< Genesisy 14 >
1 Ary tamin’ ny andron’ i Amrafela, mpanjakan’ i Sinara, sy Arioka, mpanjakan’ i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan’ i Elama, ary Tidala, mpanjakan’ ny Goïma,
Ikiwa katika siku za Amrafeli, mfalme wa shinari, Arioko, mfalme wa Elasari, Kedorlaoma, mfalme wa Elam na Tidali, mfalme wa Goimu,
2 dia nandeha izy ireo ka nanafika an’ i Bera, mpanjakan’ i Sodoma, sy Birsa, mpanjakan’ i Gomora, sy Sinaba, mpanjakan’ i Adma, sy Semebera, mpanjakan’ i Zeboïma, ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany).
walifanya vita dhidi ya Bera mfalme wa Sodoma, Birsha, mfalme wa Gomora, Shinabu, mfalme wa Adma, Shemeberi, mfalme wa Seboim, na mfalme wa Bela(pia ikiitwa Soari).
3 Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’ i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
Hawa wafalme watano wa mwisho waliungana pamoja katika bonde la Sidim (pia likiitwa bahari ya chumvi).
4 Fa efa nanompo an’ i Kedorlaomera roa ambin’ ny folo taona ireo, fa tamin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo kosa dia niodina izy.
Kwa miaka kumi na mbili walimtumikia Kedorlaoma, lakini katika mwaka wa kumi na tatu waliasi.
5 Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaïta tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
Kisha katika mwaka wa kumi na nne, Kedorlaoma na wafalme waliokuwa pamoja nae walikuja na kuwashambulia Warefai katika Ashteroth Karnaimu, na Wazuzi katika Hamu, Waemi katika Shawe Kiriathaimu,
6 ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seïra hatrany El-parana, izay eo anilan’ ny efitra.
na Wahori katika mlima wao wa Seiri, mpaka El Parani iliyo karibu na jangwa.
7 Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
Kisha wakarudi wakaja En Misifati (Pia ikiitwa Kadeshi), na kuishinda nchi yote ya Waamaleki, na pia Waamori ambao waliishi Hasasoni Tamari.
8 Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora sy ny mpanjakan’ i Adma sy ny mpanjakan’ i Zeboïma ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin’ ireo teo an-dohasahan’ i Sidima,
Kisha mfalme wa Sodoma, mfalme wa Gomora, mfalme wa Adma, mfalme wa Seboim, na mfalme wa Bela (pia ikiitwa Soari) walikwenda na kuandaa vita
9 dia tamin’ Kedorlaomera, mpanjakan’ i Elama, sy Tidala, mpanjakan’ ny Goïma sy Amrafela, mpanjakan’ i Sinara ary Arioka, mpanjakan’ i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin’ ny mpanjaka dimy.
dhidi ya Kadorlaoma, mfalme wa Elam, Tidali mfalme wa Goim, Amrafeli, mfalme wa Shinari, Arioki, mfalme wa Elasari; wafme wanne dhidi ya wale watano.
10 Ary ny lohasahan’ i Sidima, dia be lavak’ asfalta, ary nandositra ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
Na sasa bonde la Sidimu lilikuwa limejaa mashimo ya lami, na wafalme wa Sodoma na Gomora walipokimbia, wakaanguka pale. Wale waliosalia wakakimbilia milimani.
11 Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra, dia lasa nandeha.
Kwa hiyo adui akachukua mali zote za Sodoma na Gomora na vyakula vyao vyote, na wakaenda zao,
12 Ary namabo ny zana-drahalahin’ i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin’ ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
walipoondoka, wakamchukua pia Lutu, mtoto wa ndugu yake na Abram ambaye aliishi Sodoma, pamoja na mali zake zote.
13 Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’ i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre Amorita, rahalahin’ i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’ i Abrama.
Mmoja ambaye alitoroka alikuja na kumwambia Abram mwebrania. Alikuwa anaishi katika mialoni ya Mamre, mwamori ambaye alikuwa ni ndugu wa Eshkoli na Aneri ambao walikuwa washirika wa Abram.
14 Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin’ ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika hatrany Dana.
Abram aliposikia kuwa maadui wamemteka ndugu yake, akawaongoza wanaume waliofunzwa na kuzaliwa nyumbani mwake 318 na akawaongoza hadi Dani.
15 Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr’ i Damaskosy.
Akawagawanya watu wake dhidi yao usiku na kuwavamia, na kuwafukuza mpaka Hoba, ambayo iko kaskazini mwa Dameski.
16 Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin’ ny vehivavy sy ny vahoaka.
Kisha akarudisha mali zote, pia akamrudisha ndugu yake Lutu na mali zake, pamoja na wanawake na watu wengine.
17 Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma hitsena an’ i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan’ ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an’ i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
Baada ya Abram kurudi kutoka kumpiga Kadorlaoma na wafalme waliokuwa pamoja nae, mfalme wa Sodoma akatoka kuonana nae katika bonde la Shawe (pia iliitwa bonde la mfalme).
18 Ary Melkizedeka, mpanjakan’ i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra.
Melkizedeki, mfalme wa Salem, akaleta mkate na divai. Alikuwa ni kuhani wa Mungu aliye juu sana.
19 Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin’ Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
Alimbariki akisema, “Abarikiwea Abram na Mungu aliye juu sana, muumba wa mbingu na nchi.
20 Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen’ i Abrama azy ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra.
Abarikiwe Mungu aliye juu sana, ambaye amekupatia adui zako katika mikono yako.” Kisha Abram akampatia sehemu ya kumi ya kila kitu.
21 Ary hoy ny mpanjakan’ i Sodoma tamin’ i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
Mfalme wa Sodama akamwambia Abram, “Nipatie watu, na ujichukulie wewe mwenyewe mali.”
22 Fa hoy Abrama tamin’ ny mpanjakan’ i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin’ i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
Abram akamwambia mfalme wa Sodoma, “Nimeinua juu mkono wangu kwa Yahwe, Mungu aliye juu sana, muumbaji wa mbingu na nchi,
23 fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’ izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an’ i Abrama,
kwamba sitachukua uzi wala gidamu ya kiatu, au kitu chochote ambacho ni chako, 'ili kwamba usiseme, nimemfanya Abram kuwa tajiri.'
24 afa-tsy izay efa nohanin’ ny zatovo sy ny anjaran’ ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin’ ireo ny anjarany.
Sitachukua chochote isipokuwa kile ambacho vijana wamekula na sehemu za watu waliokwenda nami. Aneri, Eskoli, na Mamre na wachukue sehemu zao.”