he has shown to Pharao:
29 Indro, hisy fito taona zina indrindra eran’ ny tany Egypta rehetra;
behold, for seven years there is coming great plenty in all the land of Egypt.
30 ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin’ ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany;
But there shall come seven years of famine after these, and they shall forget the plenty that shall be in all Egypt, and the famine shall consume the land.
31 ary ny fahavokarana eo amin’ ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.
And the plenty shall not be known in the land by reason of the famine that shall be after this, for it shall be very grievous.
32 Ary naverina indroa ny nofin’ i Farao, satria efa voatendrin’ Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin’ Andriamanitra faingana.
And concerning the repetition of the dream to Pharao twice, [it is] because the saying which is from God shall be true, and God will hasten to accomplish it.
33 Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.
Now then, look out a wise and prudent man, and set him over the land of Egypt.
34 Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin’ ny vokatry ny tany Egypta amin’ ny taon-jina fito.
And let Pharao make and appoint local governors over the land; and let them take up a fifth part of all the produce of the land of Egypt for the seven years of the plenty.
35 Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin’ ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin’ ny anaran’ i Farao ho fihinana any amin’ ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy
And let them gather all the food of these seven good years that are coming, and let the corn be gathered under the hand of Pharao; let food be kept in the cities.
36 Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin’ ny tany ho amin’ ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin’ ny tany Egypta, mba tsy ho simban’ ny mosary ny tany.
And the stored food shall be for the land against the seven years of famine, which shall be in the land of Egypt; and the land shall not be utterly destroyed by the famine.
37 Ary sitrak’ i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.
And the word was pleasing in the sight of Pharao, and in the sight of all his servants.
38 Dia hoy Farao tamin’ ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’ Andriamanitra ao anatiny, va isika?
And Pharao said to all his servants, Shall we find such a man as this, who has the Spirit of God in him?
39 Ary hoy koa Farao tamin’ i Josefa: Satria efa nampahafantarin’ Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
And Pharao said to Joseph, Since God has showed you all these things, there is not a wiser or more prudent man than you.
40 koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
You shall be over my house, and all my people shall be obedient to your word; only in the throne will I excel you.
41 Ary hoy indray Farao tamin’ i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.
And Pharao said to Joseph, Behold, I set you this day over all the land of Egypt.
42 Dia nesorin’ i Farao ny peratra tamin’ ny tanany ka nataony tamin’ ny tànan’ i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
And Pharao took his ring off his hand, and put it on the hand of Joseph, and put on him a robe of fine linen, and put a necklace of gold about his neck.
43 dia nampitaingeniny teo anatin’ ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy.
And he mounted him on the second of his chariots, and a herald made proclamation before him; and he set him over all the land of Egypt.
44 Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin’ ny tany Egypta rehetra.
And Pharao said to Joseph, I am Pharao; without you no one shall lift up his hand on all the land of Egypt.
45 Ary nataon’ i Farao hoe Zafenata-panea no anaran’ i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta.
And Pharao called the name of Joseph, Psonthomphanech; and he gave him Aseneth, the daughter of Petephres, priest of Heliopolis, to wife.
46 Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta. Dia niala teo anatrehan’ i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
And Joseph was thirty years old when he stood before Pharao, king of Egypt. And Joseph went out from the presence of Pharao, and went through all the land of Egypt.
47 Ary ny tany dia nahavokatra tsy omby fàmpana tamin’ ny taon-jina fito.
And the land produced, in the seven years of plenty, [whole] handfuls [of corn].
48 Dia namory ny hanina rehetra tamin’ izany fito taona izany teo amin’ ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin’ ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin’ ny tanàna.
And he gathered all the food of the seven years, in which was the plenty in the land of Egypt; and he laid up the food in the cities; the food of the fields of a city round about it he laid up in it.
49 Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa.
And Joseph gathered very much corn as the sand of the sea, until it could not be numbered, for there was no number [of it].
50 Ary nisy zazalahy roa naterak’ i Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin’ i Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena.
And to Joseph were born two sons, before the seven years of famine came, which Aseneth, the daughter of Petephres, priest of Heliopolis, bore to him.
51 Ary ny anaran’ ny lahimatoa dia nataon’ i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ ny raiko.
And Joseph called the name of the firstborn, Manasse; for God, [said he], has made me forget all my toils, and all my father's house.
52 Ary ny anaran’ ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin’ ny tanin’ ny fahoriako.
And he called the name of the second, Ephraim; for God, [said he], has increased me in the land of my humiliation.
53 Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin’ ny tany Egypta;
And the seven years of plenty passed away, which were in the land of Egypt.
54 dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain’ i Josefa; ary nisy mosary tany amin’ ny tany rehetra; nefa eran’ ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.
And the seven years of famine began to come, as Joseph said; and there was a famine in all the land; but in all the land of Egypt there was bread.
55 Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin’ i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin’ ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin’ i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.
And all the land of Egypt was hungry; and the people cried to Pharao for bread. And Pharao said to all the Egyptians, Go to Joseph, and do whatever he shall tell you.
56 Ary ny mosary dia tany amin’ ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin’ ny Egyptiana.
And the famine was on the face of all the earth; and Joseph opened all the granaries, and sold to all the Egyptians.
57 Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin’ i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin’ ny tany rehetra.
And all countries came to Egypt to buy of Joseph, for the famine prevailed in all the earth.

< Genesisy 41 >