< Genesisy 36 >

1 Ary izao no taranak’ i Esao (Edoma izany):
এষৌর অর্থাৎ ইদোমের বংশ-বৃত্তান্ত এই।
2 Esao naka vady tamin’ ny zanakavavin’ ny Kananita, dia Ada, zanak’ i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak’ i Ana, zanakavavin’ i Zibona Hivita,
এষৌ কনানীয়দের দুটি মেয়েকে, অর্থাৎ হিত্তীয় এলোনের মেয়ে আদাকে ও হিব্বীয় সিবিয়োনের নাতনি অনার মেয়ে অহলীবামাকে,
3 ary Basemata, zanakavavin’ Isimaela sady anabavin’ i Nebaiota.
তাছাড়াও নবায়োতের বোনকে, অর্থাৎ ইশ্মায়েলের বাসমৎ নামে মেয়েকে বিয়ে করলেন।
4 Ary Ada niteraka an’ i Elifaza tamin’ i Esao; ary Basemata niteraka an’ i Regoela;
আর এষৌর জন্য আদা ইলীফসকে ও বাসমৎ রুয়েলকে প্রসব করে।
5 ary Oholibama niteraka an’ i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak’ i Esao, izay naterany tany amin’ ny tany Kanana.
এবং অহলীবামা যিয়ূশ, যালম ও কোরহকে প্রসব করে; এরা এষৌর ছেলে, কনান দেশে জন্মে।
6 Dia nentin’ i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman’ ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin’ ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin’ izay tany hialana eo anatrehan’ i Jakoba rahalahiny.
পরে এষৌ নিজের স্ত্রী ছেলে মেয়েরা ও ঘরের অন্য সব প্রাণীকে এবং নিজের সমস্ত পশুধন ও কনান দেশে উপার্জিত সমস্ত সম্পত্তি নিয়ে যাকোব ভাইয়ের সামনে থেকে আর এক দেশে চলে গেলেন।
7 Fa samy be loatra ny haren’ izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.
কারণ তাঁদের প্রচুর সম্পত্তি থাকাতে একসঙ্গে বসবাস করা সম্ভব হল না এবং পশুধনের জন্য তাঁদের সেই প্রবাস-দেশে জায়গা কুলাল না।
8 Koa nonina tany an-tendrombohitra Seïra Esao. (Edoma izany).
এই ভাবে এষৌ সেয়ীর পর্বতে বাস করলেন; তিনিই ইদোম।
9 Ary izao no taranak’ i Esao, rain’ ny Edomita any an-tendrombohitra Seïra:
সেয়ীর পর্বতে অবস্থিত ইদোমীয়দের পূর্বপুরুষ এষৌর বংশ-বৃত্তান্ত এই।
10 Ny anaran’ ny zanakalahin’ i Esao dia izao: Elifaza, zanak’ i Ada, vadin’ i Esao, sy Regoela, zanak’ i Basemata, vadin’ i Esao.
১০এষৌর ছেলেদের নাম এই। এষৌর স্ত্রী আদার ছেলে ইলীফস ও এষৌর স্ত্রী বাসমতের ছেলে রুয়েল।
11 Ary ny zanakalahin’ i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
১১আর ইলীফসের ছেলে তৈমন ও ওমার, সফো, গয়িতম ও কনস।
12 Ary Timna no vaditsindranon’ i Elifaza, zanakalahin’ i Esao; ary niteraka an’ i Amaleka tamin’ i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin’ i Ada, vadin’ i Esao.
১২আর এষৌর ছেলে ইলীফসের তিম্না নামের এক উপপত্নী ছিল, সে ইলীফসের জন্য অমালেককে প্রসব করল। এরা এষৌর স্ত্রী আদার বংশধর।
13 Ary izao no zanakalahin’ i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin’ i Basemata, vadin’ i Esao.
১৩আর রুয়েলের ছেলে নহৎ, সেরহ, শম্ম ও মিসা; এরা এষৌর স্ত্রী বাসমতের ছেলে।
14 Ary izao no zanakalahin’ i Oholibama, zanakavavin’ i Ana, zanakavavin’ i Zibona, vadin’ i Esao: niteraka an’ i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin’ i Esao izy.
১৪আর সিবিয়োনের নাতনি অনার মেয়ে যে অহলীবামা এষৌর স্ত্রী ছিল, তার ছেলে যিয়ূশ, যালম ও কোরহ।
15 Izao no loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao: ny zanakalahin’ i Elifaza, lahimatoan’ i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
১৫এষৌর বংশধরদের দলপতিরা এই। এষৌর বড় ছেলে যে ইলীফস, তার ছেলে দলপতি তৈমন, দলপতি ওমার,
16 sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin’ i Elifaza tany amin’ ny tany Edoma; ireo no zanak’ i Ada.
১৬দলপতি সফো, দলপতি কনস, দলপতি কোরহ, দলপতি গয়িতম ও দলপতি অমালেক; ইদোম দেশের ইলীফস বংশীয় এই দলপতিরা আদার বংশধর।
17 Ary izao no zanakalahin’ i Regoela, zanak’ i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin’ i Regoela tany amin’ ny tany Edoma; ireo no zanak’ i Basemata, vadin’ i Esao.
১৭এষৌর ছেলে রুয়েলের ছেলে দলপতি নয়, দলপতি সেরহ, দলপতি শম্ম ও দলপতি মিসা; ইদোম দেশের রুয়েল বংশীয় এই দলপতিরা এষৌর স্ত্রী বাসমতের ছেলে।
18 Ary izao no zanakalahin’ i Oholibama, vadin’ i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin’ i Oholibama, zanakavavin’ i Ana, vadin’ i Esao.
১৮আর এষৌর স্ত্রী অহলীবামার ছেলে দলপতি যিয়ুশ, দলপতি যালম ও দলপতি কোরহ; অনার মেয়ে যে অহলীবামা এষৌর স্ত্রী ছিল, এই দলপতিরা তার বংশধর।
19 Ireo no zanak’ i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
১৯এরা এষৌর অর্থাৎ ইদোমের সন্তান ও এরা তাদের দলপতি।
20 Ary izao no zanakalahin’ i Seïra Horita, izay nonina tany amin’ ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana
২০সেই দেশনিবাসী হোরীয় সেয়ীরের ছেলে লোটন, শোবল, শিবিয়োন, অনা,
21 sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Horita, dia ny taranak’ i Seïra, tany amin’ ny tany Edoma.
২১দিশোন, এৎসর ও দীশন; সেয়ীরের এই ছেলেরা ইদোম দেশের হোরীয় বংশোদ্ভব দলপতি ছিলেন।
22 Ary ny zanakalahin’ i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin’ i Lotana.
২২লোটনের ছেলে হোরি ও হেমম এবং তিম্না লোটনের বোন ছিল।
23 Ary izao no zanakalahin’ i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.
২৩আর শোবলের অলবন, মানহৎ, এবল, শফো ও ওনম।
24 Ary izao no zanakalahin’ i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin’ i Zibona rainy izy).
২৪আর সিবিয়োনের ছেলে অয়া ও অনা; এই অনা তার বাবা সিবিয়োনের গাধা চরাবার দিনের মরুপ্রান্তে গরম জলের উনুই খুঁজে পেয়েছিল।
25 Ary izao no zanak’ i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin’ i Ana.
২৫অনার ছেলে দিশোন ও অনার মেয়ে অহলীবামা।
26 Ary izao no zanakalahin’ i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.
২৬আর দিশোনের ছেলে হিমদন, ইশবন, যিত্রন ও করান।
27 Ary izao no zanak’ i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
২৭আর এৎসরের ছেলে বিলহন, সাবন ও আকন।
28 Ary izao no zanak’ i Disana: Oza sy Arana.
২৮আর দিশোনের ছেলে উষ ও অরান।
29 Ary izao no loham-pirenena tamin’ ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny
২৯হোরীয় বংশোদ্ভব দলপতিরা এই; দলপতি লোটন, দলপতি শোবল, দলপতি সিবিয়োন, দলপতি অনা,
30 sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin’ ny tany Seïra.
৩০দলপতি দিশোন, দলপতি এৎসর ও দলপতি দীশন। এরা সেয়ীর দেশের হোরীয় বংশোদ্ভব দলপতি।
31 Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin’ ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ ny Zanak’ Isiraely:
৩১ইস্রায়েল–সন্তানদের ওপরে কোনো রাজা রাজত্ব করার আগে এরা ইদোম দেশের রাজা ছিলেন।
32 Nanjaka tany Edoma Bela, zanak’ i Beora; ary Dinaba no anaran’ ny tanànany.
৩২বিয়োরের ছেলে বেলা ইদোম দেশে রাজত্ব করেন, তাঁর রাজধানীর নাম দিন হাবা।
33 Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak’ i Zera avy tany Bozra.
৩৩আর বেলা মারা গেলে পর তাঁর পদে বস্রা-নিবাসী সেরহের ছেলে যোবব রাজত্ব করেন।
34 Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin’ ny tanin’ ny Temanita.
৩৪আর যোবব মারা গেলে পর তৈমন দেশীয় হূশম তাঁর পদে রাজত্ব করেন।
35 Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak’ i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ ny tany Moaba; ary Avita no anaran’ ny tanànany.
৩৫আর হূশম মারা যাবার পর বদদের ছেলে যে হদদ মোয়াব-ক্ষেত্রে মিদিয়নকে আঘাত করেছিলেন, তিনি তার পদে রাজত্ব করেন; তাঁর রাজধানীর নাম অবীৎ।
36 Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.
৩৬আর হদদ মারা যাবার পর মস্রেকা-নিবাসী সম্ল তাঁর পদে রাজত্ব করেন।
37 Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron’ ny Ony.
৩৭আর সম্ল মারা গেলে পর [ফরাৎ] নদীর নিকটবর্তী রহোবোৎ-নিবাসী শৌল তাঁর পদে রাজত্ব করেন।
38 Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak’ i Akbora.
৩৮আর শৌল মারা গেলে পর অকবোরের ছেলে বাল্‌হানন তাঁর পদে রাজত্ব করেন।
39 Ary maty Bala-hanana, zanak’ i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran’ ny tanànany; ary ny anaran’ ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin’ i Matreda, zanakavavin’ i Me-zahaba.
৩৯আর অকবোরের পুত্র বাল্‌হানন মারা গেলে পর হদর তাঁর পদে রাজত্ব করেন; তাঁর রাজধানীর নাম পায়ু ও স্ত্রীর নাম মহেটবেল, সে মট্রেদের মেয়ে ও মেষাহবের নাতনী।
40 Ary izao no anaran’ ny loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny
৪০গোষ্ঠী, স্থান ও নাম ভেদে এষৌ থেকে সৃষ্টি যে সব দলপতি ছিলেন, তাঁদের নাম হল; দলপতি তিম্ন, দলপতি অলবা দলপতি যিথেৎ,
41 sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny
৪১দলপতি অহলীবামা, দলপতি এলা, দলপতি পীনোন,
42 sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny
৪২দলপতি কনস্‌, দলপতি তৈমন, দলপতি মিবসর,
43 sy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin’ ny taniny avy. Izany no Esao, rain’ ny Edomita.
৪৩দলপতি মগদীয়েল ও দলপতি ঈরম। এরা নিজের নিজের অধিকার দেশে, নিজের নিজের বসবাস জায়গা ভেদে ইদোমের দলপতি ছিলেন। ইদোমীয়দের আদিপুরুষ এষৌর বৃত্তান্ত সমাপ্ত।

< Genesisy 36 >