< Genesisy 37 >
1 Ary Jakoba nonina tany amin’ ny tany fivahinian’ ny rainy, dia tany amin’ ny tany Kanana.
Yakobo ankakhala mʼdziko la Kanaani kumene abambo ake ankakhala.
2 Ary izao no tantaran’ i Jakoba: Rehefa fito ambin’ ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin’ ny zanak’ i Bila sy ny zanak’ i Zilpa, vadin’ i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
Mbiri ya banja la Yakobo ndi iyi: Yosefe, mnyamata wa zaka 17 ankaweta nkhosa ndi abale ake, pamodzi ndi ana a Biliha ndi Zilipa, akazi a abambo ake. Tsono Yosefe ankabwera kudzawuza abambo ake zoyipa za abale ake.
3 Ary tian’ Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
Tsono Israeli ankakonda Yosefe koposa ana ake ena onse, chifukwa anali mwana wobadwa muukalamba wake. Ndipo anamusokera mkanjo wa manja aatali.
4 Ary nony hitan’ ny rahalahiny fa Josefa no tian’ ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
Pamene abale ake anaona kuti abambo awo ankakonda Yosefe kuposa aliyense wa iwo, anayamba kumuda Yosefe ndipo sankayankhula naye zamtendere.
5 Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin’ ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
Tsiku lina Yosefe analota maloto ndipo pamene anawuza abale ake za malotowo, iwo anawonjeza kumuda.
6 Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
Iye anawawuza kuti, “Tamvani maloto amene ndinalota:
7 Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ ny amboarako.
Ife timamanga mitolo ya tirigu ku munda ndipo mwadzidzidzi mtolo wanga unayimirira chilili, pamene mitolo yanu inazungulira mtolo wangawo nʼkumawugwadira.”
8 Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
Abale ake aja anamufunsa nati, “Kodi ukuyesa kuti ungakhale mfumu yathu? Ungadzatilamuliredi iweyo?” Ndipo anamuda kuposa kale chifukwa cha maloto ake ndi zimene ankakonda kunena kwa abambo awo.
9 Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ ny folo niankohoka teo anatrehako.
Tsiku lina analotanso maloto ena, ndipo anafotokozera abale ake za malotowo. Iye anati, “Tamverani, ndinalotanso maloto ena. Ulendo uno dzuwa ndi mwezi pamodzi ndi nyenyezi khumi ndi imodzi zimandigwadira.”
10 Ary nambarany tamin’ ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao?
Atawuza abambo ake ndi abale ake malotowa, abambo ake anamukalipira nati, “Ndi maloto anji umalotawa? Kodi uganiza kuti ine, amayi ako pamodzi ndi abale ako onsewa tingadzabwere kudzakugwandira iwe?”
11 Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
Abale ake anamuchitira nsanje, koma abambo ake anasunga nkhaniyi mu mtima.
12 Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin’ ny rainy tany Sekema.
Tsono abale ake anapita kukadyetsa ziweto za abambo awo ku Sekemu,
13 Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy: Inty Aho.
ndipo Israeli anati kwa Yosefe, “Tsono, ndikufuna kukutuma kwa abale ako.” Iye anayankha nati, “Chabwino.”
14 Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman’ osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin’ ny lohasahan’ i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
Choncho anati kwa iye, “Pita ukaone ngati abale ako ali bwino. Ukaonenso nkhosa ngati zili bwino. Kenaka ubwere udzandiwuze.” Choncho Israeli anatuma Yosefe kuchokera ku chigwa cha Hebroni. Yosefe atafika ku Sekemu,
15 Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
munthu wina anamupeza akungozungulirazungulira mʼmunda ndipo anamufunsa, “Ukufunafuna chiyani?”
16 Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.
Iye anayankha, “Ndikufuna abale anga. Mungandiwuze kumene akudyetsa ziweto zawo?”
17 Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
Munthuyo anayankha nati, “Anasamukako kuno. Ndinawamva akuti, ‘Tiyeni tipite ku Dotani.’” Choncho Yosefe analondola abale ake ndipo anakawapeza ku Dotani.
18 Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
Abale ake aja anamuonera patali. Ndipo asanafike nʼkomwe kumene kunali iwo kuja, anayamba kale kumupangira chiwembu choti amuphe.
19 Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
Iwo anawuzana nati, “Uyo akubwera apo wamaloto uja.
20 Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin’ ny anankiray amin’ ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin’ ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin’ izany na hanao ahoana ny nofiny.
Tsono tiyeni timuphe ndi kuponya thupi lake mu chimodzi mwa zitsime izi ndipo tidzati anadyedwa ndi nyama zakuthengo zolusa. Tsono timuonera zomwe ziti zichitike ndi maloto ake aja.”
21 Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin’ ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
Koma Rubeni atamva izi, anapulumutsa Yosefe. Iye anati kwa abale ake, “Ayi, tisamuphe,
22 Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin’ io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin’ ny tanan’ ny rahalahiny hitondrany azy any amin’ ny rainy indray.
tisakhetse magazi. Tiyeni timuponye mʼchitsime ku chipululu konkuno. Koma tisamuvulaze nʼkomwe. Rubeni ananena zonsezi kuti apulumutse Yosefe ndi kuti pambuyo pake akamupereke kwa abambo awo.”
23 Ary rehefa tonga teo amin’ ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
Choncho Yosefe atafika kwa abale ake, iwo anamuvula mkanjo wake wamanja aatali uja umene anavala
24 dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin’ izay, fa tsy nisy rano tao.
ndipo anamutenga namuponya mʼchitsime chopanda madzi komanso mopanda chilichonse.
25 Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
Atakhala pansi kuti adye chakudya, anatukula maso naona gulu la Aismaeli akubwera kuchokera ku Giliyadi. Ngamira zawo zinanyamula zonunkhiritsa bwino zakudya zamitundumitundu, ndipo zimenezi ankapita nazo ku Igupto.
26 Ary hoy Joda tamin’ ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika?
Yuda anafunsa abale ake nati, “Kodi tidzapindula chiyani tikapha mʼbale wathuyu ndi kuphimbitsa magazi ake?
27 Andeha hamidintsika amin’ ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
Bwanji timugulitse kwa Aismaeliwa, koma ife tisamuchite kanthu kalikonse. Ameneyu ndi mʼbale wathu thupi limodzi ndi ife.” Abale ake anavomereza zimenezi.
28 Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin’ ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin’ ny Isimaelita; ary dia nitondra an’ i Josefa ho any Egypta ireo.
Amalonda ena a ku Midiyani ankadutsa pomwepo. Tsono abale ake a Yosefe anamutulutsa Yosefe uja mu chitsime chija ndipo anamugulitsa kwa Aismaeli aja pamtengo wa masekeli makumi awiri. Choncho anapita naye Yosefe ku Igupto.
29 Dia niverina nankeo amin’ ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
Rubeni atabwerera ku chitsime kuja anapeza kuti Yosefe mulibe mʼchitsimemo. Pamenepo iye anangʼamba zovala zake
30 Dia niverina nankeo amin’ ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
nabwerera kwa abale ake nati, “Mnyamata uja mulibemo! Nanga ndilowere kuti ine tsopano?”
31 Ary nalain’ ireo rahalahiny ilay akanjon’ i Josefa, dia namono zanak’ osy izy, ka natsobony tamin’ ny rà ny akanjo.
Tsono anapha kamwana ka mbuzi, natenga mkanjo wa Yosefe ndi kuwunyika mʼmagazi ake.
32 Dia nampanateriny ho any amin’ ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon’ ny zanakao ity, na tsia?
Iwo anatenga mkanjo uja nabwerera nawo kwa abambo awo nati, “Ife tapeza mkanjowu. Tawuyangʼanitsitsani muone ngati uli wa mwana wanu.”
33 Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon’ ny zanako io: efa lanin’ ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.
Iye anawuzindikira ndipo anati, “Ndi mkanjo wa mwana wanga umenewu! Nyama yakuthengo yolusa yamudya. Mosakayika, mwana wanga Yosefe wakhadzulidwa.”
34 Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
Pamenepo Yakobo anangʼamba zovala zake, navala chisaka mʼchiwuno mwake. Iye analira maliro a mwana wake masiku ambiri.
35 Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ ny zanako any amin’ ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy. (Sheol )
Ngakhale kuti ana ake onse aamuna ndi aakazi anasonkhana kudzamutonthoza, iye anakana kutonthozedwa. Iye anati, “Ayi. Ndidzalira mpaka ndidzapite kwa mwana wanga ku manda.” Choncho Israeli anapitirirabe kulira mwana wake. (Sheol )
36 Ary ny Midianita nivarotra an’ i Josefa tany Egypta tamin’ i Potifara, tandapan’ i Farao sady mpifehy ny mpiambina.
Amidiyani aja anagulitsa Yosefe kwa Potifara, mmodzi mwa nduna za Farao ku Igupto. Potifarayu anali mkulu wa asilikali olonda nyumba ya Farao.