< Genesisy 13 >
1 Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin’ ny tany atsimo.
2 Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman’ ondry sy volafotsy ary volamena.
3 Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin’ ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan’ ny lainy tamin’ ny voalohany, teo anelanelan’ i Betela sy Ay,
4 dia teo amin’ ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ ny voalohany; ary dia niantso ny anaran’ i Jehovah teo Abrama.
5 Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin’ i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
6 Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
7 Dia niady ny mpiandry ombin’ i Abrama sy ny mpiandry ombin’ i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
8 Ary hoy Abrama tamin’ i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
9 Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
10 Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ ny nandravan’ i Jehovah an’ i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
11 Dia nofidin’ i Lota ho azy ny tany rehetra amoron’ i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
12 Ary Abrama nonina tao amin’ ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin’ ny tany amoron’ i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
13 Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’ i Jehovah.
14 Ary Jehovah niteny tamin’ i Abrama taorian’ ny nisarahan’ i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
15 fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
16 Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
17 Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin’ ny lavany sy any amin’ ny sakany; fa homeko anao izy.
18 Ary Abrama nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah izy.