< Genesisy 19 >

1 Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin’ i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin’ ny tany.
And the two angels came to Sodom at even; and Lot sat in the gate of Sodom: and Lot saw them, and rose up to meet them; and he bowed himself with his face to the earth;
2 Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin’ izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
and he said, Behold now, my lords, turn aside, I pray you, into your servant’s house, and tarry all night, and wash your feet, and ye shall rise up early, and go on your way. And they said, Nay; but we will abide in the street all night.
3 Ary rehefa noteren’ i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.
And he urged them greatly; and they turned in unto him, and entered into his house; and he made them a feast, and did bake unleavened bread, and they did eat.
4 Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin’ ny tanora ka hatramin’ ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
But before they lay down, the men of the city, [even] the men of Sodom, compassed the house round, both young and old, all the people from every quarter;
5 dia niantso an’ i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.
and they called unto Lot, and said unto him, Where are the men that came in to thee this night? bring them out unto us, that we may know them.
6 Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
And Lot went out unto them to the door, and shut the door after him.
7 ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
And he said, I pray you, my brethren, do not so wickedly.
8 Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin’ ny tafon-tranoko izy.
Behold now, I have two daughters that have not known man; let me, I pray you, bring them out unto you, and do ye to them as is good in your eyes: only unto these men do nothing, forasmuch as they are come under the shadow of my roof.
9 Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin’ ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an’ i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
And they said, Stand back. And they said, This one fellow came in to sojourn, and he will needs be a judge: now will we deal worse with thee, than with them. And they pressed sore upon the man, even Lot, and drew near to break the door.
10 Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an’ i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana.
But the men put forth their hand, and brought Lot into the house to them, and shut to the door.
11 Dia nampanjambena ny mason’ ny lehilahy izay teo am-baravaran’ ny trano izy hatramin’ ny kely ka hatramin’ ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
And they smote the men that were at the door of the house with blindness, both small and great, so that they wearied themselves to find the door.
12 Ary hoy izy roa lahy tamin’ i Lota: Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin’ ity tanàna ity;
And the men said unto Lot, Hast thou here any besides? son-in-law, and thy sons, and thy daughters, and whomsoever thou hast in the city, bring them out of the place:
13 fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan’ i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy.
for we will destroy this place, because the cry of them is waxed great before Jehovah; and Jehovah hath sent us to destroy it.
14 Dia nivoaka Lota ary niteny tamin’ ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin’ ity tanàna ity; fa horavan’ i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon’ ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
And Lot went out, and spake unto his sons-in-law, who married his daughters, and said, Up, get you out of this place; for Jehovah will destroy the city. But he seemed unto his sons-in-law as one that mocked.
15 Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an’ i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna.
And when the morning arose, then the angels hastened Lot, saying, Arise, take thy wife, and thy two daughters that are here, lest thou be consumed in the iniquity of the city.
16 Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan’ izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon’ i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan’ ny tanàna.
But he lingered; and the men laid hold upon his hand, and upon the hand of his wife, and upon the hand of his two daughters, Jehovah being merciful unto him: and they brought him forth, and set him without the city.
17 Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin’ ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
And it came to pass, when they had brought them forth abroad, that he said, Escape for thy life; look not behind thee, neither stay thou in all the Plain; escape to the mountain, lest thou be consumed.
18 Ary hoy Lota taminy: Aza an’ izany, Tompo ô!
And Lot said unto them, Oh, not so, my lord:
19 indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
behold now, thy servant hath found favor in thy sight, and thou hast magnified thy lovingkindness, which thou hast showed unto me in saving my life; and I cannot escape to the mountain, lest evil overtake me, and I die:
20 indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
behold now, this city is near to flee unto, and it is a little one. Oh let me escape thither (is it not a little one?), and my soul shall live.
21 Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin’ izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.
And he said unto him, See, I have accepted thee concerning this thing also, that I will not overthrow the city of which thou hast spoken.
22 Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran’ ny tanàna hoe Zoara.
Haste thee, escape thither; for I cannot do anything till thou be come thither. Therefore the name of the city was called Zoar.
23 Ary ny masoandro efa niposaka tamin’ ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
The sun was risen upon the earth when Lot came unto Zoar.
24 Ary Jehovah nandatsaka tamin’ i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’ i Jehovah tany an-danitra,
Then Jehovah rained upon Sodom and upon Gomorrah brimstone and fire from Jehovah out of heaven;
25 ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin’ ny tany.
and he overthrew those cities, and all the Plain, and all the inhabitants of the cities, and that which grew upon the ground.
26 Fa ny vadin’ i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
But his wife looked back from behind him, and she became a pillar of salt.
27 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin’ ilay efa nijanonany teo anatrehan’ i Jehovah;
And Abraham gat up early in the morning to the place where he had stood before Jehovah:
28 ary nitsinjo an’ i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.
and he looked toward Sodom and Gomorrah, and toward all the land of the Plain, and beheld, and, lo, the smoke of the land went up as the smoke of a furnace.
29 Ary raha noravan’ Andriamanitra ny tanàna tany amin’ ny tany lemaka, dia nahatsiaro an’ i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an’ i Lota hiala teo afovoan’ ny horavana, tamin’ ny nandravany ny tanàna izay nonenan’ i Lota.
And it came to pass, when God destroyed the cities of the Plain, that God remembered Abraham, and sent Lot out of the midst of the overthrow, when he overthrew the cities in which Lot dwelt.
30 Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
And Lot went up out of Zoar, and dwelt in the mountain, and his two daughters with him; for he feared to dwell in Zoar: and he dwelt in a cave, he and his two daughters.
31 Ary hoy ny vavimatoa tamin’ ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin’ ny tany hanambady antsika araka ny fanaon’ ny tany rehetra;
And the first-born said unto the younger, Our father is old, and there is not a man in the earth to come in unto us after the manner of all the earth:
32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.
come, let us make our father drink wine, and we will lie with him, that we may preserve seed of our father.
33 Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin’ iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.
And they made their father drink wine that night: and the first-born went in, and lay with her father; and he knew not when she lay down, nor when she arose.
34 Ary nony ampitson’ iny dia hoy ny vavimatoa tamin’ ny zandriny: Indro, efa nandry tamin’ ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.
And it came to pass on the morrow, that the first-born said unto the younger, Behold, I lay yesternight with my father: let us make him drink wine this night also; and go thou in, and lie with him, that we may preserve seed of our father.
35 Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin’ iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.
And they made their father drink wine that night also: and the younger arose, and lay with him; and he knew not when she lay down, nor when she arose.
36 Dia samy nanan’ anaka tamin-drainao ny zanak’ i Lota roa vavy.
Thus were both the daughters of Lot with child by their father.
37 Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain’ ny Moabita mandraka androany.
And the first-born bare a son, and called his name Moab: the same is the father of the Moabites unto this day.
38 Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain’ ny taranak’ i Amona mandraka androany.
And the younger, she also bare a son, and called his name Ben-ammi: the same is the father of the children of Ammon unto this day.

< Genesisy 19 >