< Genesisy 31 >
1 Ary Jakoba nandre ny tenin’ ny zanakalahin’ i Labana nanao hoe: Efa lasan’ i Jakoba avokoa izay rehetra nananan’ ny raintsika; ary avy tamin’ ny fananan’ ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
Jakubu nĩaiguire ariũ a Labani makiuga atĩrĩ, “Jakubu nĩoete indo iria ciothe iraarĩ cia baba na ũtonga ũrĩa wothe arĩ naguo eyoneire kuuma indo-inĩ cia baba.”
2 Ary hitan’ i Jakoba ny tarehin’ i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
Ningĩ Jakubu akĩona atĩ Labani ndaamwendete ta ũrĩa aamwendete mbere ĩyo.
3 Ary hoy Jehovah tamin’ i Jakoba: Modia any amin’ ny tanin’ ny razanao sy any amin’ ny havanao; ary homba anao Aho.
Nake Jehova akĩĩra Jakubu atĩrĩ, “Cooka bũrũri wa maithe manyu na kũrĩ andũ anyu, na nĩndĩrĩkoragwo hamwe nawe.”
4 Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin’ ny ondry aman’ osiny
Nĩ ũndũ ũcio Jakubu agĩtũmanĩra Rakeli na Lea mathiĩ kũrĩ we kũu werũ-inĩ kũrĩa mahiũ make maarĩ.
5 ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin’ ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.
Nake akĩmeera atĩrĩ, “Nĩnyonete atĩ wendo wa thoguo harĩ niĩ ti ta ũrĩa ararĩ naguo hau mbere, no Ngai wa baba nĩakoretwo hamwe na niĩ.
6 Ary fantatrareo fa tamin’ ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.
Inyuĩ eerĩ nĩmũũĩ atĩ ndutĩire thoguo wĩra na hinya wakwa wothe,
7 Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan’ Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
no thoguo nĩaheenetie na akagarũra mũcaara wakwa maita ikũmi. No rĩrĩ, Ngai ndarĩ aamwĩtĩkĩria anjĩke ũũru.
8 Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman’ osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman’ osy rehetra.
Thoguo angĩoigire atĩrĩ, ‘Mbũri iria irĩ maara nĩcio mũcaara waku,’ hĩndĩ ĩyo mahiũ mothe magaciara tũũri tũrĩ na maara; na angĩoigire atĩrĩ, ‘Iria irĩ marooro nĩcio mũcaara waku,’ namo mahiũ magaciara tũũri tũrĩ na marooro.
9 Dia nalain’ Andriamanitra ny fananan’ ny rainareo ka nomeny ahy.
Nĩ ũndũ ũcio, Ngai nĩatunyĩte thoguo mahiũ make na akamaheana kũrĩ niĩ.
10 Ary rehefa mby amin’ ny andro izay nikambanan’ ny ondry aman’ osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin’ ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin’ ny ondrivavy sy ny osivavy.
“Ihinda rĩrĩa mahiũ maahaicanaga, rĩmwe nĩndarootire kĩroto na ndarora na igũrũ ngĩona atĩ thenge iria ciahaicaga mahiũ ciarĩ na manyaga, na ciarĩ na maara, o na ciarĩ na marooro.
11 Ary hoy Ilay Anjelin’ Andriamanitra tamiko tamin’ ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.
Nake mũraika wa Ngai akĩnjarĩria ndĩ kĩroto-inĩ, akĩnjĩĩra atĩrĩ, ‘Jakubu.’ Na niĩ ngĩcookia atĩrĩ, ‘Niĩ ũyũ haha.’
12 Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin’ ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon’ i Labana taminao.
Nake akĩnjĩĩra atĩrĩ, ‘Ta tiira maitho na igũrũ wone atĩ thenge iria ciothe irahaica mahiũ nĩ iria irĩ na manyaga, na iria irĩ na maara, na iria irĩ na marooro; nĩgũkorwo nĩnyonete maũndũ marĩa mothe Labani agwĩkĩte.
13 Izaho no Andriamanitr’ i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin’ ity tany ity, ka modia any amin’ ny tany nahaterahanao.
Nĩ niĩ Ngai wa Betheli, kũrĩa waitĩrĩirie gĩtugĩ maguta, na nokuo wehĩtĩire na mwĩhĩtwa nĩ ũndũ wakwa. Rĩu uma bũrũri ũyũ narua ũcooke bũrũri ũrĩa waciarĩirwo.’”
14 Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon’ ny rainay?
Nake Rakeli na Lea makĩmũcookeria atĩrĩ, “Ithuĩ-rĩ, no anga tũrĩ na kĩndũ kana igai indo-inĩ cia baba?
15 Tsy nataony toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.
Githĩ ndatũtuaga o ta tũrĩ andũ a kũngĩ? To gũtwendia aatwendirie, no rĩu nĩarĩkĩtie kũhũthĩra indo iria twagũrirwo nacio.
16 Fa ny harena rehetra izay nalain’ Andriamanitra tamin’ ny rainay, dia anay sy an’ ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain’ Andriamanitra taminao dia ataovy.
Ti-itherũ ũtonga ũrĩa wothe Ngai atunyĩte baba nĩ witũ na ciana ciitũ. Nĩ ũndũ ũcio ĩka ũrĩa wothe Ngai akwĩrĩte wĩke.”
17 Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;
Nĩ ũndũ ũcio Jakubu akĩĩhaarĩria, akĩigĩrĩra ciana ciake na atumia ake igũrũ rĩa ngamĩĩra,
18 dia nitondra ny ombiny sy ny ondry aman’ osiny rehetra izy, mbamin’ ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman’ ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin’ Isaka rainy any amin’ ny tany Kanana.
na akiumagaria mahiũ make mothe mathiĩ mbere yake hamwe na indo ciake ciothe iria aagĩte nacio kũu Padani-Aramu, nĩguo athiĩ kũrĩ ithe Isaaka o kũu bũrũri wa Kaanani.
19 Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman’ osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
Hĩndĩ ĩyo, Labani aathiĩte kwenja ngʼondu ciake guoya-rĩ, Rakeli akĩiya ngai cia ithe cia mĩhianano.
20 Ary Jakoba dia nangala-dia tamin’ i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin’ ny handosirany.
Nĩ ũndũ ũcio Jakubu akĩheenia Labani ũcio Mũsuriata tondũ ndaamwĩrire nĩ kũũra aroora.
21 Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada.
Nake akĩũra na kĩrĩa gĩothe arĩ nakĩo, na aringa Rũũĩ rwa Farati, akĩerekera bũrũri wa irĩma wa Gileadi.
22 Ary tamin’ ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin’ i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
Mũthenya wa ĩtatũ kuuma Jakubu oora, Labani akĩĩrwo atĩ Jakubu nĩorĩte.
23 Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.
Agĩkĩoya andũ a nyũmba yao, akĩingatana na Jakubu matukũ mũgwanja na akĩmũkinyĩra kũu bũrũri wa irĩma wa Gileadi.
24 Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Labana Syriana tamin’ ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
No Ngai akiumĩrĩra Labani ũcio Mũsuriata kĩroto-inĩ, akĩmwĩra atĩrĩ, “Menya wĩre Jakubu ũndũ o na ũrĩkũ, ũrĩ mwega kana ũrĩ mũũru.”
25 Ary Labana dia nahatratra an’ i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr’ i Gileada.
Na rĩrĩ, Jakubu aambĩte hema yake kũu bũrũri wa irĩma wa Gileadi rĩrĩa Labani aamũkinyĩrire, nake Labani na andũ a nyũmba yao makĩamba hema ciao kuo.
26 Ary hoy Labana tamin’ i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin’ ny sabatra?
Nake Labani akĩũria Jakubu atĩrĩ, “Nĩ atĩa ũũ wĩkĩte? Nĩũũheenetie, na ũgathiĩ na airĩtu akwa ta andũ matahĩtwo mbaara-inĩ.
27 Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin’ ny fifaliana sy ny hira, amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga,
Nĩ kĩĩ gĩatũmire ũre na hitho, na ũũheenie? Waregire kũnjĩĩra nĩkĩ, nĩguo ngumagarie na gĩkeno na gũkũinĩra nyĩmbo na ihembe na inanda cia mũgeeto?
28 sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.
O na ndwarekire mumunye ciana cia ciana ciakwa, kana njugĩre airĩtu akwa ũhoro. Nĩwĩkĩte ũndũ wa ũrimũ.
29 Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
Ndĩ na hinya wa gũkũgera ngero; no rĩrĩ, ũtukũ wa ira Ngai wa thoguo aranjĩĩrire atĩrĩ, ‘Menya wĩre Jakubu ũndũ, ũrĩ mwega kana ũrĩ mũũru.’
30 Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon’ ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro?
Rĩu-rĩ, nĩumagarĩte nĩ ũndũ nĩũrerirĩria gũcooka nyũmba-inĩ ya thoguo. No rĩrĩ, ũrakĩiyire ngai ciakwa nĩkĩ?”
31 Dia namaly Jakoba ka nanao tamin’ i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
Jakubu agĩcookeria Labani atĩrĩ, “Nĩndetigĩrire tondũ ndeciiririe wahota kũndunya airĩtu aku na hinya.
32 Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan’ ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr’ i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
No rĩrĩ, ũrĩa ũgũkora arĩ na ngai ciaku-rĩ, ndegũtũũra muoyo. Tuĩria wone kana kũrĩ kĩndũ gĩaku ndĩ nakĩo andũ aya aitũ marĩ ho; na wakĩona-rĩ, ũkĩoe.” No Jakubu ndooĩ atĩ Rakeli nĩaiyĩte ngai icio.
33 Ary Labana niditra tao an-dain’ i Jakoba sy tao an-dain’ i Lea ary tao an-dain’ ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain’ i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.
Nĩ ũndũ ũcio Labani agĩtoonya hema ya Jakubu, na hema ya Lea, o na hema ya ndungata iria igĩrĩ cia andũ-a-nja, no ndaigana kuona kĩndũ. Oima hema ya Lea, agĩtoonya ya Rakeli.
34 Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin’ ny laselin’ ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran’ ny lay rehetra, fa tsy nahita.
Rakeli oete ngai icio cia mĩhianano na agacikia matandĩko-inĩ ma ngamĩĩra thĩinĩ na akamaikarĩra. Labani akiururia kĩrĩa gĩothe kĩarĩ hema-inĩ ĩyo na ndaigana kuona kĩndũ.
35 Ary hoy Rahely tamin’ ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon’ ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
Nake Rakeli akĩĩra ithe atĩrĩ, “Mwathi wakwa, ndũkandakarĩre nĩ ũndũ ndinakũrũgamĩra; nĩgũkorwo nĩ maũndũ ma andũ-a-nja ndĩ namo.” Nĩ ũndũ ũcio akiururia no ndaigana kuona ngai icio.
36 Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin’ i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin’ i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
Jakubu agĩkĩrakara na agĩtetia Labani, akĩmũũria atĩrĩ, “Ihĩtia rĩakwa nĩ rĩrĩkũ? Nĩ rĩhia rĩrĩkũ njĩkĩte rĩtũmĩte ũnyingatithie ũguo?
37 Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan’ ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,
Rĩu tondũ nĩwoiruria indo ciakwa ciothe-rĩ, nĩ kĩĩ wona kĩa indo cia gwaku mũciĩ? Kĩige haha mbere ya andũ aya anyu na mbere ya andũ akwa nĩguo matũtuithanie ciira.
38 Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin’ ny ondrinao aho.
“Ngũrutĩire wĩra mĩaka mĩrongo ĩĩrĩ. Ngʼondu ciaku na mbũri ciaku itirĩ ciahuna, na ndirĩ ndarĩa ndũrũme cia mahiũ maku.
39 Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
Ningĩ ndirĩ ndakũrehera iria ciatambuuragwo nĩ nyamũ cia gĩthaka; no nĩ niĩ ndaarĩhaga ngathiĩ hathara. Ningĩ-rĩ, nĩwandĩhagia ĩrĩa yothe yaiywo kũrĩ mũthenya kana kũrĩ ũtukũ.
40 Nony antoandro matin’ ny hain’ andro aho, ary nony alina dia matin’ ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.
Ũguo nĩguo ndũũrĩte: Ndaarugagwo nĩ ũrugarĩ wa mũthenya na ngarĩĩo nĩ heho ya ũtukũ, naguo toro ũkĩnjũrĩra.
41 Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin’ ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman’ osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
Ũguo nĩguo ndũũrĩte gwaku mũciĩ handũ-inĩ ha mĩaka ĩyo mĩrongo ĩĩrĩ. Ndakũrutĩire wĩra mĩaka ikũmi na ĩna nĩ ũndũ wa airĩtu aku eerĩ, na mĩaka ĩtandatũ nĩ ũndũ wa mahiũ maku; no rĩrĩ, wagarũrire mũcaara wakwa maita ikũmi.
42 Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’ i Abrahama, Ilay natahoran’ Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ ny tanako ka nananatra anao halina.
Korwo Ngai wa baba, o we Ngai wa Iburahĩmu na nĩwe wĩtigĩrĩtwo nĩ Isaaka, ndaraakoragwo hamwe na niĩ-rĩ, ti-itherũ ũngĩranyumagaririe moko matheri. No Ngai nĩonete gũthĩĩnĩka gwakwa na wĩra wa moko makwa, na nĩkĩo arakũrũithirie ũtukũ wa ira.”
43 Dia namaly Labana ka nanao tamin’ i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman’ osy ireo dia ondry aman’ osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin’ ireto zanako-vavy, na amin’ ny zanany naterany?
Nake Labani agĩcookeria Jakubu, akĩmwĩra atĩrĩ, “Atumia aya aku nĩ airĩtu akwa, ciana ici o nacio nĩ ciana ciakwa, namo mahiũ maya-rĩ, no mahiũ makwa. Kĩrĩa gĩothe ũroona nĩ gĩakwa. No rĩrĩ, nĩ atĩa ingĩhota gwĩka airĩtu aya akwa kana njĩke ciana ici maciarĩte ũmũthĩ?
44 Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.
Rĩu gĩũke, reke tũgĩe na kĩrĩkanĩro niĩ nawe, na ũreke gĩtuĩke mũira gatagatĩ gaitũ.”
45 Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.
Nĩ ũndũ ũcio Jakubu akĩoya ihiga na akĩrĩhaanda ta gĩtugĩ.
46 Ary hoy Jakoba tamin’ ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan’ ny antontam-bato izy rehetra.
Akĩĩra andũ a nyũmba yake atĩrĩ, “Cookanĩrĩriai mahiga.” Nĩ ũndũ ũcio makĩũngania mahiga makĩmaiganĩrĩra hĩba, magĩcooka makĩrĩanĩra irio hau hakuhĩ na hĩba ĩyo.
47 Ary ny anaran’ ny antontam-bato dia nataon’ i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.
Labani akĩmĩĩta Jagari-Sahadutha, nake Jakubu akĩmĩĩta Galeedi.
48 Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.
Labani akiuga atĩrĩ, “Ũmũthĩ hĩba ĩno nĩ mũira gatagatĩ gakwa nawe.” Kĩu nĩkĩo gĩatũmire hetwo Galeedi.
49 Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.
O na ningĩ hagĩĩtwo Mizipa, tondũ oigire atĩrĩ, “Jehova arotũmenyagĩrĩra rĩrĩa tũraihanĩrĩirie.
50 Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
Wee ũngĩgaathĩĩnia airĩtu akwa kana ũmahikĩrĩrie atumia angĩ, o na hangĩgakorwo hatarĩ mũndũ ũngĩ-rĩ, ririkana atĩ Ngai nĩwe mũira gatagatĩ gakwa nawe.”
51 Ary hoy indray Labana tamin’ i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;
Ningĩ Labani akĩĩra Jakubu atĩrĩ, “Ĩno nĩ hĩba, na gĩkĩ nĩ gĩtugĩ kĩrĩa ndahaanda gatagatĩ gaku na niĩ.
52 dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa hanisy ratsy.
Hĩba ĩno nĩ mũira, na gĩtugĩ gĩkĩ nĩ mũira, atĩ ndigakĩra hĩba ĩno njũke mwena waku ngũgere ngero, na atĩ nawe ndũgakĩra hĩba ĩno, kana ũkĩre gĩtugĩ gĩkĩ ũũke mwena wakwa ũngere ngero.
53 Ny andriamanitr’ i Abrahama sy ny andriamanitr’ i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain’ izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran’ i Isaka rainy kosa no nianianan’ i Jakoba.
Ngai wa Iburahĩmu, na Ngai wa Nahoru, o we Ngai wa ithe wao-rĩ, arotũtuithania ciira.” Nĩ ũndũ ũcio Jakubu akĩĩhĩta na mwĩhĩtwa rĩĩtwa-inĩ rĩa ũcio Wĩtigĩrĩtwo nĩ ithe Isaaka.
54 Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
Jakubu akĩruta igongona kũu bũrũri-inĩ ũcio wa irĩma, na agĩĩta andũ a nyũmba yake marĩĩanĩre. Na marĩkia kũrĩa-rĩ, makĩraara o kũu.
55 Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin’ ny fonenany.
Mũthenya ũyũ ũngĩ rũciinĩ tene, Labani akĩmumunya ciana cia ciana ciake o na airĩtu ake, akĩmoigĩra ũhoro na akĩmarathima. Agĩcooka akĩmatiga agĩcooka gwake mũciĩ.