< Genesisy 21 >
1 Ary Jehovah namangy an’ i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon’ i Jehovah tamin’ i Saraha araka ilay efa noteneniny.
Yehova anakomera mtima Sara monga ananenera, ndipo Yehovayo anachita monga momwe analonjezera.
2 Dia nanan’ anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin’ i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin’ ny fotoana izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy.
Sara anakhala ndi pathupi ndipo anamuberekera Abrahamu mwana wamwamuna mu ukalamba wake, pa nyengo imene Mulungu anamulonjeza.
3 Ary ny anaran’ ny zanany izay teraka, ilay naterak’ i Saraha taminy dia nataon’ i Abrahama hoe Isaka.
Abrahamu anapereka dzina loti Isake kwa mwana wamwamuna amene Sara anamuberekera.
4 Dia noforan’ i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian’ Andriamanitra azy.
Isake atakwanitsa masiku asanu ndi atatu, Abrahamu anamuchita mdulidwe monga Mulungu anamulamulira.
5 Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an’ i Isaka zanany izy.
Abrahamu anali ndi 100 pamene mwana wake Isake anabadwa.
6 Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin’ Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
Sara anati, “Mulungu wandibweretsera mseko, ndipo aliyense amene adzamva zimenezi adzaseka nane pamodzi.”
7 Ary hoy koa izy: Nampoizin’ iza akory moa no hilaza amin’ i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
Ndipo anawonjezera kuti, “Ndani akanamuwuza Abrahamu kuti Sara nʼkudzayamwitsako ana? Chonsecho ndamubalira mwana wamwamuna kuwukalamba wake.”
8 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin’ ny andro nanotazana an’ Isaka.
Mwana uja anakula mpaka kumuletsa kuyamwa. Tsiku lomuletsa Isake kuyamwa, Abrahamu anakonza phwando lalikulu.
9 Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak’ i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin’ i Abrahama.
Koma Sara anaona kuti mwana wamwamuna amene Hagara Mwigupto anamuberekera Abrahamu amamuseka,
10 Dia hoy izy tamin’ i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’ io andevovavy io tsy hiray lova amin’ ny zanako, dia amin’ Isaka.
ndipo anati kwa Abrahamu, “Muchotse mdzakazi ndi mwana wake wamwamunayu, pakuti mwana wa kapolo sadzagawana chuma ndi mwana wanga Isake.”
11 Fa ratsy teo imason’ i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin’ ny zanany.
Nkhaniyi inamumvetsa chisoni kwambiri Abrahamu chifukwa imakhudza mwana wake.
12 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’ i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
Koma Mulungu anamuwuza Abrahamu kuti, “Usamve chisoni motero ndi mnyamatayu ndi mdzakazi wakoyu. Mvetsera chilichonse chomwe Sara akukuwuza, chifukwa zidzukulu zako zidzachokera mwa Isake.
13 Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
Mwana wa mdzakazi wakoyu ndidzamusandutsa mtundu wa anthu chifukwa ndi mwana wako.”
14 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’ i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’ i Beri-sheba.
Mmamawa wake, Abrahamu anatenga chakudya ndi botolo la madzi nazipereka kwa Hagara. Anasenzetsa Hagara nawaperekeza pangʼono ndi mnyamatayo. Hagara ananyamuka nayendayenda mʼchipululu cha Beeriseba.
15 Ary rehefa lany ny rano tao amin’ ny siny hoditra, dia nariany teo am-pototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
Madzi atatha mʼbotolo muja, anamuyika mnyamatayo pansi pa zitsamba.
16 Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan’ ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
Kenaka Hagara anachoka nakakhala pansi cha pakatalipo, pafupifupi mamita makumi asanu ndi anayi, popeza mʼmaganizo mwake amati, “Sindingaonerere mwanayu akufa.” Ndipo anakhala pansi cha poteropo nʼkumalira.
17 Ary ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza, dia niantso an’ i Hagara Ilay Anjelin’ Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza eo amin’ ny itoerany.
Mulungu anamva mnyamatayo akulira ndipo mngelo wa Mulungu anayankhula kwa Hagara kuchokera kumwamba nati, “Chavuta nʼchiyani Hagara? Usachite mantha; Mulungu wamva kulira kwa mnyamatayo pamene wagonapo.
18 Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
Munyamule mnyamatayo ndipo umugwire dzanja pakuti ndidzamupanga kukhala mtundu waukulu.”
19 Dia nampahiratin’ Andriamanitra ny mason’ i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
Kenaka Mulungu anatsekula maso a Hagara ndipo anaona chitsime cha madzi. Choncho anapita nadzaza botolo lija ndi madzi ndi kumupatsa mnyamatayo kuti amwe.
20 Ary nomban’ Andriamanitra ny zaza, dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
Mulungu anali ndi mnyamatayo pamene ankakula. Anakhala ku chipululu nakhala katswiri wolasa uta.
21 Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan’ ny reniny vady avy tany amin’ ny tany Egypta izy.
Akukhala ku chipululu cha Parani, mayi ake anamupezera mkazi wochokera ku Igupto.
22 Ary tamin’ izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, dia niteny tamin’ i Abrahama ka nanao hoe: Omban’ Andriamanitra ianao amin’ izay rehetra ataonao;
Pa nthawiyo, Abimeleki ndi Fikolo wamkulu wankhondo wake anati kwa Abrahamu, “Mulungu ali nawe pa chilichonse umachita.
23 koa ankehitriny ianiano amin’ Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ ny tany izay ivahinianao.
Tsopano undilumbirire ine pano pamaso pa Mulungu kuti sudzachita mwa chinyengo ndi ine kapena ana anga kapena zidzukulu zanga. Undionetse ine pamodzi ndi dziko limene ukukhalamo ngati mlendo, kukoma mtima kokhala ngati kumene ndinakuonetsa ine.”
24 Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
Abrahamu anati, “Ine ndikulumbira.”
25 Ary Abrahama nananatra an’ i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain’ ny mpanompon’ i Abimeleka an-keriny
Kenaka Abrahamu anadandaula kwa Abimeleki pa za chitsime chimene antchito a Abimeleki analanda.
26 Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
Koma Abimeleki anati, “Ine sindikudziwa amene anachita zimenezi. Iwe sunandiwuze, ndipo ndazimva lero zimenezi.”
27 Ary Abrahama naka ondry aman’ osy sy omby, ka nomeny an’ i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
Choncho Abrahamu anabweretsa nkhosa ndi ngʼombe nazipereka kwa Abimeleki, ndipo anthu awiriwo anachita pangano.
28 Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin’ ny ondry.
Abrahamu anapatulako ana ankhosa aakazi asanu ndi awiri kuchoka pagulu la nkhosa zina,
29 Ary hoy Abimeleka tamin’ i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
ndipo Abimeleki anafunsa Abrahamu, “Kodi tanthauzo lake la ana ankhosa aakazi asanu ndi awiri amene wawapatula pawokhawa nʼchiyani?”
30 Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin’ ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
Iye anayankha kuti, “Landirani ana ankhosa aakazi kuchokera mʼdzanja langa ngati umboni kuti ndinakumba chitsime ichi.”
31 Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’ izy roa lahy.
Kotero malo amenewo anatchedwa Beeriseba, chifukwa anthu awiriwo analumbirirapo malumbiro.
32 Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ ny tanin’ ny Filistina.
Atatha kuchita pangano pa Beeriseba, Abimeleki ndi Fikolo mkulu wankhondo wake anabwerera ku dziko la Afilisti.
33 Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’ i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
Abrahamu anadzala mtengo wa bwemba ku Beeriseba, ndipo anapemphera pamenepo mʼdzina la Yehova, Mulungu Wamuyaya.
34 Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
Ndipo Abrahamu anakhala mʼdziko la Afilisti kwa nthawi yayitali.