< Genesisy 2 >

1 Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
PELA i paa ai ka lani a me ka honua i ka hanaia, a me ko laila poe mea a pau.
2 Ary tamin’ ny andro fahafito dia vitan’ Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ ny andro fahafito Izy tamin’ ny asany rehetra izay efa nataony.
A i ka hiku o ka la, hooki iho la ke Akua i ka hana ana i hana'i: a hoornaha iho la oia i kana hana a pau ana i hana'i.
3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’ izany no nitsaharan’ Andriamanitra tamin’ ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ ny nanaovany azy.
Hoomaikai mai la ke Akua i ka hiku o ka la, a hoano iho la; no ka mea, hoomaha iho la oia ia la i ka hana a pau a ke Akua i hana'i.
4 Ary izao no tantaran’ ny lanitra sy ny tany tamin’ ny namoronana azy, dia tamin’ ny nanaovan’ i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
Eia ka mooolelo no ka lani a me ka honua i ka wa i hanaia'i ia mau mea, i ka la a Iehova a ke Akua i hana'i i ka honua a me ka lani.
5 Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin’ ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin’ ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
A me na mea kanu a pau o ka mahiuaai, i ka wa aole ia maloko o ka honua, a mo na launahele a pau o ke kula mamua o kona ulu ana: no ka mea, aole i hooua mai o Iehova ko Akua i ka ua maluna o ka honua, aole hoi he kanaka nana e mahi ka aina.
6 nefa nisy zavona niakatra avy tamin’ ny tany ka nandena ny tany rehetra.
Aka, pii aku la ka ohu mai ka honua aku, a hoomau iho la i ka ili a pau o ka aina.
7 Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
Hana iho la o Iehova ke Akua i ke kanaka, he lepo o ka honua, a ha iho la ia i ka hanu ola iloko o na puka ihu ona; a lilo ae la ke kanaka i mea ola.
8 Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.
Kanu iho la o Iehova ke Akua i ka mahinaai maloko o Edena ma ka hikina; a malaila oia i hoonoho iho ai i ke kanaka ana i hana'i.
9 Ary nampanirin’ i Jehovah Andriamanitra teo amin’ ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’ aina teo afovoan’ ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Hooulu ae la o Iehova ke Akua i na laau a pau mailoko ae o ka honua, i na mea oluolu no ka maka, i na mea ono hoi ke ai; i ka laau o ke ola hoi iwaena konu o ka mahinaai, a me ka laau i ikea'i ka pono a me ka hewa.
10 Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:
Kahe ae la kekahi muliwai mai Edena aku e hoomau i ka mahinaai; a malaila aku, manamana ae la ia a lilo i eha mana.
11 Ny anaran’ ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
O Pisona ka inoa o ka mua: oia no ka mea o hoopuni ana i ka aina a pau o Havila, he wahi gula ia;
12 ary tsara ny volamena amin’ izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
A he maikai ke gula o ia aina: ilaila no ka deliuma a me ka pohaku onika.
13 Ary ny anaran’ ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
O Gihona ka inoa o ka lua o ka muliwai: oia ka mea e hoopuni ana i ka aina a pau o Aitiopa.
14 Ary ny anaran’ ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin’ i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
O Hidekela ka inoa o ke kolu o ka muliwai: oia ka mea e kahe ana ma ka aoao hikina o Asuria. A o Euperate ka inoa o ka ha o ka muliwai.
15 Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
Lawe ae la o Iehova ke Akua i ke kanaka, a hoonoho iho la ia ia ma ka mahinaai ma Edena, e mahi a e malama ia wahi.
16 Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ ny saha dia azonao ihinanana ihany;
Kauoha mai la o Iehova ke Akua i ke kanaka, i mai la, E ai wale oe i ko keia laau kela laau o ka mahinaai nei:
17 fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
Aka, o ko ka laau i ikea ai ka pono a me ka hewa, mai ai iho oe ia mea: no ka mea, i kou la e ai ai ia mea, he oiaio no e make oe.
18 Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
I iho la o Iehova ke Akua, Aole pono ke kanaka ke noho, oia wale; e hana no wau i kokoolua nona e ku ia ia.
19 Ary tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan’ aina rehetra, dia izany no anarany.
No ka lepo i hana'i o Iehova ke Akua i na holoholona a pau o ke kula, a me na manu a pau o ka lewa, a kai mai la ia lakou io Adamu la, i ikea na inoa a Adamu e kapa aku ai ia lakou: a o ka inoa a Adamu i kapa aku ai i na mea ola a pau, oia iho la kona inoa.
20 Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin’ ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
Kapa aku la o Adamu i na inoa no na holoholona laka a pau, a no na manu o ka lewa, a no na holoholona hihiu a pau; aka no Adamu, aole i loaa kona kokoolua e ku ia ia.
21 Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
Hookau mai la o Iehova ke Akua i ka hiamoe nui ia Adamu, a hiamoe iho la ia: unuhi ae la kela i kekahi iwiaoao ona, a hoopili iho la ia i ka io ma kona wahi.
22 Ary ny taolan-tehezana izay nalain’ i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
A o ka iwiaoao a Iehova ke Akua i unuhi mai ai noloko mai o ke kanaka, hana iho la oia ia mea i wahine, a alakai ae la ia ia i ke hanaka.
23 Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ ny taolako sy nofo avy amin’ ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
I aku la o Adamu, Oia nei no ka iwi o kuu mau iwi, a me ka io o kuu io; e kapaia oia nei, wahine, no ka mea, ua unuhiia ae oia mailoko ae o ke kane.
24 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.
No keia mea, e haalele aku ke kanaka i kona makuakane a me kona makuwahine, a e pili aku oia i kana wahine: a e lilo laua i io hookahi.
25 Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.
Aohe kapa o laua a elua, o ke kane a me kana wahine, aole hoi o laua hilahila.

< Genesisy 2 >