< Genesisy 25 >

1 Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
Abraham married another wife; her name was Keturah.
2 Dia niteraka an’ i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin’ i Abrahama izy.
She had the following sons: Zimran, Jokshan, Medan, Midian, Ishbak, and Shuah.
3 Ary Joksana niteraka an’ i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin’ i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
Jokshan was the father of Sheba and Dedan. The descendants of Dedan were the Asshurites, the Letushites, and the Leummites.
4 Ary ny zanakalahin’ i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak’ i Ketora.
The sons of Midian were Ephah, Epher, Hanoch, Abida, and Eldaah. These were all descendants of Keturah.
5 Dia natolotr’ i Abrahama an’ Isaka izay rehetra nananany.
Abraham left everything he owned to Isaac.
6 Fa ny zanak’ ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’ i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’ Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ ny tany atsinanana.
But while he was still alive, he gave gifts to the sons of his concubines and sent them to live in the east, well away from Isaac.
7 Ary ny andro niainan’ i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
Abraham lived to be 175
8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ ny razany izy.
when he breathed his last and died at a good old age. He had lived a full life, and now he joined his forefathers in death.
9 Ary nalevin’ Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin’ ny zohy ao Makpela, tao amin’ ny sahan’ i Efrona, zanak’ i Zohara Hetita, izay tandrifin’ i Mamre,
His sons Isaac and Ishmael buried him in the cave of Machpelah near Mamre, in the field that had belonged to Ephron, son of Zohar, the Hittite.
10 dia ilay saha izay novinidin’ i Abrahama tamin’ ny taranak’ i Heta; tao no nandevenana an’ i Abrahama sy Saraha vadiny.
This was the field Abraham had bought from the Hittites. Abraham was buried there with his wife Sarah.
11 Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin’ Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin’ i Bera-lahai-roy.
After Abraham's death, God blessed his son Isaac, who was living near Beer-lahai-roi.
12 Ary izao no taranak’ Isimaela, zanakalahin’ i Abrahama izay naterak’ i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin’ i Saraha, tamin’ i Abrahama:
This is the genealogy of Abraham's son Ishmael. His mother Hagar was Sarah's Egyptian slave.
13 Izao no anaran’ ny zanakalahin’ Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
These were the names of the sons of Ishmael according to their family genealogy: Nebaioth (firstborn), Kedar, Adbeel, Mibsam,
14 sy Misma sy Doma sy Masa
Mishma, Dumah, Massa,
15 sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
Hadad, Tema, Jetur, Naphish, and Kedemah.
16 Izy ireo no zanakalahin’ Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin’ ny folo araka ny fireneny.
These were the sons of Ishmael, and these became the names of the places where they lived and camped—the twelve family rulers of their tribes.
17 Ary ny andro niainan’ Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin’ ny razany.
Ishmael lived to be 137. Then he breathed his last and died, and joined his forefathers in death.
18 Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin’ i Egypta amin’ ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin’ ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
Ishmael's descendants inhabited the region from Havilah to Shur, near the border of Egypt in the direction of Asshur. They were forever fighting with one other.
19 Ary izao no taranak’ Isaka, zanakalahin’ i Abrahama:
The following is the genealogy of Abraham's son Isaac. Abraham was the father of Isaac.
20 Abrahama niteraka an’ Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin’ i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin’ i Labana Syriana.
When Isaac was 40 he married Rebekah, the daughter of Bethuel the Aramean from Paddan-aram and the sister of Laban the Aramean.
21 Ary Isaka nangataka tamin’ i Jehovah ho an’ ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’ i Jehovah ny fangatahany, dia nanan’ anaka Rebeka vadiny.
Isaac prayed to the Lord for help on behalf of his wife because she couldn't have children. The Lord answered his prayer and she became pregnant.
22 Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin’ i Jehovah izy.
The twin babies inside her struggled with each other. So she asked the Lord, “Why is this happening to me?”
23 Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
“You have two nations inside you,” the Lord replied. “You're going to give birth to two peoples who will compete against each other. One will be stronger than the other; the older one will be the servant of the younger one.”
24 Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
When the time came she gave birth to twins.
25 Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
The first baby to be born was red, and covered with hair like a coat. So they named him Esau.
26 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr’ i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin’ ny niterahana azy mirahalahy.
Then his twin brother was born, holding on to Esau's heel. So he was named Jacob. Isaac was 60 when they were born.
27 Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
The boys grew up and Esau became a skilled hunter, at home in the countryside. Jacob was quiet and liked to stay at home in the tents.
28 Ary Isaka tia an’ i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an’ i Jakoba.
Isaac loved Esau because he brought him tasty wild game to eat, while Rebekah loved Jacob.
29 Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
One day Jacob was cooking some stew when Esau got back from the countryside, tired out and starving hungry.
30 Dia hoy Esao tamin’ i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
“Give me some of that red stew,” Esau told Jacob. “I'm absolutely starving!” (That's how Esau got his other name, “Edom,” meaning “red.”)
31 Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
“First sell me your rights as the firstborn son,” Jacob replied.
32 Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
“Look! I'm dying here! What use are the rights of the firstborn to me?” Esau declared.
33 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin’ i Jakoba ny fizokiany.
“First you have to swear to me,” Jacob demanded. So Esau swore an oath selling his rights of the firstborn to Jacob.
34 Ary Jakoba nanome an’ i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan’ i Esao ny fizokiany.
Then Jacob gave Esau some bread and lentil stew. He ate and drank, and then he got up and left. By doing this Esau showed how little he cared for his rights as the firstborn son.

< Genesisy 25 >