< Genesisy 34 >
1 Dia nivoaka Dina, zanakavavin’ i Lea, izay naterany tamin’ i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
レアがヤコブに産んだ娘デナはその地の女たちに会おうと出かけて行ったが、
2 Ary nahita azy Sekema, zanakalahin’ i Hamora Hivita, andriana tamin’ izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
その地のつかさ、ヒビびとハモルの子シケムが彼女を見て、引き入れ、これと寝てはずかしめた。
3 Ary ny fony dia raiki-pitia tamin’ i Dina, zanakavavin’ i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.
彼は深くヤコブの娘デナを慕い、この娘を愛して、ねんごろに娘に語った。
4 Ary Sekema dia niteny tamin’ i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
シケムは父ハモルに言った、「この娘をわたしの妻にめとってください」。
5 Ary ren’ i Jakoba fa efa nandoto an’ i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman’ ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
さてヤコブはシケムが、娘デナを汚したことを聞いたけれども、その子らが家畜を連れて野にいたので、彼らの帰るまで黙っていた。
6 Dia nivoaka Hamora, rain’ i Sekema, nankany amin’ i Jakoba hidinika taminy.
シケムの父ハモルはヤコブと話し合おうと、ヤコブの所に出てきた。
7 Ary ny zanak’ i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely noho ny nandriany tamin’ ny zanakavavin’ i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
ヤコブの子らは野から帰り、この事を聞いて、悲しみ、かつ非常に怒った。シケムがヤコブの娘と寝て、イスラエルに愚かなことをしたためで、こんなことは、してはならぬ事だからである。
8 Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon’ i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin’ ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny.
ハモルは彼らと語って言った、「わたしの子シケムはあなたがたの娘を心に慕っています。どうか彼女を彼の妻にください。
9 Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,
あなたがたはわたしたちと婚姻し、あなたがたの娘をわたしたちに与え、わたしたちの娘をあなたがたにめとってください。
10 Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan’ ny tompon-tany ianareo.
こうしてあなたがたとわたしたちとは一緒に住みましょう。地はあなたがたの前にあります。ここに住んで取引し、ここで財産を獲なさい」。
11 Ary hoy Sekema tamin’ ny rain’ i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;
シケムはまたデナの父と兄弟たちとに言った、「あなたがたの前に恵みを得させてください。あなたがたがわたしに言われるものは、なんでもさしあげましょう。
12 na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
たくさんの結納金と贈り物とをお求めになっても、あなたがたの言われるとおりさしあげます。ただこの娘はわたしの妻にください」。
13 Ary ny zanak’ i Jakoba namaly an’ i Sekema sy Hamora rainy tamin’ ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an’ i Dina anabaviny;
しかし、ヤコブの子らはシケムが彼らの妹デナを汚したので、シケムとその父ハモルに偽って答え、
14 ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an’ izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.
彼らに言った、「われわれは割礼を受けない者に妹をやる事はできません。それはわれわれの恥とするところですから。
15 Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,
ただ、こうなさればわれわれはあなたがたに同意します。もしあなたがたのうち男子がみな割礼を受けて、われわれのようになるなら、
16 dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
われわれの娘をあなたがたに与え、あなたがたの娘をわれわれにめとりましょう。そしてわれわれはあなたがたと一緒に住んで一つの民となりましょう。
17 Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.
けれども、もしあなたがたがわれわれに聞かず、割礼を受けないなら、われわれは娘を連れて行きます」。
18 Dia sitrak’ i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.
彼らの言葉がハモルとハモルの子シケムとの心にかなったので、
19 Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin’ i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin’ izay rehetra tao an-tranon’ ny rainy.
若者は、ためらわずにこの事をした。彼がヤコブの娘を愛したからである。また彼は父の家のうちで一番重んじられた者であった。
20 Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin’ ny vavahadin’ ny tanànany, dia niteny tamin’ ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:
そこでハモルとその子シケムとは町の門に行き、町の人々に語って言った、
21 Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin’ ny tany izy ka hanao varotra eto; fa, indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.
「この人々はわれわれと親しいから、この地に住まわせて、ここで取引をさせよう。地は広く、彼らをいれるにじゅうぶんである。そしてわれわれは彼らの娘を妻にめとり、われわれの娘を彼らに与えよう。
22 Nefa izao monja ihany no hanaovan’ ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
彼らが割礼を受けているように、もしわれわれのうちの男子が皆、割礼を受けるなら、ただこの事だけで、この人々はわれわれに同意し、われわれと一緒に住んで一つの民となるのだ。
23 Tsy ho antsika va ny omby aman’ ondriny sy ny fananany mbamin’ ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
そうすれば彼らの家畜と財産とすべての獣とは、われわれのものとなるではないか。ただわれわれが彼らに同意すれば、彼らはわれわれと一緒に住むであろう」。
24 Ary izay rehetra nivoaka tamin’ ny vavahadin’ ny tanànany dia nanaiky ny tenin’ i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin’ ny vavahadin’ ny tanànany.
そこで町の門に出入りする者はみなハモルとその子シケムとに聞き従って、町の門に出入りするすべての男子は割礼を受けた。
25 Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’ i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin’ i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
三日目になって彼らが痛みを覚えている時、ヤコブのふたりの子、すなわちデナの兄弟シメオンとレビとは、おのおのつるぎを取って、不意に町を襲い、男子をことごとく殺し、
26 Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin’ ny lelan-tsabatra koa; dia naka an’ i Dina tao an-tranon’ i Sekema izy ka lasa nandeha.
またつるぎの刃にかけてハモルとその子シケムとを殺し、シケムの家からデナを連れ出した。
27 Ary ny zanak’ i Jakoba nankeny amin’ ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
そしてヤコブの子らは殺された人々をはぎ、町をかすめた。彼らが妹を汚したからである。
28 Ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin’ izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;
すなわち羊、牛、ろば及び町にあるものと、野にあるもの、
29 ary ny fananany rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin’ izay rehetra tao an-trano.
並びにすべての貨財を奪い、その子女と妻たちを皆とりこにし、家の中にある物をことごとくかすめた。
30 Ary hoy Jakoba tamin’ i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin’ ny mponina amin’ ny tany aho, dia amin’ ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
そこでヤコブはシメオンとレビとに言った、「あなたがたはわたしをこの地の住民、カナンびととペリジびとに忌みきらわせ、わたしに迷惑をかけた。わたしは、人数が少ないから、彼らが集まってわたしを攻め撃つならば、わたしも家族も滅ぼされるであろう」。
31 Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?
彼らは言った、「わたしたちの妹を遊女のように彼が扱ってよいのですか」。