< Genesisy 30 >

1 Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin’ i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin’ i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
When Rachel saw that she bore Jacob no children, Rachel envied her sister. She said to Jacob, “Give me children, or else I will die.”
2 Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran’ i Jakoba, ka hoy izy: Solon’ Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
Jacob’s anger burned against Rachel, and he said, “Am I in God’s place, who has withheld from you the fruit of the womb?”
3 Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am-pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.
She said, “Behold, my maid Bilhah. Go in to her, that she may bear on my knees, and I also may obtain children by her.”
4 Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin’ i Jakoba koa izy.
She gave him Bilhah her servant as wife, and Jacob went in to her.
5 Dia nanan’ anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin’ i Jakoba.
Bilhah conceived, and bore Jacob a son.
6 Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
Rachel said, “God has judged me, and has also heard my voice, and has given me a son.” Therefore she called his name Dan.
7 Dia nanan’ anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin’ i Jakoba.
Bilhah, Rachel’s servant, conceived again, and bore Jacob a second son.
8 Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin’ ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
Rachel said, “I have wrestled with my sister with mighty wrestlings, and have prevailed.” She named him Naphtali.
9 Ary rehefa hitan’ i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an’ i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin’ i Jakoba koa.
When Leah saw that she had finished bearing, she took Zilpah, her servant, and gave her to Jacob as a wife.
10 Ary Zilpa, ankizivavin’ i Lea, dia niteraka zazalahy tamin’ i Jakoba.
Zilpah, Leah’s servant, bore Jacob a son.
11 Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
Leah said, “How fortunate!” She named him Gad.
12 Ary Zilpa, ankizivavin’ i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin’ i Jakoba.
Zilpah, Leah’s servant, bore Jacob a second son.
13 Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon’ ny zanakavavin’ ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany.
Leah said, “Happy am I, for the daughters will call me happy.” She named him Asher.
14 Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin’ ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin’ i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’ i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman’ ny zanakao.
Reuben went in the days of wheat harvest, and found mandrakes in the field, and brought them to his mother, Leah. Then Rachel said to Leah, “Please give me some of your son’s mandrakes.”
15 Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman’ ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman’ ny zanakao.
Leah said to her, “Is it a small matter that you have taken away my husband? Would you take away my son’s mandrakes, also?” Rachel said, “Therefore he will lie with you tonight for your son’s mandrakes.”
16 Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman’ ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin’ iny alina iny.
Jacob came from the field in the evening, and Leah went out to meet him, and said, “You must come in to me; for I have surely hired you with my son’s mandrakes.” He lay with her that night.
17 Ary Andriamanitra nihaino an’ i Lea, dia nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin’ i Jakoba.
God listened to Leah, and she conceived, and bore Jacob a fifth son.
18 Ary hoy Lea: Efa nomen’ Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin’ ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
Leah said, “God has given me my hire, because I gave my servant to my husband.” She named him Issachar.
19 Dia nanan’ anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin’ i Jakoba.
Leah conceived again, and bore a sixth son to Jacob.
20 Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin’ izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
Leah said, “God has endowed me with a good dowry. Now my husband will live with me, because I have borne him six sons.” She named him Zebulun.
21 Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
Afterwards, she bore a daughter, and named her Dinah.
22 Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan’ anaka azy.
God remembered Rachel, and God listened to her, and opened her womb.
23 Ary nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
She conceived, bore a son, and said, “God has taken away my reproach.”
24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
She named him Joseph, saying, “May the LORD add another son to me.”
25 Ary rehefa niteraka an’ i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin’ i Labana: Alefaso aho hankany amin’ ny fonenako sy ny taniko.
When Rachel had borne Joseph, Jacob said to Laban, “Send me away, that I may go to my own place, and to my country.
26 Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.
Give me my wives and my children for whom I have served you, and let me go; for you know my service with which I have served you.”
27 Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian’ i Jehovah ahy.
Laban said to him, “If now I have found favor in your eyes, stay here, for I have divined that the LORD has blessed me for your sake.”
28 Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.
He said, “Appoint me your wages, and I will give it.”
29 Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman’ ondrinao tato amiko.
Jacob said to him, “You know how I have served you, and how your livestock have fared with me.
30 Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin’ ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ ny ao an-tranoko?
For it was little which you had before I came, and it has increased to a multitude. The LORD has blessed you wherever I turned. Now when will I provide for my own house also?”
31 Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman’ osinao:
Laban said, “What shall I give you?” Jacob said, “You shall not give me anything. If you will do this thing for me, I will again feed your flock and keep it.
32 Handeha hitety ny ondry aman’ osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin’ ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin’ ny osy; koa ireny no ho karamako.
I will pass through all your flock today, removing from there every speckled and spotted one, and every black one among the sheep, and the spotted and speckled among the goats. This will be my hire.
33 Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin’ ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin’ ny osy, ary izay tsy mainty eo amin’ ny ondry, dia ho halatro izany.
So my righteousness will answer for me hereafter, when you come concerning my hire that is before you. Every one that is not speckled and spotted among the goats, and black among the sheep, that might be with me, will be considered stolen.”
34 Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary.
Laban said, “Behold, let it be according to your word.”
35 Dia navahany tamin’ izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin’ ny ondry; dia natolony teo an-tanan’ ny zananilahy ireny.
That day, he removed the male goats that were streaked and spotted, and all the female goats that were speckled and spotted, every one that had white in it, and all the black ones among the sheep, and gave them into the hand of his sons.
36 Ary nasiany lalan-kateloana teo anelanelan’ izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman’ osin’ i Labana sisa.
He set three days’ journey between himself and Jacob, and Jacob fed the rest of Laban’s flocks.
37 Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin’ ny hazo popola maitso sy tamin’ ny hazo lozy sy tamin’ ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan’ ny fotsy izay teo amin’ ny tsorakazo.
Jacob took to himself rods of fresh poplar, almond, and plane tree, peeled white streaks in them, and made the white appear which was in the rods.
38 Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan’ ny ondry aman’ osy, teo anatin’ ny tavin-drano, dia teo amin’ ny fisotroan-drano, izay nalehan’ ny ondry aman’ osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
He set the rods which he had peeled opposite the flocks in the watering troughs where the flocks came to drink. They conceived when they came to drink.
39 Dia nikambana tandrifin’ ny tsorakazo ny ondry aman’ osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
The flocks conceived before the rods, and the flocks produced streaked, speckled, and spotted.
40 Ary ny zanak’ ondry navahan’ i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin’ ny ondry aman’ osin’ i Labana; ary natokany izay ondry aman’ osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin’ ny ondry aman’ osin’ i Labana.
Jacob separated the lambs, and set the faces of the flocks toward the streaked and all the black in Laban’s flock. He put his own droves apart, and did not put them into Laban’s flock.
41 Ary na oviana na oviana no hikambanan’ ny ondry aman’ osy matanjaka, dia napetrak’ i Jakoba teo anatin’ ny tavin-drano teo anoloan’ ny mason’ ny ondry aman’ osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan’ ny tsorakazo.
Whenever the stronger of the flock conceived, Jacob laid the rods in front of the eyes of the flock in the watering troughs, that they might conceive among the rods;
42 Fa raha osaosa kosa ny ondry aman’ osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an’ i Labana, fa ny matanjaka kosa no an’ i Jakoba.
but when the flock were feeble, he did not put them in. So the feebler were Laban’s, and the stronger Jacob’s.
43 Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman’ osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.
The man increased exceedingly, and had large flocks, female servants and male servants, and camels and donkeys.

< Genesisy 30 >