< Genesisy 15 >

1 Rehefa afaka izany, dia tonga tamin’ i Abrama ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
Baada ya mabo haya neno la Yahwe likamjia Abram katika maono, likisema, “Usiogope, Abram! mimi ni ngao yako na thawabu yako kubwa sana.”
2 Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
Abram akasema, “Bwana Yahwe, utanipatia nini, kwa kuwa naenda bila mtoto, na mrithi wa nyumba yangu ni Eliezeri wa Dameski?”
3 Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin’ ny ato an-tranoko no handova ahy.
Abram akasema, “Kwakuwa hujanipatia uzao, tazama, mwangalizi wa nyumba yangu ndiye mrithi wangu.”
4 Ary, indro, ny tenin’ i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.
Kisha, tazama, neno la Yahwe likaja kwake, kusema, “Mtu huyu hatakuwa mrithi wako; isipokuwa atakaye toka katika mwili wako ndiye atakuwa mrithi wako.”
5 Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan’ ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
Kisha akamtoa nje, na akasema, Tazama mbinguni, na uzihesabu nyota, ikiwa unaweza kuzihesabu.” Kisha akamwambia, hivyo ndivyo uzao wako utakavyokuwa.
6 Ary nino an’ i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
Akamwamini Yahwe, na akamuhesabia jambo hili kuwa mwenye haki.
7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.
Akamwambia, Mimi ni Yahwe, niliye kutoa katika Uru ya Wakaldayo, na kukupatia nchi hii kuirithi.”
8 Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?
Akasema, “Bwana Yahwe, nitajua je kuwa nitairithi?”
9 Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
Kisha akamwambia, “Nipatie ndama wa umri wa miaka mitatu, mbuzi mke wa umri wa miaka mitatu, na kondoo mume wa umri wa miaka mitatu, na njiwa na mwana njiwa.”
10 Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
Akamletea hivi vyote, akavipasua katika sehemu mbili, akaweka kila kipande kuelekea mwenzake, ila ndege hakuawapasua.
11 Ary nidina teo amin’ ny fatin’ ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
Wakati ndege walipokuja juu ya mizoga, Abram akawafukuza.
12 Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
Kisha wakati jua lilipokuwa likizama, Abram akalala usingizi mzito na tazama, hofu ya giza kuu ikamfunika.
13 Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
Kisha Yahwe akamwambia Abram, “Ujuwe kwa hakika kwamba uzao wako watakuwa wageni katika nchi ambayo si ya kwao, na watatumikishwa na kuteswa kwa miaka mia nne.
14 Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
Nitahukumu taifa ambalo watalitumikia, na baadye watatoka wakiwa na mali nyingi.
15 Nefa ianao kosa ho any amin’ ny razanao amin’ ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry.
Lakini utakwenda kwa baba zako kwa amani, na utazikwa katika uzee mwema.
16 Fa raha mby amin’ ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
Katika kizazi cha nne watakuja tena hapa, kwa sababu uovu wa Waamori haujafikia mwisho wake.”
17 Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan’ ireo zavatra voasasaka ireo.
Jua lilipokuwa limezama na kuwa giza, tazama, chungu cha moshi wenye moto na miali ya mwanga ilipita kati ya vile vipande.
18 Tamin’ izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ ny onin’ i Egypta ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
Siku hiyo Yahwe akafanya agano na Abram, akisema, “Ninatoa nchi hii kwa uzao wako, kutoka mto wa Misri hadi kwenye mto mkuu, Frati -
19 dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
Mkeni, Mkenizi, na Mkadmoni,
20 ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaïta
Mhiti, Mperizi, Mrefai,
21 ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
Mwamori, Mkanaani, Mgirgashi, na Myebusi.

< Genesisy 15 >