< Genesisy 30 >

1 Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin’ i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin’ i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
A IKE ae la o Rahela, aole ia i hanau i na keiki na Iakoba, huahuwa aku la o Rahela i kona kaikaana; i mai la ia ia Iakoba, E haawi, mai oe i keiki na'u, o make au.
2 Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran’ i Jakoba, ka hoy izy: Solon’ Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
Hoaaia ka inaina o Iakoba ia Rahela; i aku la ia, Owau no anei ka panihakahaka no ke Akua, nana i aua mai ka hua o kou opu?
3 Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am-pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.
I mai la ia, Aia hoi kuu kauwawahine o Bileha, e komo aku oe io na la; a e hanau mai auanei ia maluna o kuu mau kuli, i keiki ai hoi au ma ona la.
4 Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin’ i Jakoba koa izy.
Haawi mai la oia ia Bileha i kana kauwawahine, i wahine nana: a komo aku la o Iakoba io na la.
5 Dia nanan’ anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin’ i Jakoba.
Hapai iho la o Bileha, a hanau mai la, he keikikane na Iakoba.
6 Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
I mai la o Rahela, Ua hoapono mai ke Akua ia'u, ua hoolohe mai hoi ia i ko'u leo, a ua haawi mai ia i keiki na'u: nolaila, kapa iho la ia i kona inoa, o I Dana.
7 Dia nanan’ anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin’ i Jakoba.
Hapai hou iho la o Bileha ke kauwawahine a Rahela, a hanau mai la, o ka lua ia o kana keikikane na Iakoba.
8 Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin’ ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
I mai la o Rahela, Me na hakoko nui ka'u i hakoko pu ai me kuu kaikuaana, a ua lanakila au: a kapa iho la ia i kona inoa, o I Napetali.
9 Ary rehefa hitan’ i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an’ i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin’ i Jakoba koa.
A ike iho la o Lea, ua oki kona hanau ana, lalau aku la ia ia Zilepa, i kana kauwawahine, a haawi aku la ia ia i wahine na Iakoba.
10 Ary Zilpa, ankizivavin’ i Lea, dia niteraka zazalahy tamin’ i Jakoba.
A hanau mai la o Zilepa ke kauwawahine a Lea i keikikane na Iakoba.
11 Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
I mai la o Lea, Pomaikai; a kapa iho la ia i kona inoa, o I Gada,
12 Ary Zilpa, ankizivavin’ i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin’ i Jakoba.
Hanau mai la hoi o Zilepa o ke kauwawahine a Lea i ka lua o ke keikikane na Iakoba.
13 Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon’ ny zanakavavin’ ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany.
I mai la o Lea, Pomaikai no wau, no ka mea, e hoomaikai mai auanei na kaikamahine ia'u: a kapa iho la i kona inoa o I Asera.
14 Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin’ ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin’ i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’ i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman’ ny zanakao.
Hele aku la o Reubena i na la o ka ohi palaoa ana, a loaa ia ia ma ke kula na hua dudaima, a lawe mai la ia mau mea i kona makuwahine ia Lea. Alaila, i mai la o Rahela ia Lea, Ke noi aku nei au ia oe, o haawi mai na'u i kekahi mau dudaima a kau keikikane.
15 Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman’ ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman’ ny zanakao.
I aku la kela ia ia, He mea uuku anei kou lawe ana aku i ka'u kane? a manao anei hoi oe o lawe aku i na dudaima a kuu keiki? I mai la o Rahela, Nolaila, e moe pu ia me oe i neia po no na dudaima a kau keiki.
16 Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman’ ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin’ iny alina iny.
I ke ahiahi, hoi mai la o Iakoba mai ke kula mai, a hele aku la o Lea e halawai me ia, i aku la, E komo mai oe io'u nei; no ka mea, he oiaio no, ua hoolimalima au ia oe me na dudaima a ka'u keiki. A moe pu iho la oia me ia ia po.
17 Ary Andriamanitra nihaino an’ i Lea, dia nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin’ i Jakoba.
Hoolohe mai la ke Akua ia Lea a hapai iho la o Lea, a hanau mai la na Iakoba i ka lima o kana keikikane.
18 Ary hoy Lea: Efa nomen’ Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin’ ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
I mai la o Lea, Ua haawi mai la ke Akua i ka'u uku, no kuu haawi ana aku i ka'u kauwawahine na kuu kane: a kapa iho la ia i kona inoa o I Isakara.
19 Dia nanan’ anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin’ i Jakoba.
Hapai hoa iho la o Lea, a hanau mai na Iakoba i ke ono o kana keikikane.
20 Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin’ izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
I mai la o Lea, Ua haawi mai ke Akua ia'u i ka haawina maikai; ano la, e noho pu auanei ka'u kane me a'u, no ka mea, ua hanau no au i na keikikane eono nana: a kapa iho la ia i kona inoa o I Zebuluna.
21 Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
A mahope iho, hanau mai la ia i kaikamahine, a kapa iho la i kona inoa o I Dina.
22 Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan’ anaka azy.
Hoomanao mai la ke Akua ia Rahela, a hoolohe mai la ke Akua ia ia, a hoohua mai la i kona opu.
23 Ary nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
Hapai iho la oia, a hanau mai la he keikikane: i mai la ia, Ua lawe aku no ke Akua i kuu hoinoia.
24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
Kapa iho la ia i kona inoa o I Iosepa; i iho la, E haawi mai ke Akua i keikikane hou na'u.
25 Ary rehefa niteraka an’ i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin’ i Labana: Alefaso aho hankany amin’ ny fonenako sy ny taniko.
I ka manawa a Rahela i hanau ai ia Iosepa, i aku la o Iakoba ia Labana, E hoihoi aku oe ia'u, i hele aku ai au i ko'u wahi, a i ko'u aina.
26 Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.
E haawi mai oe i ka'u mau wahine, a me ka'u mau kamalii, i na mea a'u i hooikaika aku ai nau, a e kuu ae oe ia'u e hele: no ka mea, ua ike oe i ka hana au i hana aku ai nau.
27 Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian’ i Jehovah ahy.
I mai la o Labana ia ia, Ke noi aku nei au ia oe, ina i loaa ia'u ke aloha imua ou, e noho; ua ike no wau ma ka hoao ana, nou no ka Iehova i hoopomaikai mai ai ia'u.
28 Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.
I mai la hoi oia, E hai mai oe i kau uku, a e haawi aku no wau.
29 Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman’ ondrinao tato amiko.
I aku la kela ia Labana, Ua ike no oe i ko'u hooikaika ana aku nau, a me ka pono o kau poe holoholona.
30 Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin’ ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ ny ao an-tranoko?
No ka mea, he mea uuku kau mamua o ko'u hiki ana mai, a hoomahuahuaia'e ia he lehulehu loa: a ua hoopomaikai mai o Iehova ia oe, mahope mai o kuu hele ana mai: ano hoi, ahea la au e hoolako ai i ko ka hale o'u kekahi?
31 Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman’ osinao:
I mai la oia, Heaha ka'u e uku aku ai ia oe? I aku la o Iakoba, Aole oe e uku mai ia'u i kekahi mea: ina paha penei oe e hana mai ai ia'u, alaila au e hana hou, a e malama hoi i kau poe holoholona:
32 Handeha hitety ny ondry aman’ osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin’ ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin’ ny osy; koa ireny no ho karamako.
E hele ae au iwaena o kau poe holoholona a pau i neia la, a e hookaawale aku i na holoholona kikokiko a onionio, a me na mea eleele a pau o ka poe hipa, a me na mea onionio a kikokiko o ka poe kao: a oia ka'u uku.
33 Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin’ ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin’ ny osy, ary izay tsy mainty eo amin’ ny ondry, dia ho halatro izany.
Pela e hoapono aku ai ho'u pono ia'u i ka wa mahope, i ka wa e lilo mai ai ia i uku na'u imua o kou mau maka: o na mea a pau o ka poe kao me au, aole i kikokiko, aole noi i eleele no ka poe hipa, oia ke oleloia he mea i aihueia.
34 Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary.
I mai la o Labana, Aia hoi, o ko'u makemake no ia, me kau i olelo mai ai.
35 Dia navahany tamin’ izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin’ ny ondry; dia natolony teo an-tanan’ ny zananilahy ireny.
Ia la no, hookaawale ae la oia i na kao kane a pau i onionio a i kikokiko, a me na kao wahine a pau i onionio a kikokiko, me na mea kiko keokeo a pau; a me na mea eleele o na mea keikihipa, a haawi aku la iloko o ka lima o kana mau keikikane.
36 Ary nasiany lalan-kateloana teo anelanelan’ izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman’ osin’ i Labana sisa.
A hookaawale ae la o Labana i na la hele i ekolu mawaena ona a o Iakoba: a hanai aku la o Iakoba i na poe holoholona a Labana i koe.
37 Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin’ ny hazo popola maitso sy tamin’ ny hazo lozy sy tamin’ ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan’ ny fotsy izay teo amin’ ny tsorakazo.
Lawe ae la o Iakoba i na laau popela maka, me na laau alemone, a me na laau pelane, a ihi iho la i na kaha onionio keokeo ma ua mau laau la, i moakaka na wahi keokeo o na mau laau la.
38 Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan’ ny ondry aman’ osy, teo anatin’ ny tavin-drano, dia teo amin’ ny fisotroan-drano, izay nalehan’ ny ondry aman’ osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
Kukulu iho la ia i na laau ana i ihi ai, imua o na holoholona, ma na pawai hooinu, i ka wa i hele ai lakou e inu, i hapai ai lakou i ka wa i hele ai lakou e inu.
39 Dia nikambana tandrifin’ ny tsorakazo ny ondry aman’ osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
Hapai iho la na holoholona imua o na mau laau la, a hanau mai la i na keiki onionio, kikokiko, a me ke kikohukohu.
40 Ary ny zanak’ ondry navahan’ i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin’ ny ondry aman’ osin’ i Labana; ary natokany izay ondry aman’ osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin’ ny ondry aman’ osin’ i Labana.
Hookaawale ae la o Iakoba i na keikihipa, a haliu ae la i na maka o ka poe holoholona ma na mea onionio, a me na mea eleele o ko Labana poe holoholona; hookaawale ae la ia i kona mau poe holoholona, aole i hookokoke aku ia lakou me na holoholona a Labana.
41 Ary na oviana na oviana no hikambanan’ ny ondry aman’ osy matanjaka, dia napetrak’ i Jakoba teo anatin’ ny tavin-drano teo anoloan’ ny mason’ ny ondry aman’ osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan’ ny tsorakazo.
I ka wa i ai ai na holoholona ikaika, alaila, waiho iho la o Iakoba i na laau imua o na maka o na holoholona maloko o na pawaiinu, i hapai ai lakou imua o na laau.
42 Fa raha osaosa kosa ny ondry aman’ osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an’ i Labana, fa ny matanjaka kosa no an’ i Jakoba.
Aka, ina he mau holoholona nawaliwali lakou, aole ia i waiho i na laau iloko; pela no, na Labana ka poe nawaliwali, a na Iakoba ka poe ikaika.
43 Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman’ osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.
A he nui loa ka waiwai o ua kanaka nei: ia ia na holoholona he nui wale, me na kauwawahine, a me na kauwakane, na kamelo, a me na hoki.

< Genesisy 30 >