< Genesisy 25 >
1 Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
Abrahamu anakwatira mkazi wina dzina lake Ketura.
2 Dia niteraka an’ i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin’ i Abrahama izy.
Iyeyu anamubalira Zimurani, Yokisani, Medani, Midiyani, Isibaki ndi Suwa.
3 Ary Joksana niteraka an’ i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin’ i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
Yokisani anabereka Seba ndi Dedani ndipo zidzukulu za Dedani ndiwo Aasuri, Aletusi, ndi Aleumi.
4 Ary ny zanakalahin’ i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak’ i Ketora.
Ana aamuna a Midiyani anali, Efai, Eferi, Hanoki, Abida ndi Elida. Onsewa anali zidzukulu za Ketura.
5 Dia natolotr’ i Abrahama an’ Isaka izay rehetra nananany.
Abrahamu anasiyira Isake chilichonse anali nacho.
6 Fa ny zanak’ ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’ i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’ Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ ny tany atsinanana.
Koma pamene anali ndi moyo, Abrahamu anapereka mphatso kwa ana aakazi ake ena onse. Kenaka anawatumiza ku dziko la kummawa kuti akhale kutali ndi mwana wake Isake.
7 Ary ny andro niainan’ i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
Abrahamu anakhala ndi moyo zaka 175.
8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ ny razany izy.
Abrahamu anamwalira atakalamba kwambiri ndipo anakakhala ndi anthu a mtundu wake.
9 Ary nalevin’ Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin’ ny zohy ao Makpela, tao amin’ ny sahan’ i Efrona, zanak’ i Zohara Hetita, izay tandrifin’ i Mamre,
Ana ake, Isake ndi Ismaeli anamuyika mʼphanga la Makipela pafupi ndi Mamre, mʼmunda umene kale unali wa Efroni mwana wa Zohari Mhiti,
10 dia ilay saha izay novinidin’ i Abrahama tamin’ ny taranak’ i Heta; tao no nandevenana an’ i Abrahama sy Saraha vadiny.
uwu ndi munda umene Abrahamu anagula kwa Ahiti. Kumeneko Abrahamu anakayikidwa pamodzi ndi mkazi wake Sara.
11 Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin’ Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin’ i Bera-lahai-roy.
Atamwalira Abrahamu, Mulungu anadalitsa mwana wake Isake, amene ankakhala pafupi ndi Beeri-lahai-roi (chitsime cha Wamoyo Wondipenya).
12 Ary izao no taranak’ Isimaela, zanakalahin’ i Abrahama izay naterak’ i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin’ i Saraha, tamin’ i Abrahama:
Nazi zidzukulu za Ismaeli, mwana wa Abrahamu amene wantchito wa Sara, Hagara Mwigupto uja, anaberekera Abrahamu.
13 Izao no anaran’ ny zanakalahin’ Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
Awa ndi mayina a ana a Ismaeli monga mwa mndandanda wa mabadwidwe awo: Nebayoti ndiye anali mwana woyamba wa Ismaeli; kenaka Kedara, Adibeeli, Mibisamu,
14 sy Misma sy Doma sy Masa
Misima, Duma, Masa,
15 sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
Hadadi, Tema, Yeturi, Nafisi ndi Kedema;
16 Izy ireo no zanakalahin’ Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin’ ny folo araka ny fireneny.
Amenewa ndi ana a Ismaeli ndi mayina awo monga mwa midzi ndi misasa yawo. Anali olamulira mafuko khumi ndi awiri.
17 Ary ny andro niainan’ Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin’ ny razany.
Ismaeli anakhala ndi moyo zaka 137. Iye anamwalira ndipo anakakhala ndi anthu a mtundu wake.
18 Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin’ i Egypta amin’ ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin’ ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
Zidzukulu za Ismaeli zinkakhala mʼdera la pakati pa Havila ndi Suri, kummwera kwa Igupto, mukamapita cha ku Asuri. Choncho anakhala kummawa kwa abale awo.
19 Ary izao no taranak’ Isaka, zanakalahin’ i Abrahama:
Iyi ndi mbiri ya Isake mwana wa Abrahamu. Abrahamu anabereka Isake
20 Abrahama niteraka an’ Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin’ i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin’ i Labana Syriana.
ndipo Isake anali ndi zaka makumi anayi pamene anakwatira Rebeka mwana wa Betueli Mwaramu wa ku Padanaramu mlongo wa Labani Mwaramu.
21 Ary Isaka nangataka tamin’ i Jehovah ho an’ ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’ i Jehovah ny fangatahany, dia nanan’ anaka Rebeka vadiny.
Isake anapempherera mkazi wake kwa Yehova popeza iye anali wosabereka. Yehova anayankha pemphero lake ndipo mkazi wake Rebeka anatenga pathupi.
22 Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin’ i Jehovah izy.
Koma pamene anawo amalimbana mʼmimba mwake, iye anati, “Bwanji zikundichitikira zoterezi?” Choncho anapita kukafunsa kwa Yehova.
23 Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
Yehova anati kwa iye, “Udzabala mafuko awiri a anthu olimbana, ndipo magulu awiri a anthu ochokera mwa iwe adzasiyana; fuko limodzi lidzakhala la mphamvu kuposa linzake, ndipo wamkulu adzatumikira wamngʼono.”
24 Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
Pamene nthawi inakwana yakuti abeleke, Rebeka anaberekadi mapasa.
25 Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
Woyamba kubadwa anali wofiira, ndipo thupi lake lonse linali ngati chovala cha ubweya; choncho anamutcha Esau.
26 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr’ i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin’ ny niterahana azy mirahalahy.
Kenaka mʼbale wake anabadwa atagwira chidendene cha Esau; choncho anamutcha Yakobo. Isake anali ndi zaka 60 pamene Rebeka anabereka mapasawa.
27 Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
Anyamatawo anakula ndipo Esau anakhala katswiri wosaka, munthu wamʼthengo, pamene Yakobo anali munthu wofatsa, wokonda kukhala pa nyumba.
28 Ary Isaka tia an’ i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an’ i Jakoba.
Isake ankakonda Esau chifukwa cha nyama za kutchire zomwe ankakonda kudya, koma Rebeka ankakonda Yakobo.
29 Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
Tsiku lina pamene Yakobo ankaphika chakudya, Esau anabwera kuchokera kuthengo ali wolefuka ndi njala.
30 Dia hoy Esao tamin’ i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
Iye anati kwa Yakobo, “Tandipatsako phala lofiiralo, ndimwe! Ndalefuka ndi njala.” (Nʼchifukwa chake amatchedwanso Edomu).
31 Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
Yakobo anayankha, “Choyamba undigulitse ukulu wako.”
32 Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
Esau anati, “Chabwino, ine ndatsala pangʼono kufa, ukulu undithandiza chiyani?”
33 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin’ i Jakoba ny fizokiany.
Koma Yakobo anati, “Lumbira kwa ine choyamba.” Kotero Esau analumbiradi, ndipo anagulitsa ukulu wake kwa Yakobo.
34 Ary Jakoba nanome an’ i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan’ i Esao ny fizokiany.
Choncho Yakobo anamupatsa Esau buledi ndi phala lofiira lija. Iye anadya ndi kumwa, nanyamuka kumapita. Motero Esau anapeputsa ukulu wake wachisamba uja.