< Genesisy 38 >

1 Ary tamin’ izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
ἐγένετο δὲ ἐν τῷ καιρῷ ἐκείνῳ κατέβη Ιουδας ἀπὸ τῶν ἀδελφῶν αὐτοῦ καὶ ἀφίκετο ἕως πρὸς ἄνθρωπόν τινα Οδολλαμίτην ᾧ ὄνομα Ιρας
2 Ary teo no nahitan’ i Joda ny zanakavavin’ i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
καὶ εἶδεν ἐκεῖ Ιουδας θυγατέρα ἀνθρώπου Χαναναίου ᾗ ὄνομα Σαυα καὶ ἔλαβεν αὐτὴν καὶ εἰσῆλθεν πρὸς αὐτήν
3 Dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
καὶ συλλαβοῦσα ἔτεκεν υἱὸν καὶ ἐκάλεσεν τὸ ὄνομα αὐτοῦ Ηρ
4 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
καὶ συλλαβοῦσα ἔτι ἔτεκεν υἱὸν καὶ ἐκάλεσεν τὸ ὄνομα αὐτοῦ Αυναν
5 Dia nanan’ anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin’ ny niterahan’ ny vadiny an’ i Sela.
καὶ προσθεῖσα ἔτι ἔτεκεν υἱὸν καὶ ἐκάλεσεν τὸ ὄνομα αὐτοῦ Σηλωμ αὐτὴ δὲ ἦν ἐν Χασβι ἡνίκα ἔτεκεν αὐτούς
6 Ary Joda naka vady ho an’ i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
καὶ ἔλαβεν Ιουδας γυναῖκα Ηρ τῷ πρωτοτόκῳ αὐτοῦ ᾗ ὄνομα Θαμαρ
7 Fa ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda; dia novonoin’ i Jehovah izy.
ἐγένετο δὲ Ηρ πρωτότοκος Ιουδα πονηρὸς ἐναντίον κυρίου καὶ ἀπέκτεινεν αὐτὸν ὁ θεός
8 Ary hoy Joda tamin’ i Onana: Vadio ny vadin’ ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
εἶπεν δὲ Ιουδας τῷ Αυναν εἴσελθε πρὸς τὴν γυναῖκα τοῦ ἀδελφοῦ σου καὶ γάμβρευσαι αὐτὴν καὶ ἀνάστησον σπέρμα τῷ ἀδελφῷ σου
9 Ary fantatr’ i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin’ ny vadin’ ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin’ ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an’ ny rahalahiny.
γνοὺς δὲ Αυναν ὅτι οὐκ αὐτῷ ἔσται τὸ σπέρμα ἐγίνετο ὅταν εἰσήρχετο πρὸς τὴν γυναῖκα τοῦ ἀδελφοῦ αὐτοῦ ἐξέχεεν ἐπὶ τὴν γῆν τοῦ μὴ δοῦναι σπέρμα τῷ ἀδελφῷ αὐτοῦ
10 Ary ratsy teo imason’ i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
πονηρὸν δὲ ἐφάνη ἐναντίον τοῦ θεοῦ ὅτι ἐποίησεν τοῦτο καὶ ἐθανάτωσεν καὶ τοῦτον
11 Ary hoy Joda tamin’ i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben’ i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
εἶπεν δὲ Ιουδας Θαμαρ τῇ νύμφῃ αὐτοῦ κάθου χήρα ἐν τῷ οἴκῳ τοῦ πατρός σου ἕως μέγας γένηται Σηλωμ ὁ υἱός μου εἶπεν γάρ μήποτε ἀποθάνῃ καὶ οὗτος ὥσπερ οἱ ἀδελφοὶ αὐτοῦ ἀπελθοῦσα δὲ Θαμαρ ἐκάθητο ἐν τῷ οἴκῳ τοῦ πατρὸς αὐτῆς
12 Ary rehefa ela, dia maty ny vadin’ i Joda, dia ilay zanakavavin’ i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon’ i Joda, dia niakatra tany amin’ ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
ἐπληθύνθησαν δὲ αἱ ἡμέραι καὶ ἀπέθανεν Σαυα ἡ γυνὴ Ιουδα καὶ παρακληθεὶς Ιουδας ἀνέβη ἐπὶ τοὺς κείροντας τὰ πρόβατα αὐτοῦ αὐτὸς καὶ Ιρας ὁ ποιμὴν αὐτοῦ ὁ Οδολλαμίτης εἰς Θαμνα
13 Dia nisy nanambara tamin’ i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
καὶ ἀπηγγέλη Θαμαρ τῇ νύμφῃ αὐτοῦ λέγοντες ἰδοὺ ὁ πενθερός σου ἀναβαίνει εἰς Θαμνα κεῖραι τὰ πρόβατα αὐτοῦ
14 Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’ i Enaima, izay eo amin’ ny lalana mankany Timna; satria efa hitan’ i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’ i Joda ho vadin’ i Sela izy.
καὶ περιελομένη τὰ ἱμάτια τῆς χηρεύσεως ἀφ’ ἑαυτῆς περιεβάλετο θέριστρον καὶ ἐκαλλωπίσατο καὶ ἐκάθισεν πρὸς ταῖς πύλαις Αιναν ἥ ἐστιν ἐν παρόδῳ Θαμνα εἶδεν γὰρ ὅτι μέγας γέγονεν Σηλωμ αὐτὸς δὲ οὐκ ἔδωκεν αὐτὴν αὐτῷ γυναῖκα
15 Ary hitan’ i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
καὶ ἰδὼν αὐτὴν Ιουδας ἔδοξεν αὐτὴν πόρνην εἶναι κατεκαλύψατο γὰρ τὸ πρόσωπον αὐτῆς καὶ οὐκ ἐπέγνω αὐτήν
16 Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
ἐξέκλινεν δὲ πρὸς αὐτὴν τὴν ὁδὸν καὶ εἶπεν αὐτῇ ἔασόν με εἰσελθεῖν πρὸς σέ οὐ γὰρ ἔγνω ὅτι ἡ νύμφη αὐτοῦ ἐστιν ἡ δὲ εἶπεν τί μοι δώσεις ἐὰν εἰσέλθῃς πρός με
17 Dia hoy izy: Hampanatitra zanak’ osy avy amin’ ny ondry aman’ osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
ὁ δὲ εἶπεν ἐγώ σοι ἀποστελῶ ἔριφον αἰγῶν ἐκ τῶν προβάτων ἡ δὲ εἶπεν ἐὰν δῷς ἀρραβῶνα ἕως τοῦ ἀποστεῖλαί σε
18 Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan’ anaka taminy ravehivavy.
ὁ δὲ εἶπεν τίνα τὸν ἀρραβῶνά σοι δώσω ἡ δὲ εἶπεν τὸν δακτύλιόν σου καὶ τὸν ὁρμίσκον καὶ τὴν ῥάβδον τὴν ἐν τῇ χειρί σου καὶ ἔδωκεν αὐτῇ καὶ εἰσῆλθεν πρὸς αὐτήν καὶ ἐν γαστρὶ ἔλαβεν ἐξ αὐτοῦ
19 Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena indray.
καὶ ἀναστᾶσα ἀπῆλθεν καὶ περιείλατο τὸ θέριστρον ἀφ’ ἑαυτῆς καὶ ἐνεδύσατο τὰ ἱμάτια τῆς χηρεύσεως αὐτῆς
20 Dia nampitondrain’ i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak’ osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
ἀπέστειλεν δὲ Ιουδας τὸν ἔριφον ἐξ αἰγῶν ἐν χειρὶ τοῦ ποιμένος αὐτοῦ τοῦ Οδολλαμίτου κομίσασθαι τὸν ἀρραβῶνα παρὰ τῆς γυναικός καὶ οὐχ εὗρεν αὐτήν
21 Dia nanontany ny olona teo amin’ ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
ἐπηρώτησεν δὲ τοὺς ἄνδρας τοὺς ἐκ τοῦ τόπου ποῦ ἐστιν ἡ πόρνη ἡ γενομένη ἐν Αιναν ἐπὶ τῆς ὁδοῦ καὶ εἶπαν οὐκ ἦν ἐνταῦθα πόρνη
22 Dia niverina tany amin’ i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain’ ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
καὶ ἀπεστράφη πρὸς Ιουδαν καὶ εἶπεν οὐχ εὗρον καὶ οἱ ἄνθρωποι οἱ ἐκ τοῦ τόπου λέγουσιν μὴ εἶναι ὧδε πόρνην
23 Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak’ osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
εἶπεν δὲ Ιουδας ἐχέτω αὐτά ἀλλὰ μήποτε καταγελασθῶμεν ἐγὼ μὲν ἀπέσταλκα τὸν ἔριφον τοῦτον σὺ δὲ οὐχ εὕρηκας
24 Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin’ i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan’ anaka tamin’ ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
ἐγένετο δὲ μετὰ τρίμηνον ἀπηγγέλη τῷ Ιουδα λέγοντες ἐκπεπόρνευκεν Θαμαρ ἡ νύμφη σου καὶ ἰδοὺ ἐν γαστρὶ ἔχει ἐκ πορνείας εἶπεν δὲ Ιουδας ἐξαγάγετε αὐτήν καὶ κατακαυθήτω
25 Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin’ ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon’ ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon’ ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
αὐτὴ δὲ ἀγομένη ἀπέστειλεν πρὸς τὸν πενθερὸν αὐτῆς λέγουσα ἐκ τοῦ ἀνθρώπου τίνος ταῦτά ἐστιν ἐγὼ ἐν γαστρὶ ἔχω καὶ εἶπεν ἐπίγνωθι τίνος ὁ δακτύλιος καὶ ὁ ὁρμίσκος καὶ ἡ ῥάβδος αὕτη
26 Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’ i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
ἐπέγνω δὲ Ιουδας καὶ εἶπεν δεδικαίωται Θαμαρ ἢ ἐγώ οὗ εἵνεκεν οὐκ ἔδωκα αὐτὴν Σηλωμ τῷ υἱῷ μου καὶ οὐ προσέθετο ἔτι τοῦ γνῶναι αὐτήν
27 Ary tamin’ ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
ἐγένετο δὲ ἡνίκα ἔτικτεν καὶ τῇδε ἦν δίδυμα ἐν τῇ γαστρὶ αὐτῆς
28 Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan’ ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin’ ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
ἐγένετο δὲ ἐν τῷ τίκτειν αὐτὴν ὁ εἷς προεξήνεγκεν τὴν χεῖρα λαβοῦσα δὲ ἡ μαῖα ἔδησεν ἐπὶ τὴν χεῖρα αὐτοῦ κόκκινον λέγουσα οὗτος ἐξελεύσεται πρότερος
29 Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
ὡς δὲ ἐπισυνήγαγεν τὴν χεῖρα καὶ εὐθὺς ἐξῆλθεν ὁ ἀδελφὸς αὐτοῦ ἡ δὲ εἶπεν τί διεκόπη διὰ σὲ φραγμός καὶ ἐκάλεσεν τὸ ὄνομα αὐτοῦ Φαρες
30 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin’ ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.
καὶ μετὰ τοῦτο ἐξῆλθεν ὁ ἀδελφὸς αὐτοῦ ἐφ’ ᾧ ἦν ἐπὶ τῇ χειρὶ αὐτοῦ τὸ κόκκινον καὶ ἐκάλεσεν τὸ ὄνομα αὐτοῦ Ζαρα

< Genesisy 38 >