< Genesisy 32 >

1 Ary Jakoba nizotra tamin’ ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin’ Andriamanitra nitsena azy.
Nayenso Yakobo analowera njira yake, ndipo angelo a Mulungu anakumana naye.
2 Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin’ Andriamanitra ity; ary ny anaran’ izany tany izany nataony hoe Mahanaima.
Pamene Yakobo anawaona anati, “Ili ndi gulu la Mulungu.” Choncho anawatcha malowo Mahanaimu.
3 Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin’ i Esao rahalahiny, ho any Seïra, tanin’ i Edoma.
Yakobo anatumiza amithenga ake kwa mʼbale wake Esau ku dera la Seiri, dziko la Edomu.
4 Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin’ i Esao tompoko: Izao no tenin’ i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin’ i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny;
Anawalangiza kuti, “Zimene mukanene ndi izi kwa mbuye wanga Esau: ‘Mtumiki wanu Yakobo akuti, Ine ndakhala ndi kukhala ndi Labani mpaka tsopano.
5 ary manana omby sy boriky sy ondry aman’ osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.
Ndili ndi ngʼombe, abulu, nkhosa ndi mbuzi, antchito aamuna ndi aakazi. Tsopano ndikutumiza mawu amenewa kwa mbuye wanga, kuti mundikomere mtima.’”
6 Dia niverina tany amin’ i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin’ i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
Pamene amithenga aja anabwerera kwa Yakobo, anati, “Tinapita kwa mʼbale wanu Esau, ndipo tsopano iye akubwera kudzakumana nanu. Ali ndi anthu 400.”
7 Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin’ ny ondry aman’ osy sy ny omby ary ny rameva;
Yakobo anali ndi mantha ndi nkhawa yayikulu kwambiri. Tsono anagawa anthu onse amene anali naye, ndiponso nkhosa, mbuzi, ngʼombe ndi ngamira mʼmagulu awiri.
8 fa hoy izy: Raha tafahaona amin’ ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.
Mʼmaganizo ake iye ankanena kuti, “Ngati Esau atabwera ndi kuthira nkhondo gulu limodzi, gulu lina lotsalalo likhoza kupulumuka.”
9 Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr’ i Abrahama raiko, sady Andriamanitr’ Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin’ ny taninao sy any amin’ ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
Pamenepo Yakobo anapemphera, “Haa, Mulungu wa kholo langa Abrahamu, Mulungu wa abambo anga Isake, Aa Yehova amene munati kwa ine, ‘Bwerera ku dziko la kwanu ndi kwa abale ako, ndipo ndidzakuchitira zabwino.’
10 tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin’ ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.
Ine siwoyenera kulandira kukoma mtima kwanu ndi kukhulupirika kwanu kumene mwaonetsa wantchito wanu. Ndinali ndi ndodo yokha pamene ndinawoloka Yorodani uyu koma tsopano ndili ndi magulu awiri.
11 O vonjeo aho amin’ ny tanan’ ny rahalahiko, dia amin’ ny tànan’ i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin’ ny vadiko aman-janako izy.
Ndipulumutseni mʼdzanja la mʼbale wanga Esau, popeza ndikuopa kuti mwina akubwera kudzandithira nkhondo pamodzi ndi akazi ndi ana omwe.
12 Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
Paja Inu munandilonjeza kuti simudzalephera kundichitira zabwino ndi kuti zidzukulu zanga zidzakhala zosawerengeka ngati mchenga wa ku nyanja.”
13 Dia nitoetra teo izy tamin’ iny alina iny; ary naka tamin’ izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an’ i Esao rahalahiny,
Iye anagona pomwepo usiku umenewo. Pambuyo pake anasankhula pa chuma chimene anali nacho zinthu izi ngati mphatso za Esau, mʼbale wake:
14 dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo
Anasankhula mbuzi zazikazi 200 ndi atonde makumi awiri, nkhosa zazikazi 200 ndi nkhosa zazimuna makumi awiri,
15 ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr’ ombivavy efa-polo sy vantotr’ ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.
ngamira za mkaka 30 ndi ana awo, ngʼombe zazikazi 40 ndi zazimuna khumi, ndipo abulu aakazi makumi awiri ndi abulu aamuna khumi.
16 Dia natolony teo an-tànan’ ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin’ ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin’ ny isan-toko.
Iye anazipereka kwa antchito ake kuti azikuse, gulu lililonse pa lokha, ndipo anati kwa antchito akewo, “Tsogolani ndipo muonetsetse kuti pali mpata pakati pa gulu ndi gulu linzake.”
17 Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An’ iza ianao? ary hankaiza moa? ary an’ iza ireo alohanao?
Anawuza mnyamata wa gulu loyamba kuti, “Ngati ukumana naye mʼbale wanga Esau nakufunsa kuti, ‘Ndinu antchito a yani, ndipo mukupita kuti? Nanga ziweto zonse zili patsogolo pakozi ndi za yani?’
18 dia lazaonao hoe: An’ i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an’ itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao.
Pamenepo ukayankhe kuti, ‘Zimenezi ndi za wantchito wanu, Yakobo, ndipo wazipereka kwa inu, Esau, mbuye wake ngati mphatso. Mtumiki wanuyu akubwera mʼmbuyo mwathumu.’”
19 Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin’ i Esao, raha hitanareo izy.
Anawuza mawu omwewo kwa wachiwiri, wachitatu ndi ena onse amene ankayenda motsogoza ziwetozo kuti, “Inunso munene zomwezo kwa Esau mukakumana naye.
20 Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin’ ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.
Muzikanena kuti, ‘Wantchito wanu Yakobo akubwera mʼmbuyo mwathumu.’” Popeza anaganiza kuti, “Ndidzamutsitsa mtima ndi mphatso ndazitsogozazi. Apo tsono ndikadzakumana naye, mwina adzandilandira bwino.”
21 Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin’ ny toby ihany tamin’ iny alina iny.
Choncho mphatso za Yakobo zinatsogola, koma iye mwini anagona pa msasa pomwepo usiku umenewo.
22 Dia nitsangana tamin’ iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin’ ny folo, dia nita tamin’ ny fitàna tao Jaboka izy.
Usiku umenewo Yakobo anauka natenga akazi ake awiri, antchito ake awiri ndi ana ake aamuna khumi ndi mmodzi nawoloka pa dooko la mtsinje wa Yaboki.
23 Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin’ ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
Atatha kuwawolotsa pa mtsinjewo anawolotsanso katundu wake yense.
24 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin’ ny andro.
Tsono Yakobo anatsala yekha. Tsono munthu wina anadzalimbana naye mpaka mʼmbandakucha.
25 Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen’ i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
Pamene munthuyo anaona kuti sangathe kumugonjetsa, anakhudza nyungʼunyu ya pa ntchafu ya Yakobo ndipo inaguluka polimbanapo.
26 Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.
Kenaka munthuyo anati, “Ndisiye ndizipita, popeza kunja kukucha.” Koma Yakobo anayankha, “Sindikulolani kupita pokhapokha mutandidalitsa.”
27 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
Munthu uja anamufunsa Yakobo kuti, “Kodi dzina lako ndiwe yani?” Iye anayankha, “Ndine Yakobo.”
28 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’ Andriamanitra sy tamin’ ny olona ianao ka nahery.
Pamenepo munthuyo anati, “Dzina lako silidzakhalanso Yakobo koma Israeli, chifukwa walimbana ndi Mulungu ndi anthu ndipo wapambana.”
29 Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
Yakobo anati, “Chonde, uzeni dzina lanu.” Koma munthuyo anati, “Chifukwa chiyani ukundifunsa dzina?” Kenaka anamudalitsa pomwepo.
30 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataon’ i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an’ Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.
Choncho Yakobo anawatcha malowo Penueli, popeza anati, “Ndinaonana ndi Mulungu maso ndi maso koma sindinafe.”
31 Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny.
Dzuwa linamutulukira Yakobo pamene amachoka pa Penueli. Tsono ankayenda chotsimphina chifukwa cha nyungʼunyu yake ija.
32 Izany no tsy ihinanan’ ny Zanak’ Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen’ i Jakoba teo amin’ ny ozatry ny atodiakanga Izy.
Nʼchifukwa chake mpaka lero Aisraeli sadya nyama ya pa nyungʼunyu chifukwa Yakobo anakhudzidwa pa nyungʼunyu.

< Genesisy 32 >