< Genesisy 20 >

1 Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin’ ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan’ i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
Ibrahim nowuotho moa kanyo modhi e gwenge mag Negev kendo odak e kind Kadesh kod Shur. Nodak Gerar kuom kinde matin,
2 Ary hoy ny filazan’ i Abrahama an’ i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan’ i Gerara, nampaka an’ i Saraha.
kendo kanyo ema Ibrahim nowachonegi niya, “Sara en nyaminwa.” Eka Abimelek ruodh Gerar nooro joote moomone Sara kendo nokawe kaka chiege.
3 Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Abimeleka, tamin’ ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin’ olona izy.
To Nyasaye nofwenyore ne Abimelek e lek gotieno kendo owachone niya, “Dine ber ka itho nikech dhako ma ikawono; en chi ngʼato.”
4 Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina?
To ne oyudo Abimelek pok oriwore kode. Eka nowacho niya, “Jehova Nyasaye bende dineg joma onge ketho?
5 Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin’ ny fahatsoran’ ny foko sy ny fahadiovan’ ny tanako no nanaovako izany.
Donge ne onyisa ni ma nyaminwa; kendo donge Sara ema nowachona ni ma owadwa? Asetimo ma giparo malongʼo kod lwedo maler.”
6 Ary hoy Andriamanitra taminy tamin’ ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin’ ny fahatsoran’ ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
Eka Nyasaye nowachone e lek niya, “Ee angʼeyo ni nitimo ma kod paro malongʼo omiyo aseriti mondo kik iketh e nyima. Mano ema nomiyo ok ayieni mondo iriwri kode.
7 Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin’ izay rehetra mety ho anao.
Koro dwokne Ibrahim chiege, nimar en janabi, kendo obiro lamoni mi ok initho. To ka ok idwoke, to bed gadiera ni in gi jogi duto ubiro tho.”
8 Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
Kinyne gokinyi mangʼich Abimelek noluongo jotichne duto kendo kane onyisogi gik moko duto mane osetimore, negibedo maluor ahinya.
9 Ary Abimeleka dia nampaka an’ i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
Eka Abimelek noluongo Ibrahim ire mi openje niya, “Angʼo ma isetimonwani? Ere gima rach ma asetimoni ma omiyo isekelo richo maduongʼni kuoma kod pinyruodha? Isetimona gik moko ma ok onego tim ne ngʼato.”
10 Ary hoy koa Abimeleka tamin’ i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao?
Kendo Abimelek nopenjo Ibrahim niya, “En angʼo miparo momiyo itimo gini?”
11 Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra tokoa amin’ ity tany ity, ka hovonoin’ ny olona aho noho ny amin’ ny vadiko.
Ibrahim nodwoke niya, “Ne awacho e chunya ni, ‘Adier luor mar Nyasaye onge ka, kendo gibiro nega nikech chiega.’
12 Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin’ ny raiko, fa tsy mba zanakavavin’ ny reniko; ka dia nanambady azy aho.
To bende, kuom adier en nyaminwa, ma nyar wuora, to minewa ema opogore; kendo ne akende obedo chiega.
13 Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ ny tranon’ ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin’ ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’ izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
Kendo kane Nyasaye ochika mondo awuog e od wuora mondo awuoth e pinje mamoko, nawachone Sara ni, ‘Mae kaka inyalo nyisa ni ihera: Kamoro amora ma wadhiye wach niya, “An owadu.”’”
14 Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an’ i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.
Eka Abimelek nokelo rombe gi dhok kod wasumbini mamon kod machwo kendo nomiyogi Ibrahim kendo Abimelek nodwokone Ibrahim Sara chiege.
15 Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin’ izay tianao.
Kendo Abimelek nowacho niya, “Pinya duto ni e lweti; dag kamoro amora ma ihero.”
16 Ary hoy kosa izy tamin’ i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin’ izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin’ izany rehetra izany.
Nonyiso Sara bende niya, “Asemiyo owadu shekel mar fedha maromo alufu achiel mondo obed ranyisi ne jou duto ni ionge gi ketho; nikech ok isetimo gimoro amora marach.”
17 Ary Abrahama dia nifona tamin’ Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an’ i Abimeleka sy ny vadiny mbamin’ ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
Eka Ibrahim nolamo Nyasaye, kendo Nyasaye nochango Abimelek, chiege kod jotichne ma nyiri mondo omi ginywol nyithindo kendo,
18 Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin’ ny ankohonan’ i Abimeleka noho ny amin’ i Saraha, vadin’ i Abrahama.
nimar noyudo ka Jehova Nyasaye osedino ii mon man e od Abimelek nikech Sara chi Ibrahim.

< Genesisy 20 >