< Genesisy 13 >
1 Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin’ ny tany atsimo.
Saboda haka Abram ya haura daga Masar zuwa Negeb tare da matarsa, da dukan abin da yake da shi tare da Lot.
2 Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman’ ondry sy volafotsy ary volamena.
Abram ya azurta ƙwarai da dabbobi, da azurfa, da kuma zinariya.
3 Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin’ ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan’ ny lainy tamin’ ny voalohany, teo anelanelan’ i Betela sy Ay,
Daga Negeb, ya ci gaba da tafiyarsa a wurare dabam-dabam har ya kai tsakanin Betel da Ai, a inda dā ya kafa tentinsa na fari
4 dia teo amin’ ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ ny voalohany; ary dia niantso ny anaran’ i Jehovah teo Abrama.
da kuma inda dā ya gina bagade. A can Abram ya kira bisa sunan Ubangiji.
5 Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin’ i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
Lot wanda yake tafiya tare da Abram, shi ma yana da garken shanu da tumaki da kuma tentuna.
6 Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
Wannan ya sa har ƙasar ba tă ishe su yayinda suke zama tare ba, saboda mallakarsu ta yi yawa har ba za su iya zama tare ba.
7 Dia niady ny mpiandry ombin’ i Abrama sy ny mpiandry ombin’ i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
Rikici kuma ya tashi tsakanin masu kiwon dabbobin Abram da na Lot. Mazaunan ƙasar, a lokacin kuwa Kan’aniyawa da Ferizziyawa ne.
8 Ary hoy Abrama tamin’ i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
Saboda haka Abram ya ce wa Lot, “Kada mu bar rikici yă shiga tsakaninmu, ko kuma tsakanin masu kiwon dabbobinka da nawa, gama mu’yan’uwa ne.
9 Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
Ba ga dukan ƙasar tana gabanka ba? Bari mu rabu. In ka yi hagu sai ni in yi dama. In ka yi dama, sai ni in yi hagu.”
10 Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ ny nandravan’ i Jehovah an’ i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
Lot ya ɗaga idanunsa sama ya dubi kwarin Urdun, sai ya ga kwarin yana da ciyawa mai kyau ƙwarai sai ka ce lambun Ubangiji, kamar ƙasar Masar, wajajen Zowar. (Wannan fa kafin Ubangiji yă hallaka Sodom da Gomorra.)
11 Dia nofidin’ i Lota ho azy ny tany rehetra amoron’ i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
Saboda haka sai Lot ya zaɓar wa kansa dukan kwarin Urdun, ya tashi ya nufi wajen gabas. Haka fa suka rabu da juna.
12 Ary Abrama nonina tao amin’ ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin’ ny tany amoron’ i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
Abram ya zauna a ƙasar Kan’ana, yayinda Lot ya zauna cikin biranen kwari, ya kafa tentunansa kusa da Sodom.
13 Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’ i Jehovah.
Mutanen Sodom kuwa mugaye ne, sun aikata zunubi ƙwarai ga Ubangiji.
14 Ary Jehovah niteny tamin’ i Abrama taorian’ ny nisarahan’ i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
Bayan Lot ya rabu da Abram, sai Ubangiji ya ce wa Abram, “Ɗaga idanunka daga inda kake, ka dubi arewa da kudu, gabas da yamma.
15 fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
Dukan ƙasar da kake gani zan ba ka, kai da zuriyarka har abada.
16 Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Zan sa zuriyarka tă yi yawa kamar ƙurar ƙasa, har in wani yana iya ƙidaya ƙurar, to, za a iya ƙidaya zuriyarka.
17 Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin’ ny lavany sy any amin’ ny sakany; fa homeko anao izy.
Tafi, ka ratsa tsawo da fāɗin ƙasar, gama zan ba ka ita.”
18 Ary Abrama nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah izy.
Saboda haka Abram ya cire tentunansa, ya zo ya zauna kusa da manyan itatuwan Mamre a Hebron, inda ya gina bagade ga Ubangiji.