< Genesisy 3 >

1 Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’ i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin’ ny saha?
在上主天主所造的一切野獸中,蛇是最狡猾的。蛇對女人說:「天主真說了,你們不可吃樂園中任何樹上的果子嗎﹖」
2 Fa hoy ravehivavy tamin’ ny menarana: Ny voan’ ny hazo eo amin’ ny saha dia azonay ihinanana ihany;
女人對蛇說:「樂園中樹上的果子,我們都可吃;
3 fa ny voan’ ny hazo eo afovoan’ ny saha kosa no efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.
只有樂園中央那棵樹上的果子,天主說過,你們不可以吃,也不可摸,免得死亡。」
4 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
蛇對女人說:「你們決不會死!
5 fa fantatr’ Andriamanitra fa na amin’ izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy.
因為天主知道,你們那天吃了這果子,你們的眼就會開了,將如同天主一樣知道善惡。」
6 Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.
女人看那棵果樹實在好吃好看,令人羨慕,且能增加智慧,遂摘下一個果子吃了,又給了她的男人一個,他也吃了。
7 Dia nahiratra ny mason’ izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin’ aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
於是二人的眼立即開了,發覺自己赤身露體,遂用無花果樹葉,編了個裙子圍身。
8 Ary nandre an’ i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin’ ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan’ i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ ny saha.
當亞當和他的妻子聽見了上主天主趁晚涼在樂園中散步的聲音,就躲藏在樂園的樹林中,怕見上主天主的面。
9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?
上主天主呼喚亞當對他說:「你在那裏﹖」
10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin’ ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
他答說:「我在樂園中聽到了你的聲音,就害怕起來,因為我赤身露體,遂躲藏了。」
11 Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?
天主說:「誰告訴了你,赤身露體﹖莫非你吃了我禁止你吃的果子﹖」
12 Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.
亞當說:「是你給作伴的那個女人給了我那樹上的果子,我才吃了。」
13 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
上主天主遂對女人說:「你為什麼作了這事﹖」女人答說:「是蛇哄騙了我,我才吃了。」
14 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin’ ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ ny andro rehetra hiainanao.
上主天主對蛇說:「因你做了這事,你在一切畜牲和野獸中,是可咒罵的;你要用肚子爬行,畢生日日吃土。
15 Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
我要把仇恨放在你和女人,你的後裔和她的後裔之間,她的後裔要踏碎你的頭顱,你要傷害他的腳跟。」
16 Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan’ anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
後對女人說:「我要增加你懷孕的苦楚,在痛苦中生子;你要依戀你的丈夫,也要受他的管轄。」
17 Ary hoy koa Izy tamin’ i Adama: Satria efa nihaino ny feon’ ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin’ ny andro rehetra hiainanao.
後對亞當說:「因為你聽了你妻子的話,吃了我禁止你吃的果子,為了你的緣故,地成了可咒罵的;你一生日日勞苦才能得到吃食。
18 Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.
地要給你生出荊棘和蒺蔾,你要吃田間的蔬菜;
19 Ny fahatsembohan’ ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao.
你必須汗流滿面,才有飯吃,直到你歸於土中,因為你是由土來的;你既是灰土,你還要歸於灰土。」
20 Ary ralehilahy nanao ny anaran’ ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ ny olombelona rehetra.
亞當給自己的妻子起名叫厄娃,因為她是眾生的母親。
21 Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’ i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.
上主天主為亞當和他的妻子做了件皮衣,給他們穿上;
22 Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon’ aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
然後上主天主說:「看,人已相似我們中的一個,知道了善惡;如今不要讓他伸手再摘取生命樹上的果子,吃了活到永遠。」
23 ka dia nesorin’ i Jehovah Andriamanitra tamin’ ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
上主天主遂把他趕出伊甸樂園,叫他耕種他所由出的土地。
24 Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin’ ny hazon’ aina.
天主將亞當逐出了以後,就在伊甸樂園的東面,派了「革魯賓」和刀光四射的火劍,防守到生命樹去的路。

< Genesisy 3 >