< Genesisy 38 >

1 Ary tamin’ izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
Wakati ule, Yuda akawaacha ndugu zake, akaenda kuishi na Hira Mwadulami.
2 Ary teo no nahitan’ i Joda ny zanakavavin’ i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
Huko Yuda akakutana na binti wa Kikanaani aitwaye Shua, akamwoa na akakutana naye kimwili,
3 Dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
akapata mimba, akamzaa mwana, ambaye alimwita Eri.
4 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
Akapata mimba tena, akamzaa mwana na kumwita Onani.
5 Dia nanan’ anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin’ ny niterahan’ ny vadiny an’ i Sela.
Akamzaa mwana mwingine tena, akamwita Shela. Huyu alimzalia mahali paitwapo Kezibu.
6 Ary Joda naka vady ho an’ i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
Yuda akampatia Eri, mzaliwa wake wa kwanza, mke aitwaye Tamari.
7 Fa ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda; dia novonoin’ i Jehovah izy.
Lakini Eri, mzaliwa wa kwanza wa Yuda, alikuwa mwovu machoni pa Bwana, kwa hiyo Bwana akamuua.
8 Ary hoy Joda tamin’ i Onana: Vadio ny vadin’ ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
Kisha Yuda akamwambia Onani, “Kutana kimwili na mke wa ndugu yako, na utimize wajibu wako kwake kama mke wa ndugu yako, ili umpatie ndugu yako uzao.”
9 Ary fantatr’ i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin’ ny vadin’ ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin’ ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an’ ny rahalahiny.
Lakini Onani alijua kwamba uzao haungekuwa wake, kwa hiyo kila alipokutana kimwili na mke wa ndugu yake, alimwaga chini mbegu za kiume ili asimpatie ndugu yake uzao.
10 Ary ratsy teo imason’ i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
Alichofanya kilikuwa kiovu machoni pa Bwana, hivyo, pia Bwana akamuua Onani.
11 Ary hoy Joda tamin’ i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben’ i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
Kisha Yuda akamwambia Tamari mkwewe, “Ishi kama mjane nyumbani mwa baba yako mpaka mwanangu Shela atakapokua.” Kwa maana alifikiri, “Angeweza kufa pia kama ndugu zake.” Kwa hiyo Tamari alikwenda kuishi nyumbani kwa baba yake.
12 Ary rehefa ela, dia maty ny vadin’ i Joda, dia ilay zanakavavin’ i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon’ i Joda, dia niakatra tany amin’ ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
Baada ya muda mrefu mke wa Yuda binti wa Shua akafariki. Baada ya msiba, Yuda alikwenda Timna, kwa watu waliokuwa wakikata kondoo wake manyoya, naye alifuatana na rafiki yake Hira Mwadulami.
13 Dia nisy nanambara tamin’ i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
Tamari alipoambiwa, “Baba mkwe wako yuko njiani kwenda Timna kukata kondoo wake manyoya,”
14 Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’ i Enaima, izay eo amin’ ny lalana mankany Timna; satria efa hitan’ i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’ i Joda ho vadin’ i Sela izy.
alivua mavazi yake ya ujane, akajifunika kwa shela ili asifahamike, akaketi kwenye mlango wa Enaimu, ambao upo njiani kuelekea Timna. Akafanya hivyo kwa sababu aliona kwamba, ingawa Shela amekua, lakini alikuwa hajakabidhiwa kwake kuwa mkewe.
15 Ary hitan’ i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
Yuda alipomwona alifikiri ni kahaba, kwa sababu alikuwa amefunika uso wake.
16 Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
Pasipo kutambua kwamba alikuwa mkwe wake, akamwendea kando ya njia na kumwambia, “Njoo sasa, nikutane na wewe kimwili.” Yule mkwewe akamuuliza, “Utanipa nini nikikutana nawe kimwili?”
17 Dia hoy izy: Hampanatitra zanak’ osy avy amin’ ny ondry aman’ osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
Akamwambia, “Nitakutumia mwana-mbuzi kutoka kundi langu.” Akamuuliza, “Utanipa kitu chochote kama amana mpaka utakapompeleka?”
18 Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan’ anaka taminy ravehivavy.
Akamuuliza, “Nikupe amana gani?” Akamjibu, “Pete yako na kamba yake pamoja na fimbo iliyo mkononi mwako.” Kwa hiyo akampa vitu hivyo kisha akakutana naye kimwili, naye akapata mimba yake.
19 Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena indray.
Tamari akaondoka, akavua shela yake akavaa tena nguo zake za ujane.
20 Dia nampitondrain’ i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak’ osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
Wakati ule ule, Yuda akamtuma rafiki yake Mwadulami apeleke yule mwana-mbuzi ili arudishiwe amana yake kutoka kwa yule mwanamke, lakini yule rafiki yake hakumkuta yule mwanamke.
21 Dia nanontany ny olona teo amin’ ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
Akawauliza watu wanaoishi mahali pale, “Yuko wapi yule kahaba wa mahali pa kuabudia miungu aliyekuwa kando ya barabara hapa Enaimu?” Wakamjibu, “Hajawahi kuwepo mwanamke yeyote kahaba wa mahali pa kuabudia miungu hapa.”
22 Dia niverina tany amin’ i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain’ ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
Kwa hiyo akamrudia Yuda na kumwambia, “Sikumpata. Zaidi ya hayo, watu wanaoishi mahali pale walisema ‘Hapakuwahi kuwepo mwanamke yeyote kahaba wa mahali pa kuabudia miungu hapa.’”
23 Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak’ osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
Kisha Yuda akasema, “Mwache avichukue vitu hivyo, ama sivyo tutakuwa kichekesho. Hata hivyo, nilimpelekea mwana-mbuzi, lakini hukumkuta.”
24 Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin’ i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan’ anaka tamin’ ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
Baada ya miezi mitatu Yuda akaambiwa, “Tamari mkweo ana hatia ya kuwa kahaba, na matokeo yake ana mimba.” Yuda akasema, “Mtoeni nje na achomwe moto hadi afe!”
25 Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin’ ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon’ ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon’ ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
Alipokuwa akitolewa nje, akatuma ujumbe kwa baba mkwe wake kusema, “Nina mimba ya mtu mwenye vitu hivi.” Akaongeza kusema, “Angalia kama utatambua kwamba pete hii na kamba yake pamoja na fimbo hii ni vya nani.”
26 Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’ i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
Yuda akavitambua na kusema, “Yeye ana haki kuliko mimi, kwa kuwa sikumkabidhi kwa mwanangu Shela ili awe mkewe.” Tangu hapo hakukutana naye kimwili tena.
27 Ary tamin’ ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
Wakati ulipofika wa kujifungua, kukawa na wana mapacha tumboni mwake.
28 Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan’ ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin’ ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
Alipokuwa akijifungua, mmoja akatoa mkono wake nje, kwa hiyo mkunga akachukua uzi mwekundu na kuufunga mkononi mwa yule mtoto, akasema, “Huyu ametoka kwanza.”
29 Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
Lakini alipourudisha mkono wake ndugu yake akaanza kutoka, naye akasema, “Hivi ndivyo ulivyotoka kwa nguvu!” Akaitwa Peresi.
30 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin’ ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.
Kisha ndugu yake, aliyekuwa na uzi mwekundu mkononi, akatoka, naye akaitwa Zera.

< Genesisy 38 >