< Genesisy 21 >

1 Ary Jehovah namangy an’ i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon’ i Jehovah tamin’ i Saraha araka ilay efa noteneniny.
And the Lord came to Sarah as he had said and did to her as he had undertaken.
2 Dia nanan’ anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin’ i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin’ ny fotoana izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy.
And Sarah became with child, and gave Abraham a son when he was old, at the time named by God.
3 Ary ny anaran’ ny zanany izay teraka, ilay naterak’ i Saraha taminy dia nataon’ i Abrahama hoe Isaka.
And Abraham gave to his son, to whom Sarah had given birth, the name Isaac.
4 Dia noforan’ i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian’ Andriamanitra azy.
And when his son Isaac was eight days old, Abraham made him undergo circumcision, as God had said to him.
5 Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an’ i Isaka zanany izy.
Now Abraham was a hundred years old when the birth of Isaac took place.
6 Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin’ Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
And Sarah said, God has given me cause for laughing, and everyone who has news of it will be laughing with me.
7 Ary hoy koa izy: Nampoizin’ iza akory moa no hilaza amin’ i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
And she said, Who would have said to Abraham that Sarah would have a child at her breast? for see, I have given him a son now when he is old.
8 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin’ ny andro nanotazana an’ Isaka.
And when the child was old enough to be taken from the breast, Abraham made a great feast.
9 Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak’ i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin’ i Abrahama.
And Sarah saw the son of Hagar the Egyptian playing with Isaac.
10 Dia hoy izy tamin’ i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’ io andevovavy io tsy hiray lova amin’ ny zanako, dia amin’ Isaka.
So she said to Abraham, Send away that woman and her son: for the son of that woman is not to have a part in the heritage with my son Isaac.
11 Fa ratsy teo imason’ i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin’ ny zanany.
And this was a great grief to Abraham because of his son.
12 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’ i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
But God said, Let it not be a grief to you because of the boy and Hagar his mother; give ear to whatever Sarah says to you, because it is from Isaac that your seed will take its name.
13 Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
And I will make a nation of the son of your servant-woman, because he is your seed.
14 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’ i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’ i Beri-sheba.
And early in the morning Abraham got up, and gave Hagar some bread and a water-skin, and put the boy on her back, and sent her away: and she went, wandering in the waste land of Beer-sheba.
15 Ary rehefa lany ny rano tao amin’ ny siny hoditra, dia nariany teo am-pototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
And when all the water in the skin was used up, she put the child down under a tree.
16 Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan’ ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
And she went some distance away, about an arrow flight, and seating herself on the earth, she gave way to bitter weeping, saying, Let me not see the death of my child.
17 Ary ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza, dia niantso an’ i Hagara Ilay Anjelin’ Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza eo amin’ ny itoerany.
And the boy's cry came to the ears of God; and the angel of God said to Hagar from heaven, Hagar, why are you weeping? have no fear, for the child's cry has come to the ears of God.
18 Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
Come, take your child in your arms, for I will make of him a great nation.
19 Dia nampahiratin’ Andriamanitra ny mason’ i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
Then God made her eyes open, and she saw a water-spring, and she got water in the skin and gave the boy a drink.
20 Ary nomban’ Andriamanitra ny zaza, dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
And God was with the boy, and he became tall and strong, and he became a bowman, living in the waste land.
21 Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan’ ny reniny vady avy tany amin’ ny tany Egypta izy.
And while he was in the waste land of Paran, his mother got him a wife from the land of Egypt.
22 Ary tamin’ izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, dia niteny tamin’ i Abrahama ka nanao hoe: Omban’ Andriamanitra ianao amin’ izay rehetra ataonao;
Now at that time, Abimelech and Phicol, the captain of his army, said to Abraham, I see that God is with you in all you do.
23 koa ankehitriny ianiano amin’ Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ ny tany izay ivahinianao.
Now, then, give me your oath, in the name of God, that you will not be false to me or to my sons after me, but that as I have been good to you, so you will be to me and to this land where you have been living.
24 Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
And Abraham said, I will give you my oath.
25 Ary Abrahama nananatra an’ i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain’ ny mpanompon’ i Abimeleka an-keriny
But Abraham made a protest to Abimelech because of a water-hole which Abimelech's servants had taken by force.
26 Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
But Abimelech said, I have no idea who has done this thing; you never gave me word of it, and I had no knowledge of it till this day.
27 Ary Abrahama naka ondry aman’ osy sy omby, ka nomeny an’ i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
And Abraham took sheep and oxen and gave them to Abimelech, and the two of them made an agreement together.
28 Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin’ ny ondry.
And Abraham put seven young lambs of the flock on one side by themselves.
29 Ary hoy Abimeleka tamin’ i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
Then Abimelech said, What are these seven lambs which you have put on one side?
30 Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin’ ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
And he said, Take these seven lambs from me as a witness that I have made this water-hole.
31 Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’ izy roa lahy.
So he gave that place the name Beer-sheba, because there the two of them had given their oaths.
32 Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ ny tanin’ ny Filistina.
So they made an agreement at Beer-sheba, and Abimelech and Phicol, the captain of his army, went back to the land of the Philistines.
33 Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’ i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
And Abraham, after planting a holy tree in Beer-sheba, gave worship to the name of the Lord, the Eternal God.
34 Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
And Abraham went on living in the land of the Philistines as in a strange country.

< Genesisy 21 >