< Genesisy 29 >

1 Dia niainga Jakoba ka nankany amin’ ny tanin’ ny zanaky ny atsinanana.
Kisha Yakobo akaendelea na safari yake na akafika katika nchi ya watu wa mashariki.
2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman’ osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin’ izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ ny olona ny andian’ ny ondry aman’ osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan’ ny fantsakana.
Hata alipotazama, akaona kisima kondeni, na, tazama, makundi matatu ya kondoo yalikuwa yamelala kando yake. Kwani kutoka katika hicho wangeyanywesha makundi, na jiwe juu ya mdomo wa kisima lilikuwa kubwa.
3 Ary nangonina teo ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, dia nakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman’ osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan’ ny lavaka fantsakana ho amin’ ny fitoerany.
Wakati makundi yote yangekusanyika pale, wachungaji wangevingirisha jiwe kutoka katika mdomo wa kisima na kuwanywesha kondoo, na kisha kurudisha jiwe juu ya mdomo wa kisima, mahali pake.
4 Ary hoy Jakoba tamin’ ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
Yakobo akawambia, “Ndugu zangu, ninyi mnatokea wapi?” nao wakasema, “Tunatoka Harani.”
5 Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin’ i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
Akawambia, “Mnamfahamu Labani mwana wa Nahori?” Wakasema, “Tunamfahamu.”
6 Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman’ osy.
Akawambia, “Je hajambo?” Wakasema, “Hajambo, na, tazama pale, Raheli binti yake anakuja na kondoo.”
7 Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin’ ny fotoana famoriana ny omby aman’ ondry; ampisotroy ny ondry aman’ osy, dia andeha, andraso.
Yakobo akasema, “Tazama, ni mchana. Siyo wakati wa kukusanya kondoo pamoja. Mnapaswa kuwanywesha kondoo na kisha mkaenda na kuwaacha wachunge.”
8 Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, ka hakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman’ osy izahay.
Wakamwambia, “Hatuwezi kuwanywesha mpaka makundi yote yakusanyike pamoja. Ndipo wanaume watakapovingirisha jiwe kutoka mlangoni mwa kisima, na ndipo tutakapowanywesha kondoo.”
9 Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman’ osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
Wakati bado Yakobo anaongea nao, Raheli akaja pamoja na kondoo wa babaye, kwani alikuwa akiwachunga.
10 Ary rehefa hitan’ i Jakoba Rahely, zanakavavin’ i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny izy.
Yakobo alipomwona Raheli, binti wa Labani, kaka wa mamaye, na kondoo wa Labani, kaka wa mama yake, Yakobo akaja juu, akalivingirisha jiwe kutoka mlangoni mwa kisima, na akawanywesha kondoo wa Labani, kaka wa mama yake.
11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
Yakobo akambusu Raheli na akalia kwa sauti.
12 Dia nambaran’ i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
Yakobo akamwambia Raheli kwamba alikuwa ni ndugu wa baba yake, na kwamba alikuwa mwana wa Rebeka. Kisha yeye akakimbia kumwambia baba yake.
13 Ary rehefa ren’ i Labana ny filazany an’ i Jakoba, zanak’ anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’ i Jakoba tamin’ i Labana izany rehetra izany.
Labani aliposikia habari kuhusu Yakobo mwana wa dada yake, akaenda kukutana naye, akamkumbatia, akambusu, na kumleta nyumbani kwake. Yakobo akamwambia Labani mambo haya yote.
14 Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
Labani akamwambia, “Kwa hakika wewe ni mfupa wangu na nyama yangu.” Kisha Yakobo akakaa naye kama mwezi mmoja.
15 dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va? Lazao amiko izay ho karamanao.
Kisha Labani akamwambia Yakobo, “Je unitumikie bure kwa kuwa wewe ni ndugu yangu? Niambie, ujira wako utakuwaje?
16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ ny zokiny, ary Rahely no anaran’ ny zandriny.
Basi Labani alikuwa na binti wawili. Jina la mkubwa lilikuwa ni Lea, na jina la mdogo lilikuwa Raheli.
17 Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
Macho ya Lea yalikuwa dhaifu, lakini Raheli alikuwa mzuri wa umbo na mwonekano.
18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
Yakobo alimpenda Raheli, hivyo akasema, “Nitakutumikia miaka saba kwa ajili ya Raheli, binti yako mdogo.”
19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
Labani akasema, Itakuwa vema kukupa wewe, kuliko kumpa mtu mwingine. Kaa nami.”
20 Dia nanompo an’ i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
Hivyo Yakobo akamtumikia kwa miaka saba kwa ajili ya Raheli; nayo ilionekana kwake kama siku chache tu, kwa ajili ya upendo aliokuwa nao kwake.
21 Ary hoy Jakoba tamin’ i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr’ androko.
Kisha Yakobo akamwambia Labani, “Nipe mke wangu, kwani siku zangu zimetimia - ili kwamba nimwoe!
22 Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
Hivyo Labani akawaalika watu wa mahali hapo na kuandaa sherehe.
23 Kanjo nony hariva dia naka an’ i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin’ i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
Wakati wa jioni, Labani akamchukua Lea binti yake mkubwa na kumleta kwa Yakobo, aliyelala naye.
24 Ary nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
Labani akampa mtumishi wake wakike Zilpa kuwa mjakazi wa Lea.
25 Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin’ i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
Ilipofika asubuhi, tazama, kumbe ni Lea! Yakobo akamwambia Labani, “Ni nini hiki ulichonifanyia? Je sikukutumikia kwa ajili ya Raheli? Kwa nini basi umenihadaa?
26 Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin’ ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ ny zokiny.
Labani akamwambia, “Siyo utamaduni wetu kumtoa bindi mdogo kabla ya mzaliwa wa kwanza.
27 Tanteraho ny herinandron’ ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
Timiza juma la bibi arusi, na tutakupa yule mwingine pia kwa mbadala wa kunitumikia miaka mingine saba.”
28 Dia nataon’ i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen’ i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
Yakobo akafanya hivyo, na akatimiza juma la Lea. Kisha Labani akampa Raheli binti yake kuwa mke wake.
29 Ary nomen’ i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
Lakini pia Labani akampa Raheli binti yake Bilha, kuwa mjakazi wake.
30 Dia novadin’ i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an’ i Labana fito taona indray izy.
Hivyo Yakobo akalala na Raheli, pia, lakini akampenda Raheli zaidi ya Lea. Hivyo Yakobo akamtumikia Labani kwa miaka saba mingine.
31 Ary rehefa hitan’ i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan’ anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
Yahwe akaona kwamba Lea hakupendwa, hivyo akalifungua tumbo lake, lakini Raheli hakuwa na mtoto.
32 Dia nanan’ anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ ny vadiko aho.
Lea akashika mimba na kuzaa mwana, naye akamwita Rubeni. Kwani alisema, “Kwa sababu Yahwe ameliangalia teso langu; bila shaka mme wangu sasa atanipenda.”
33 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren’ i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
Kisha akashika mimba tena na kuzaa mwana. Akasema, “Kwa sababu Yahwe amesikia kwamba sipendwi, kwa hiyo amenipa mwana mwingine,” na akamwita Simoni.
34 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
Kisha akashika mimba tena na kuzaa mwana. Akasema, “Wakati huu mme wangu ataungana nami, kwa kuwa nimemzalia wana watatu.” Kwa hiyo akaitwa Lawi.
35 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an’ i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
Akashika mimba tena na kuzaa mwana. Akasema, “Wakati huu nitamsifu Yahwe.” Kwa hiyo akamwita jina lake Yuda; kisha akaacha kuzaa watoto.

< Genesisy 29 >