< Genesisy 35 >
1 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an’ Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan’ i Esao rahalahinao.
Mungu akamwambia Yakobo, “Inuka, panda kwenda Betheli, na ukae pale. Unijengee madhabahu pale, niliyekutokea pale ulipomkimbia Esau kaka yako.”
2 Dia hoy Jakoba tamin’ izay tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
Kisha Yakobo akawambia nyumba yake na wote aliokuwa nao, “Wekeni mbali miungu yote ya kigeni iliyo kati yenu, jitakaseni wenyewe, na kubadili mavazi yenu.
3 ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an’ Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin’ ny andron’ ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ ny lalana izay nalehako.
Kisha tuondoke na kwenda Betheli. Nitajenga pale madhabahu kwa Mungu, aliyenijibu katika siku ya shida yangu, naye amekuwa pamoja nami kila nilikokwenda.
4 Dia natolony teo amin’ i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin’ i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’ i Sekema ireo.
Hivyo wakampa Yakobo miungu yote ya kigeni iliyokuwa mikononi mwao, na heleni zilizokuwa katika masikio yao. Yakobo akazifukia chini ya mwaloni uliokuwa karibu na Shekemu.
5 Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin’ Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak’ i Jakoba izy.
Kwa kadili walivyo safiri, Mungu akaifanya miji yote iliyokuwa karibu nao kuhofu, hivyo watu hao hawakuwafuatia wana wa Yakobo.
6 Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin’ ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.
Hivyo Yakobo akafika Luzu(ndiyo Betheli), ulioko katika nchi ya Kanaani, yeye na watu wote aliokuwa nao.
7 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran’ izany tany izany; fa teo no nisehoan’ Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan’ ny rahalahiny.
Alijenge madhabahu na kuliita eneo hilo El Betheli, kwa sababu Mungu alikuwa amejifunua kwake, alipokuwa akimkimbia ndugu yake.
8 Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr’ i Betela, teo ambanin’ ny hazo ôka; ary ny anaran’ io dia nataony hoe Alona-bakota.
Debora, mlezi wa Rebeka, akafa. Akazikwa chini kutoka Betheli chini ya mwaloni, hivyo ikaitwa Aloni Bakuthi.
9 Ary Andriamanitra niseho indray tamin’ i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.
Yakobo alipokuja kutoka Padani Aramu, Mungu akamtokea tena na kumbariki.
10 Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
Mungu akamwambia, “Jina lako ni Yakobo, lakini jina lako halitakuwa Yakobo tena. Jina lako litakuwa Israeli.” Hivyo Mungu akamwita jina lake Israeli.
11 Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’ ny haterakao;
Mungu akamwambia, “Mimi ni Mungu Mwenyezi, Uwe mwenye kuzaa na kuongezeka. Taifa na wingi wa mataifa watakujia, na wafalme watatoka miongoni mwa uzao wako.
12 ary ny tany izay nomeko an’ i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.
Nchi ambayo nilimpa Ibrahimu na Isaka, nitakupa wewe. Nami nitaupa pia uzao wako baada yako nchi hii.”
13 Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin’ ilay niresahany taminy.
Mungu akapanda kutoka mahali alipoongea naye.
14 Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin’ ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
Yakobo akaweka nguzo katika eneo ambalo Mungu alikuwa ameongea naye, nguzo ya jiwe. Akamimina juu yake sadaka ya kinywaji na akamimina mafuta juu yake.
15 Ary ny anaran’ ny tany izay niresahan’ Andriamanitra taminy dia nataon’ i Jakoba hoe Betela.
Yakobo akaiita sehemu Mungu aliyoongea naye, Betheli
16 Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
Wakaendelea na safari kutoka Betheli. Walipokuwa kitambo kabla ya kufika Efrathi, Raheli akashikwa na uchungu.
17 Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.
Akawa na utungu mzito. Alipokuwa katika utungu mzito zaidi, mkunga akamwambia, “Usiogope, kwani sasa utapata mtoto mwingine wa kiume.”
18 Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
Hata alipokaribia kufa, kwa pumzi yake ya mwisho akamwita jina lake Benoni, lakini baba yake akamwita jina lake Benjamini.
19 Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
Raheli akafa na kuzikwa katika njia iendayo Efrathi (ndio Bethlehemu).
20 Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin’ ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin’ ny fasan-dRahely mandraka androany.
Yakobo akaweka nguzo katika kaburi lake. Ndiyo alama ya kaburi la Raheli hata leo.
21 Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr’ i Migdaledera.
Israeli akaendelea na safari na akaweka hema yake kuvuka mnara wa walinzi wa kondoo.
22 Ary raha nonina teo amin’ izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin’ i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
Yakobo alipokuwa akiishi katika nchi hiyo, Rubeni akalala na Bilha suria wa baba yake, na Israeli akasikia kuhusu hilo. Basi Yakobo alikuwa na wana kumi na mbili.
23 Ary ny zanakalahin’ i Jakoba dia roa ambin’ ny folo mirahalahy: ny zanak’ i Lea dia Robena, lahimatoan’ i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
Wanawe kwa Lea walikuwa Rubeni, mzaliwa wa kwanza wa Yakobo, na Simoni, Lawi, Yuda, Isakari, na Zabuloni.
24 ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
Wanawe kwa Raheli walikuwa Yusufu na Benjamini.
25 ary ny zanak’ i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
Wanawe kwa Bilha, mjakazi wa Raheli walikuwa Dani na Naftali.
26 ary ny zanak’ i Zilpa, ankizivavin’ i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’ i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
Wana wa Zilpa, mjakazi wa Lea, walikuwa Gadi na Asheri. Hawa wote walikuwa wana wa Yakobo waliozaliwa kwake huko Padani Aramu.
27 Ary Jakoba nankany amin’ Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian’ i Abrahama sy Isaka.
Yakobo akaja kwa Isaka, baba yake, huko Mamre katika Kiriathi Arba (jina sawa na Hebroni), alipoishi Ibrahimu na Isaka.
28 Ary ny andro niainan’ Isaka dia valo-polo amby zato taona.
Isaka akaishi miaka mia moja na themanini.
29 Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin’ ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.
Isaka akapumua pumzi yake ya mwisho na akafa, na akakusanywa kwa wahenga wake, na mtu mzee amejaa siku. Esau na Yakobo, wanawe, wakamzika.