< Genesisy 37 >
1 Ary Jakoba nonina tany amin’ ny tany fivahinian’ ny rainy, dia tany amin’ ny tany Kanana.
А Јаков живеше у земљи где му је отац био дошљак, у земљи хананској.
2 Ary izao no tantaran’ i Jakoba: Rehefa fito ambin’ ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin’ ny zanak’ i Bila sy ny zanak’ i Zilpa, vadin’ i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
Ово су догађаји Јаковљеви. Јосиф кад беше момак од седамнаест година, пасаше стоку с браћом својом, коју родише Вала и Зелфа жене оца његовог; и доношаше Јосиф зле гласове о њима оцу свом.
3 Ary tian’ Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
А Израиљ љубљаше Јосифа највећма измећу свих синова својих, јер му се родио под старост; и начини му шарену хаљину.
4 Ary nony hitan’ ny rahalahiny fa Josefa no tian’ ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
А браћа видећи где га отац љуби највећма између све браће његове, стадоше мрзети на њ тако да му не могаху лепу реч проговорити.
5 Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin’ ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
Уз то усни Јосиф сан и приповеди браћи својој, те они још већма омрзну на њ.
6 Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
Јер им рече: Да чујете сан што сам снио:
7 Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ ny amboarako.
Везасмо снопље у пољу, па мој сноп уста и исправи се, а ваши снопови иђаху унаоколо и клањаху се снопу мом.
8 Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
Тада му браћа рекоше: Да нећеш још бити цар над нама и заповедати нам? Стога још већма стадоше мрзети на њ ради снова његових и ради речи његових.
9 Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ ny folo niankohoka teo anatrehako.
После опет усни други сан, и приповеди браћи својој говорећи: Усних опет сан, а то се сунце и месец и једанаест звезда клањаху мени.
10 Ary nambarany tamin’ ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao?
А приповеди и оцу свом и браћи својој; али га отац прекори и рече му: Какав је то сан што си снио? Еда ли ћемо доћи ја и мати твоја и браћа твоја да се клањамо теби до земље?
11 Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
И завиђаху му браћа; али отац његов чуваше ове речи.
12 Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin’ ny rainy tany Sekema.
А кад браћа његова отидоше да пасу стоку оца свог код Сихема,
13 Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy: Inty Aho.
Рече Израиљ Јосифу: Не пасу ли браћа твоја стоку код Сихема? Хајде да те пошаљем к њима. А он рече: Ево ме.
14 Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman’ osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin’ ny lohasahan’ i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
А он му рече: Иди, види како су браћа твоја и како је стока, па дођи да ми јавиш. И оправи га из долине хевронске, и он отиде пут Сихема.
15 Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
И човек један нађе га а он лута по пољу; те га запита говорећи: Шта тражиш?
16 Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.
А он рече: Тражим браћу своју; кажи ми, молим те, где су са стоком?
17 Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
А човек рече: Отишли су одавде, јер чух где рекоше: Хајдемо у Дотаим. И отиде Јосиф за браћом својом, и нађе их у Дотаиму.
18 Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
А они га угледаше из далека; и док још не дође близу њих, стадоше се договарати да га убију,
19 Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
И рекоше међу собом: Гле, ево оног што сне сања.
20 Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin’ ny anankiray amin’ ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin’ ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin’ izany na hanao ahoana ny nofiny.
Хајде сада да га убијемо и да га бацимо у коју од ових јама, па ћемо казати: Љута га је зверка изјела. Онда ћемо видети шта ће бити од његових снова.
21 Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin’ ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
Али Рувим кад чу то, избави га из руку њихових рекавши: Немојте да га убијемо.
22 Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin’ io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin’ ny tanan’ ny rahalahiny hitondrany azy any amin’ ny rainy indray.
И још им рече Рувим: Немојте крв проливати; баците га у ову јаму у пустињи, а не дижите руке на њ. А он га хтеде избавити из руку њихових и одвести к оцу.
23 Ary rehefa tonga teo amin’ ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
И кад Јосиф дође к браћи својој, свукоше с њега хаљину његову, хаљину шарену, коју имаше на себи.
24 dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin’ izay, fa tsy nisy rano tao.
И ухвативши га бацише га у јаму; а јама беше празна, не беше воде у њој.
25 Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
После седоше да једу. И подигавши очи угледаше, а то гомила Исмаиљаца иђаше од Галада с камилама натовареним мирисавог корења и тамјана и смирне, те ношаху у Мисир.
26 Ary hoy Joda tamin’ ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika?
И рече Јуда браћи својој: Каква ће бити корист што ћемо убити брата свог и затајити крв његову?
27 Andeha hamidintsika amin’ ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
Хајде да га продамо овим Исмаиљцима па да не дижемо руке своје на њ, јер нам је брат, наше је тело. И послушаше га браћа његова.
28 Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin’ ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin’ ny Isimaelita; ary dia nitondra an’ i Josefa ho any Egypta ireo.
Па кад трговци мадијански беху поред њих, они извукоше и извадише Јосифа из јаме, и продадоше Јосифа Исмаиљцима за двадесет сребрника; и они одведоше Јосифа у Мисир.
29 Dia niverina nankeo amin’ ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
А кад се Рувим врати к јами, а то нема Јосифа у јами; тада раздре хаљине своје,
30 Dia niverina nankeo amin’ ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
Па се врати к браћи својој, и рече: Нема детета; а ја куда ћу?
31 Ary nalain’ ireo rahalahiny ilay akanjon’ i Josefa, dia namono zanak’ osy izy, ka natsobony tamin’ ny rà ny akanjo.
Тада узеше хаљину Јосифову, и заклавши јаре замочише хаљину у крв,
32 Dia nampanateriny ho any amin’ ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon’ ny zanakao ity, na tsia?
Па онда послаше шарену хаљину оцу његовом поручивши: Нађосмо ову хаљину, види је ли хаљина сина твог или није.
33 Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon’ ny zanako io: efa lanin’ ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.
А он је позна и рече: Сина је мог хаљина; љута га је зверка изјела; Јосиф је доиста раскинут.
34 Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
И раздре Јаков хаљине своје, и веза кострет око себе, и тужаше за сином својим дуго времена.
35 Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ ny zanako any amin’ ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy. (Sheol )
И сви синови његови и све кћери његове устадоше око њега тешећи га, али се он не даде утешити, него говораше: С тугом ћу у гроб лећи за сином својим. Па и његов отац плакаше за њим. (Sheol )
36 Ary ny Midianita nivarotra an’ i Josefa tany Egypta tamin’ i Potifara, tandapan’ i Farao sady mpifehy ny mpiambina.
А Мадијани продадоше га у Мисир Петефрију, дворанину Фараоновом, заповеднику стражарском.