< Genesisy 22 >
1 Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan’ Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
Thil hijatpi kichai jouvin Pathen in Abraham chu ave patep in aman hitin aseiye, “Vo Abraham,” atile, hikoma kaum e Pakai ati.
2 Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin’ ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
Hichun Pathen in aseiye, “Nangailut tah na chapa changkhat seh Isaac chu pui jin lang Moriah gam'a chen kei man kahin seipeh ding molsang khat pen pen chunga chu pumgo thilto maicham adin pedoh tan,” ati.
3 Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin’ ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin’ ny tany izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy,
Chuti chun Abraham chu jingkah matah in athoudoh in asanngan teni akigon tup in chule asoh pasal ni akipui'in achapa Isaac apuiyin, pumgo thilto agovamsa ding in thing akipoh in akipat doh in Pathen in aseipeh na mun chu ajon tai.
4 Nony tamin’ ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ.
Ani thum chanan Abraham chu adah in aven ahile amun chu gal'a kon in amu tai.
5 Ary hoy Abrahama tamin’ ny zatovony: Mijanòna eto amin’ ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankerỳ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray.
Abraham'in asoh teni jah a aseiyin, “Nangni hikoma hin sangan toh ana um tauvin, keile ka chapa khulam akhun gache lhon tadinge, Pathen kaga hou lhon ding kahung kinung le vah lhon ding ahi.”
6 Dia nalain’ i Abrahama ny hazo hataina amin’ ny fanatitra dorana ka natataony an’ Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
Abraham'in thinglom maicham a pumgo thilto halna ding chu Isaac apohsah in chule achempai achoi jin amani hiti chun akijot lhon in achelhon tai.
7 Ary Isaka niteny tamin’ i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?
Chuin Isaac in apa Abraham jah'a “Hepa” atile Abraham'in jong “Hoijo kacha” ati, hichun Isaac in “Veteh mei le thinglom la aumtan, pumgo thilto kelngoi hoiba ham?” ati le.
8 Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.
Abraham'in adonbut in “Pathen ama tah in hin gong nante, kelngoi pumgo maicham adin, kachapa deitah,” hichun amani achebe lhon in ahi.
9 Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an’ i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ ny alitara teo ambonin’ ny kitay.
Pathen in Abraham aseipeh na mun ahung lhun lhon phat in Abraham chun maicham khat asem in, thinglom chu agol chan ajam'in chuin achapa Isaac chu aheltum in maicham chunga alup sah tai.
10 Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
Hichun aman achem chu apaiya kon in aladon in, achapa chu sut agon akilam tai,
11 Fa niantso azy Ilay Anjelin’ i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.
Hinlah vana konin Pakai vantil in “Abraham, Abraham” tin ahin kouvin ahile, Abraham'in “Pakai keima hikoma ka um'e,” ati.
12 Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin’ ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an’ Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
Ama chun “chapang pa chunga na khut nalha lou hel ding, imacha jong nalo lou ding ahi, Ajeh chu Pathen na gin jeh-in nangman na chapa chang khat seh jeng jong keima adin na khut kih poi, tihi tun kichen tah in kahe doh tai,” ati.
13 Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon’ ny zanany.
Chuin Abraham adah doh in avet leh, “Vetan anung langa nanglom laha kelngoi chal khat akia kihen amun ahi,” hichun Abraham jong achen kelngoi chal chu aga kaiyin achapa khel chun maicham thilto chun atoh'in ahi.
14 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataon’ i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’ i Jehovah.
Hijeh chun Abraham'in hiche mun chu Pathen in hin ngaito nante tin asahtai (Yahweh-Yireh), tuni geihin hiche “Pathen'in amolsang chung ah hin kingaito nante,” ti thuchih hi akisei jing nalaiye.
15 Dia niantso an’ i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin’ i Jehovah
Pakai vantil chun vanna konin Abraham tin a nivei na a ahin koukit in ahi.
16 ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
Hitin aseiye, “Keima ka tahsa tah a ka kihahsel ahitai, hitobang a thilhi nabol ngam jenga na chapa chang khat seh chunga khut kih louva napan jeng phat-in tin Pakaiyin aseiye.
17 dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ ny fahavalony;
Keiman kitah tah a phatthei ka boh ding nahi, chule na chilhahte chunga ahsi jat ka phahsah ding chule vadung panga neldi jat ka sosah ding nahi, na chilhah ten amelma teu kelkot ahin toupha diu ahiye.
18 ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
Chule nangman ka thusei nangai jeh a leiset chunga namtin vaipi na son na chilhah te vanga phatthei hung kiboh ding ahiuve,” ati.
19 Ary Abrahama dia niverina nankeny amin’ ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba.
Hichun Abraham'in asohpa kom langa ahung kinungle in, chuin amaho Beersheba lam ajon un, hichea chun Abraham chu Beersheba a aum tai.
20 Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin’ i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin’ i Nahora rahalahinao,
Phat chomkhat jou chun Abraham chu thu aseipeh un Milcah jong hin nasopi pa Nahor to cha pasal phachompi ahing lhone.
21 dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain’ i Arama,
Uz chu atahpen ahin, Buz hi anichan na ahin, Ram hingpa Kemuel ahin,
22 ary Kaseda sy Hazo sy Pildasy sy Jidiafa ary Betoela.
Chesed ahin, Hazo ahin, Pildash ahin, Jidlaph ahin chule Bethuel ahi uve,” ati.
23 Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak’ i Milka tamin’ i Nahora, rahalahin’ i Abrahama.
Bethuel chun Rebekah ahing'e. Abraham sopipa Nahor chu Milcah cha hicheng get hi ana hin peh e.
24 Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an’ i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.
Hicheng val in jong athai-kemnu amin Reumah kiti nu jong chun Tebah toh, Gaham toh, Tahash toh chule Maacah ana hing'e.