< Genesisy 36 >
1 Ary izao no taranak’ i Esao (Edoma izany):
Na rĩrĩ, ũyũ nĩguo ũhoro wa Esaũ (na nowe Edomu).
2 Esao naka vady tamin’ ny zanakavavin’ ny Kananita, dia Ada, zanak’ i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak’ i Ana, zanakavavin’ i Zibona Hivita,
Esaũ ahikirie atumia ake kuuma kũrĩ andũ-a-nja a Kaanani: Ada aarĩ mwarĩ wa Eloni ũrĩa Mũhiti, na Oholibama mwarĩ wa Ana ũrĩa warĩ mwarĩ wa Zibeoni ũrĩa Mũhivi,
3 ary Basemata, zanakavavin’ Isimaela sady anabavin’ i Nebaiota.
o na ningĩ Basemathu ũrĩa warĩ mwarĩ wa Ishumaeli na mwarĩ wa nyina na Nebaiothu.
4 Ary Ada niteraka an’ i Elifaza tamin’ i Esao; ary Basemata niteraka an’ i Regoela;
Ada agĩciarĩra Esaũ Elifazu, na Basemathu agĩciara Reueli,
5 ary Oholibama niteraka an’ i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak’ i Esao, izay naterany tany amin’ ny tany Kanana.
nake Oholibama agĩciara Jeushu, na Jalamu na Kora. Acio nĩo maarĩ ariũ a Esaũ, arĩa aaciarĩirwo kũu Kaanani.
6 Dia nentin’ i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman’ ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin’ ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin’ izay tany hialana eo anatrehan’ i Jakoba rahalahiny.
Na rĩrĩ, Esaũ akĩoya atumia ake na ariũ ake na airĩtu ake na andũ othe a nyũmba yake, o na mahiũ make na nyamũ iria ingĩ ciake, na indo ciothe iria aagĩte nacio kũu Kaanani, na agĩthiĩ bũrũri waraihanĩrĩirie na mũrũ wa nyina Jakubu.
7 Fa samy be loatra ny haren’ izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.
Indo ciao ciarĩ nyingĩ mũno ũndũ matangĩahotire gũikarania hamwe; bũrũri ũrĩa maatũũraga ndũngĩahotire kũmaigana eerĩ nĩ ũndũ wa mahiũ mao.
8 Koa nonina tany an-tendrombohitra Seïra Esao. (Edoma izany).
Nĩ ũndũ ũcio Esaũ (na nowe Edomu) agĩthiĩ gũtũũra bũrũri wa irĩma wa Seiru.
9 Ary izao no taranak’ i Esao, rain’ ny Edomita any an-tendrombohitra Seïra:
Ũyũ nĩguo ũhoro wa Esaũ ithe wa andũ a Edomu kũu bũrũri-inĩ wa irĩma wa Seiru.
10 Ny anaran’ ny zanakalahin’ i Esao dia izao: Elifaza, zanak’ i Ada, vadin’ i Esao, sy Regoela, zanak’ i Basemata, vadin’ i Esao.
Maya nĩmo marĩĩtwa ma ariũ a Esaũ: nĩ Elifazu, mũrũ wa Ada mũtumia wa Esaũ, na Reueli, mũrũ wa Basemathu mũtumia wa Esaũ.
11 Ary ny zanakalahin’ i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
Ariũ a Elifazu nĩ aya: nĩ Temani, na Omari, na Zefo, na Gatamu, na Kenazu.
12 Ary Timna no vaditsindranon’ i Elifaza, zanakalahin’ i Esao; ary niteraka an’ i Amaleka tamin’ i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin’ i Ada, vadin’ i Esao.
Elifazu mũrũ wa Esaũ o nake nĩ aarĩ na thuriya yetagwo Timina, ĩrĩa yamũciarĩire Amaleki. Acio nĩo maarĩ ariũ a mũrũ wa Ada mũtumia wa Esaũ.
13 Ary izao no zanakalahin’ i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin’ i Basemata, vadin’ i Esao.
Ariũ a Reueli nĩ aya: nĩ Nahathu, na Zera, na Shama, na Miza. Acio nĩo maarĩ ariũ a mũrũ wa Basemathu mũtumia wa Esaũ.
14 Ary izao no zanakalahin’ i Oholibama, zanakavavin’ i Ana, zanakavavin’ i Zibona, vadin’ i Esao: niteraka an’ i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin’ i Esao izy.
Ariũ a Esaũ arĩa aaciarĩirwo nĩ Oholibama mũtumia wake mwarĩ wa Ana ũrĩa warĩ mwarĩ wa Zibeoni: nĩ Jeushu, na Jalamu, na Kora.
15 Izao no loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao: ny zanakalahin’ i Elifaza, lahimatoan’ i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
Nao aya nĩo maarĩ anene thĩinĩ wa njiaro cia Esaũ: Ariũ a Elifazu irigithathi rĩa Esaũ: Anene maarĩ Temani, na Omari, na Zefo, na Kenazu,
16 sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin’ i Elifaza tany amin’ ny tany Edoma; ireo no zanak’ i Ada.
na Kora, na Gatamu, na Amaleki. Acio nĩo anene arĩa Elifazu aaciarĩire kũu Edomu; maarĩ a mũrũ wa Ada.
17 Ary izao no zanakalahin’ i Regoela, zanak’ i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin’ i Regoela tany amin’ ny tany Edoma; ireo no zanak’ i Basemata, vadin’ i Esao.
Ariũ a Reueli mũrũ wa Esaũ: Anene maarĩ Nahathu, na Zera, na Shama, na Miza. Aya nĩo anene arĩa Reueli aaciarĩire kũu Edomu; maarĩ a mũrũ wa Basemathu mũtumia wa Esaũ.
18 Ary izao no zanakalahin’ i Oholibama, vadin’ i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin’ i Oholibama, zanakavavin’ i Ana, vadin’ i Esao.
Ariũ a Oholibama mũtumia wa Esaũ: Anene maarĩ Jeushu, na Jalamu, na Kora. Aya nĩo anene arĩa maaciarirwo nĩ Oholibama mũtumia wa Esaũ mwarĩ wa Ana.
19 Ireo no zanak’ i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
Aya nĩo maarĩ ariũ a Esaũ (na nowe Edomu), na acio nĩo maarĩ anene ao.
20 Ary izao no zanakalahin’ i Seïra Horita, izay nonina tany amin’ ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana
Aya nĩo maarĩ ariũ a Seiru ũrĩa Mũhori arĩa maatũũraga bũrũri ũcio: Lotani, na Shobali, na Zibeoni, na Ana,
21 sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Horita, dia ny taranak’ i Seïra, tany amin’ ny tany Edoma.
na Dishoni, na Ezeri, na Dishani. Ariũ acio a Seiru nĩo maarĩ anene a Ahori kũu Edomu.
22 Ary ny zanakalahin’ i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin’ i Lotana.
Ariũ a Lotani maarĩ: Hori, na Homani. Timina aarĩ mwarĩ wa nyina na Lotani.
23 Ary izao no zanakalahin’ i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.
Ariũ a Shobali maarĩ: Alivani, na Manahathu, na Ebali, na Shefo, na Onamu.
24 Ary izao no zanakalahin’ i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin’ i Zibona rainy izy).
Ariũ a Zibeoni maarĩ: Aia, na Ana. Ũyũ nĩwe Ana ũrĩa wonire ithima cia maaĩ mahiũ werũ-inĩ rĩrĩa arĩithagia ndigiri cia ithe Zibeoni.
25 Ary izao no zanak’ i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin’ i Ana.
Ciana cia Ana ciarĩ: Dishoni, na Oholibama mwarĩ wa Ana.
26 Ary izao no zanakalahin’ i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.
Ariũ a Dishoni maarĩ: Hemudani, na Eshibani, na Itharani, na Cherani.
27 Ary izao no zanak’ i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
Ariũ a Ezeri maarĩ: Bilihani, na Zaavani, na Akani.
28 Ary izao no zanak’ i Disana: Oza sy Arana.
Ariũ a Dishani maarĩ Uzu, na Arani.
29 Ary izao no loham-pirenena tamin’ ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny
Aya nĩo maarĩ anene a Ahori: nĩ Lotani, na Shobali, na Zibeoni, na Ana,
30 sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin’ ny tany Seïra.
na Dishoni, na Ezeri, na Dishani. Acio nĩo maarĩ anene a Ahori, kũringana na ikundi ciao kũu bũrũri wa Seiru.
31 Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin’ ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ ny Zanak’ Isiraely:
Aya nĩo maarĩ athamaki arĩa maathamakaga Edomu o mbere ya Isiraeli gũtanagĩa na mũthamaki o na ũmwe:
32 Nanjaka tany Edoma Bela, zanak’ i Beora; ary Dinaba no anaran’ ny tanànany.
Bela mũrũ wa Beori nĩwe watuĩkire mũthamaki wa Edomu. Itũũra rĩake inene rĩetagwo Dinihaba.
33 Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak’ i Zera avy tany Bozra.
Rĩrĩa Bela aakuire, Jobabu mũrũ wa Zera wa kuuma Bozira agĩtuĩka mũthamaki ithenya rĩake.
34 Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin’ ny tanin’ ny Temanita.
Rĩrĩa Jobabu aakuire, Hushamu wa kuuma bũrũri wa Atemani agĩtuĩka mũthamaki ithenya rĩake.
35 Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak’ i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ ny tany Moaba; ary Avita no anaran’ ny tanànany.
Rĩrĩa Hushamu aakuire, Hadadi mũrũ wa Bedadi, ũrĩa wahootire Midiani kũu bũrũri wa Moabi, agĩtuĩka mũthamaki ithenya rĩake. Itũũra rĩake inene rĩetagwo Avithu.
36 Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.
Rĩrĩa Hadadi aakuire, Samala wa kuuma Masereka agĩtuĩka mũthamaki ithenya rĩake.
37 Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron’ ny Ony.
Rĩrĩa Samala aakuire, Shauli wa kuuma Rehobothu, kũu gũkuhĩ na Rũũĩ rwa Farati, agĩtuĩka mũthamaki ithenya rĩake.
38 Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak’ i Akbora.
Rĩrĩa Shauli aakuire, Baali-Hanani mũrũ wa Akibori agĩtuĩka mũthamaki ithenya rĩake.
39 Ary maty Bala-hanana, zanak’ i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran’ ny tanànany; ary ny anaran’ ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin’ i Matreda, zanakavavin’ i Me-zahaba.
Rĩrĩa Baali-Hanani mũrũ wa Akibori aakuire, Hadadi agĩtuĩka mũthamaki ithenya rĩake. Itũũra rĩake inene rĩetagwo Pau, na mũtumia wake eetagwo Mehetabeli mwarĩ wa Matiredi, ũrĩa warĩ mwarĩ wa Mezahabu.
40 Ary izao no anaran’ ny loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny
Aya nĩo maarĩ anene kuuma kũrĩ njiaro cia Esaũ, kũringana na marĩĩtwa mao, na mĩhĩrĩga, na ngʼongo ciao: Timina, na Aliva, na Jethethu,
41 sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny
na Oholibama, na Ela, na Pinoni,
42 sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny
na Kenazu, na Temani, na Mibizaru,
43 sy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin’ ny taniny avy. Izany no Esao, rain’ ny Edomita.
na Magidieli, na Iramu. Acio nĩo maarĩ anene a Edomu, kũringana na kũrĩa maatũũraga bũrũri-inĩ ũrĩa watuĩkĩte wao. Esaũ ũcio nĩwe warĩ ithe wa andũ a Edomu.