< Genesisy 32 >
1 Ary Jakoba nizotra tamin’ ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin’ Andriamanitra nitsena azy.
Yakob kple eƒe amewo gadze mɔ, eye mawudɔlawo va do goe.
2 Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin’ Andriamanitra ity; ary ny anaran’ izany tany izany nataony hoe Mahanaima.
Esi Yakob kpɔ wo la, edo ɣli be, “Mawu ƒe asaɖae nye esia!” Eya ta ena ŋkɔ teƒea be Mahanaim.
3 Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin’ i Esao rahalahiny, ho any Seïra, tanin’ i Edoma.
Yakob dɔ amewo ɖe foa Esau gbɔ le Edom le Seirnyigba dzi.
4 Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin’ i Esao tompoko: Izao no tenin’ i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin’ i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny;
Egblɔ na wo bena, “Ale miagblɔ na nye aƒetɔ Esau enye si: ‘Nye Wò dɔla Yakob, meyi ɖanɔ mía nyrui, Laban gbɔ va se ɖe egbe.
5 ary manana omby sy boriky sy ondry aman’ osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.
Fifia nyiwo, tedziwo, alẽwo kple subɔla geɖewo, ŋutsuwo kple nyɔnuwo siaa le asinye. Mele ame siawo ɖom ɖa be woana nyanya wò nye aƒetɔ be megbɔna, eye mele mɔ kpɔm be àxɔ mí nɔvitɔe.’”
6 Dia niverina tany amin’ i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin’ i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
Ame dɔdɔawo trɔ tso Esau gbɔ va gblɔ na Yakob be Esau gbɔna Yakob kpe ge kple ame alafa ene!
7 Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin’ ny ondry aman’ osy sy ny omby ary ny rameva;
Vɔvɔ̃ ɖo Yakob. Ema eƒe amewo kple lãhawo kpakple kposɔwo ɖe akpa eve,
8 fa hoy izy: Raha tafahaona amin’ ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.
elabena egblɔ be, “Ne Esau adze hatsotso ɖeka dzi la, ɖewohĩ hatsotso evelia me tɔwo ate ŋu asi.”
9 Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr’ i Abrahama raiko, sady Andriamanitr’ Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin’ ny taninao sy any amin’ ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
Tete Yakob do gbe ɖa be “O, tɔgbuinye Abraham kple fofonye Isak ƒe Mawu, O, Yehowa, wò ame si gblɔ nam be matrɔ va nye ƒometɔwo ƒe anyigba dzi, eye nèdo ŋugbe be yeawɔ nyui nam la,
10 tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin’ ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.
nyemedze na wò amenuveve si nèɖena fiaam edziedzi abe ale si nèdo ŋugbe nam ene o, elabena esi metso Yɔdan la, naneke menɔ asinye wu atizɔti ɖeka o! Ke azɔ la, mezu aʋakɔ eve!
11 O vonjeo aho amin’ ny tanan’ ny rahalahiko, dia amin’ ny tànan’ i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin’ ny vadiko aman-janako izy.
O, Yehowa, meɖe kuku na wò, ɖem tso tsɔtsrɔ̃ me le fonye Esau ƒe asi me, elabena mele vɔvɔ̃m ŋutɔ be ava ho aʋa ɖe nye ŋutɔ, srɔ̃nyewo kple vinyewo ŋu.
12 Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
Ke èdo ŋugbe be yeawɔ nyui nam, eye yeana nye dzidzimeviwo nasɔ gbɔ abe ƒutake ene, eye womate ŋu axlẽ wo o.”
13 Dia nitoetra teo izy tamin’ iny alina iny; ary naka tamin’ izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an’ i Esao rahalahiny,
Etsi afi ma dɔ, eye wòtia nu siwo nɔ esi la ƒe ɖe na foa Esau:
14 dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo
gbɔ̃nɔ alafa eve kple gbɔ̃tsu blaeve, alẽnɔ alafa eve kple agbo blaeve,
15 ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr’ ombivavy efa-polo sy vantotr’ ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.
kposɔnɔ blaetɔ̃ kple wo viwo, nyinɔ blaene kple nyitsu ewo, tedzinɔ blaeve kple tedzitsu ewo.
16 Dia natolony teo an-tànan’ ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin’ ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin’ ny isan-toko.
Egblɔ na eƒe subɔlawo be woadze ŋgɔ kple lãha siawo, lãha ɖe sia ɖe nanɔ eɖokui si, eye dometsotso nanɔ wo dome.
17 Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An’ iza ianao? ary hankaiza moa? ary an’ iza ireo alohanao?
Egblɔ na ame siwo le lãha gbãtɔ kplɔm la be ne wodo go Esau, eye wòbia wo be, “Afi ka yim miele? Ame ka ƒe subɔlawo mienye? Ame ka ƒe lãwoe nye esiawo?” la,
18 dia lazaonao hoe: An’ i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an’ itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao.
woaɖo eŋu be, “Wò subɔla, Yakob ƒe lãwoe. Wonye nunana na eƒe aƒetɔ Esau! Ele mía yome gbɔna!”
19 Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin’ i Esao, raha hitanareo izy.
Yakob gblɔ nya mawo ke na lãkplɔla bubuawo hã be woagblɔ na Esau.
20 Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin’ ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.
Yakob ƒe tameɖoɖoe nye be yeakpata Esau kple nunanawo hafi yeado goe ŋkume kple ŋkume! Yakob kpɔ mɔ be, “Ɖewohĩ axɔ mí nyuie.”
21 Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin’ ny toby ihany tamin’ iny alina iny.
Ale wòɖo nunanawo ɖa do ŋgɔ, eye Yakob gatsi asaɖa me dɔ.
22 Dia nitsangana tamin’ iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin’ ny folo, dia nita tamin’ ny fitàna tao Jaboka izy.
Le zã me la, Yakob fɔ, eye wòkplɔ srɔ̃a eveawo, eƒe kosi eveawo kple via wuiɖekɛawo, eye wotso Yɔdan tɔsisi la le tɔtsoƒe si ŋkɔe nye Yabok.
23 Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin’ ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
Ale wòkplɔ wo tso tɔ lae kple eƒe nunɔamesiwo katã.
24 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin’ ny andro.
Yakob trɔ va asaɖa la me, eye eya ɖeka nɔ afi ma. Ŋutsu aɖe te kame kplii va se ɖe fɔŋli.
25 Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen’ i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
Esi ŋutsu la kpɔ be yemate ŋu aɖu Yakob dzi o la, etɔ asi Yakob ƒe aligo, eye ƒuawo gli le enu.
26 Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.
Tete ŋutsu la gblɔ nɛ be, “Ɖe asi le ŋunye mayi, elabena ŋu le kekem.” Ke Yakob ɖo eŋu be, “Nyemele asi ɖe ge le ŋuwò o, negbe ɖeko nàyram hafi.”
27 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
Ŋutsu la biae be, “Ŋkɔwò ɖe?” Eɖo eŋu be, “Yakob.”
28 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’ Andriamanitra sy tamin’ ny olona ianao ka nahery.
Ŋutsu la gblɔ nɛ be, “Womagayɔ wò azɔ nenema o! Woayɔ wò azɔ be Israel, ame si te kame kple Mawu. Esi nète kame kple Mawu ta la, àɖu amewo dzi.”
29 Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
Yakob biae be, “Wò hã ŋkɔwò ɖe?” Ŋutsu la ɖo eŋu be, “Nu ka ta nèbia ŋkɔnye ta ɖo.” Eye wòyrae le afi ma.
30 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataon’ i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an’ Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.
Yakob na ŋkɔ teƒea be “Peniel” si gɔmee nye “Mawu ƒe ŋkume,” elabena egblɔ be, “Mekpɔ Mawu ŋkume kple ŋkume, gake metsi agbe.”
31 Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny.
Esi wògadze mɔ ko la, ɣe dze. Le eƒe aligoƒu si gli ta la, ede asi tɔtɔ me.
32 Izany no tsy ihinanan’ ny Zanak’ Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen’ i Jakoba teo amin’ ny ozatry ny atodiakanga Izy.
Esia ta Israelviwo meɖua ka titri si to lãwo ƒe aligo dzi o, elabena wotɔ asi ka si le Yakob ƒe aligokpeƒe la dzi.