< Genesisy 18 >

1 Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrahama teo an-kazo terebintan’ i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran’ ny lainy izy, raha nafana ny andro;
Bwana akamtokea Abrahamu karibu na mialoni ya Mamre wakati alipokuwa ameketi kwenye ingilio la hema lake wakati wa adhuhuri.
2 dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ ny tany
Abrahamu akainua macho akaona watu watatu wamesimama karibu naye. Alipowaona, aliharakisha kutoka kwenye ingilio la hema lake kuwalaki na kuwasujudia hadi nchi.
3 ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.
Akasema, “Kama nimepata kibali machoni penu, ee bwana wangu, usimpite mtumishi wako.
4 Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo;
Acha yaletwe maji kidogo, kisha ninyi nyote mnawe miguu yenu na mpumzike chini ya mti huu.
5 dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin’ ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.
Niruhusuni niwapatie chakula kidogo mle, ili mpate nguvu mwendelee na safari yenu, kwa kuwa mmekuja kwa mtumishi wenu.” Nao wakamjibu, “Vema sana, fanya kama unavyosema.”
6 Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin’ i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon’ ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.
Hivyo Abrahamu akaharakisha akaingia hemani kwa Sara, akamwambia, “Chukua vipimo vitatu vya unga laini haraka, ukande na uoke mikate.”
7 Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin’ ny omby, dia naka zanak’ omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
Kisha Abrahamu akakimbia kwenda kwenye kundi, akachagua ndama mzuri, laini na akampa mtumishi, ambaye aliharakisha kumtayarisha.
8 Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak’ omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan’ izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin’ ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.
Kisha akaleta jibini, maziwa na nyama ya yule ndama iliyoandaliwa, akaviweka mbele ya wageni. Walipokuwa wakila, alisimama karibu nao chini ya mti.
9 Ary hoy izy telo lahy tamin’ i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.
Wakamuuliza, “Yuko wapi Sara mkeo?” Akasema, “Yuko huko, ndani ya hema.”
10 Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran’ ny lay, izay teo ivohon’ Ilay niteny.
Kisha Bwana akasema, “Hakika nitakurudia tena majira kama haya mwakani na Sara mkeo atakuwa ana mwana.” Sara alikuwa akiwasikiliza kwenye ingilio la hema, lililokuwa nyuma yake.
11 Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin’ ny fombam-behivavy Saraha.
Abrahamu na Sara walikuwa wazee tena waliosogea miaka, naye Sara alikuwa amekoma katika desturi ya wanawake.
12 Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy?
Hivyo Sara akacheka kimoyomoyo alipokuwa akiwaza, “Baada ya mimi kuwa mkongwe hivi na bwana wangu amezeeka, je, nitaweza kufurahia jambo hili?”
13 Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao?
Ndipo Bwana akamwambia Abrahamu, “Kwa nini Sara amecheka na kusema, ‘Kweli nitazaa mtoto nami sasa ni mzee?’
14 Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va? Amin’ ny fotoan’ andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
Je, kuna jambo lolote gumu lisilowezekana kwa Bwana? Nitakurudia mwakani majira kama haya, naye Sara atakuwa na mwana.”
15 Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao.
Sara akaogopa kwa kuwa alidanganya na kusema, “Mimi sikucheka.” Lakini Bwana akasema, “Ndiyo, ulicheka!”
16 Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an’ i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.
Wakati watu hao waliposimama ili waondoke, walielekeza nyuso zao Sodoma, Abrahamu akawatoa kitambo kidogo ili awasindikize.
17 Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin’ i Abrahama va izay hataoko?
Ndipo Bwana akasema, “Je, nimfiche Abrahamu jambo ninalokusudia kufanya?
18 Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Hakika Abrahamu atakuwa taifa kubwa na lenye nguvu, kupitia kwake mataifa yote ya dunia yatabarikiwa.
19 Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ ireo ny lalàn’ i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’ i Jehovah amin’ i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
Kwa maana nimemchagua yeye, ili awaongoze watoto wake na jamaa yake kufuata njia ya Bwana, kwa kuwa waadilifu na kutenda haki, ili Bwana atimize ahadi yake kwa Abrahamu.”
20 Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan’ i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;
Basi Bwana akasema, “Kilio dhidi ya Sodoma na Gomora ni kikubwa sana na dhambi yao inasikitisha sana,
21 hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.
kwamba nitashuka nione kama waliyoyatenda ni mabaya kiasi cha kilio kilichonifikia. Kama sivyo, nitajua.”
22 Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ i Jehovah.
Basi wale watu wakageuka wakaenda kuelekea Sodoma, lakini Abrahamu akabaki amesimama mbele za Bwana.
23 Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin’ ny meloka va ny marina?
Ndipo Abrahamu akamsogelea akasema: “Je, utawaangamiza wenye haki na waovu?
24 Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?
Je, ikiwa watakuwepo watu wenye haki hamsini katika mji huo, hivi kweli utauangamiza na wala hutauacha kwa ajili ya hao watu hamsini wenye haki waliomo ndani yake?
25 Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
Hilo na liwe mbali nawe, kufanya jambo kama hilo, kuwaua wenye haki pamoja na waovu, kuwatendea wenye haki sawasawa na waovu. Iwe mbali nawe! Je, Mwamuzi wa dunia yote hatafanya lililo sawa?”
26 Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny.
Bwana akasema, “Kama nikipata watu hamsini wenye haki katika mji wa Sodoma, nitausamehe huo mji wote kwa ajili yao.”
27 Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin’ ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:
Kisha Abrahamu akasema tena: “Sasa kwa kuwa nimekuwa na ujasiri wa kuzungumza na Bwana, ingawa mimi si kitu bali ni mavumbi na majivu;
28 Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.
je, kama hesabu ya wenye haki imepungua watano katika hamsini, utauangamiza huo mji wote kwa ajili ya hao watano waliopungua?” Bwana akamwambia, “Kama nikiwakuta huko watu arobaini na watano, sitauangamiza.”
29 Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.
Abrahamu akazungumza naye kwa mara nyingine, “Je, kama huko watapatikana watu arobaini tu?” Akamjibu, “Kwa ajili ya hao arobaini, sitauangamiza.”
30 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
Ndipo akasema, “Bwana na asikasirike, lakini niruhusu nizungumze. Je, kama huko watakuwepo thelathini tu?” Akajibu, “Sitapaangamiza ikiwa nitawakuta huko watu thelathini.”
31 Ary hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin’ ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo.
Abrahamu akasema, “Sasa kwa kuwa nimekuwa na ujasiri sana kuzungumza na Bwana, je, kama wakipatikana huko watu ishirini tu?” Bwana akajibu, “Kwa ajili ya hao ishirini, sitauangamiza.”
32 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.
Abrahamu akasema, “Bwana na asikasirike, lakini niruhusu nizungumze tena mara moja tu. Itakuwaje kama watapatikana huko watu kumi tu?” Bwana akajibu, “Kwa ajili ya hao kumi, sitauangamiza.”
33 Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin’ ny fonenany.
Bwana alipomaliza kuzungumza na Abrahamu, akaondoka, naye Abrahamu akarudi nyumbani kwake.

< Genesisy 18 >