< Genesisy 16 >
1 Ary Saray, vadin’ i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
To, Saira, matar Abram, ba tă haifa masa’ya’ya ba. Amma tana da wata baiwa mutuniyar Masar mai suna Hagar,
2 Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin’ ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken’ i Abrama ny tenin’ i Saray.
saboda haka sai ta ce wa Abram, “Ubangiji ya hana mini haihuwar’ya’ya. Tafi ka kwana da baiwata; wataƙila in sami iyali ta wurinta.” Abram kuwa ya yarda da abin da Saira ta faɗa.
3 Ary rehefa nonina folo taona teo amin’ ny tany Kanana Abrama, dia nalain’ i Saray, vadin’ i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an’ i Abrama vadiny mba hovadiny.
Saboda haka bayan Abram ya yi zama a Kan’ana shekaru goma, Saira matarsa ta ɗauki Hagar baiwarta ta ba wa mijinta tă zama matarsa.
4 Dia nivady tamin’ i Hagara izy, ka nanan’ anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.
Abram kuwa ya kwana da Hagar, ta kuma yi ciki. Sa’ad da Hagar ta gane tana da ciki, sai ta fara rena uwargijiyarta.
5 Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
Sai Saira ta ce wa Abram, “Kai ne da alhakin wahalan nan da nake sha. Na sa baiwata a hannunka, yanzu da ta sani tana da ciki, sai ta fara rena ni. Bari Ubangiji yă shari’anta tsakanina da kai.”
6 Ary hoy Abrama tamin’ i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin’ i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
Abram ya ce, “Baiwarki tana a hannunki? Ki yi da ita yadda kika ga ya fi kyau.” Sai Saira ta wulaƙanta Hagar; saboda haka ta gudu daga gare ta.
7 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nahita azy teo anilan’ ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan’ ilay loharano eo amin’ ny lalana mankany Sora.
Mala’ikan Ubangiji ya sami Hagar kusa da maɓulɓula a jeji, ita ce maɓulɓular da take gefen hanya zuwa Shur.
8 Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin’ i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan’ i Saray tompovaviko aho.
Ya kuma ce mata, “Hagar, baiwar Saira, daga ina kika fito, kuma ina za ki?” Ta amsa ta ce, “Ina gudu ne daga wurin uwargijiyata Saira.”
9 Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Miverena any amin’ ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.
Sai mala’ikan Ubangiji ya ce mata, “Koma wurin uwargijiyarki Saira, ki yi mata biyayya.”
10 Ary hoy koa Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.
Mala’ikan ya ƙara da cewa, “Zan ƙara zuriyarki har su yi yawan da ba wanda zai iya lasafta su.”
11 Ary hoy indray Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Indro, manan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
Mala’ikan Ubangiji ya kuma ce mata, “Ga shi kina da ciki za ki kuwa haifi ɗa. Za ki ba shi suna Ishmayel, gama Ubangiji ya ga wahalarki.
12 Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin’ ny rahalahiny rehetra izy.
Zai zama mutum mai halin jakin jeji. Hannunsa zai yi gāba da kowa, hannun kowa kuma zai yi gāba da shi. Zai yi zama gāba ga dukan’yan’uwansa.”
13 Ary Hagara nanao ny anaran’ i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ ny fahitana?
Sai ta ba wa Ubangiji wanda ya yi magana da ita, wannan suna. “Kai Allah ne wanda yake ganina,” gama ta ce, “Yanzu na ga wanda yake ganina.”
14 Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan’ i Kadesy sy Bareda izany.
Shi ya sa ake kira rijiyar Beyer-Lahai-Royi tana nan har yanzu, tsakanin Kadesh da Bered.
15 Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin’ i Abrama; ary ny anaran’ ny zanany izay naterany dia nataon’ i Abrama hoe Isimaela.
Haka fa Hagar ta haifa wa Abram ɗa, Abram kuwa ya ba da suna Ishmayel ga ɗan da ta haifa.
16 Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an’ Isimaela taminy.
Abram yana da shekaru 86 sa’ad da Hagar ta haifa masa Ishmayel.