< Genesisy 10 >
1 Ary izao no taranaky ny zanakalahin’ i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian’ ny safo-drano.
Eyinom ne Noa mmabarima: Wɔne Sem, Ham ne Yafet asefo. Wɔwowoo mmabarima nsuyiri no akyi.
2 Ny zanakalahin’ i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
Yafet asefo ni: Gomer, Magog, Media, Yawan, Tubal, Mesek ne Tiras.
3 Ary ny zanakalahin’ i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
Gomer asefo ni: Askenas, Rifat ne Togarma.
4 Ary ny zanakalahin’ i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
Yawan asefo ni: Elisa, Tarsis, Kitim ne Rodanim.
5 Avy tamin’ ireo no niavakavahan’ ny nosin’ ny firenena tany amin’ ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin’ ny fireneny avy.
Na wɔn asefo bɛyɛɛ po so adwumayɛfo wɔ nsase ahorow so a na abusuakuw biara ka ne kasa nko.
6 Ary ny zanakalahin’ i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
Ham asefo ni: Kus, Misraim, Put ne Kanaan.
7 Ary ny zanakalahin’ i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin’ i Ragama dia Seba sy Dedana.
Kus asefo ni: Seba, Hawila, Sabta, Raama ne Sabteka. Na Raama asefo nso ne: Saba ne Dedan.
8 Ary Kosy niteraka an’ i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ ny tany.
Kus woo Nimrod. Na Nimrod bɛyɛɛ ɔkofo kɛse wɔ asase so.
9 Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan’ i Jehovah, ka izany no nanaovan’ ny olona hoe: Tahaka an’ i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan’ i Jehovah.
Na ɔyɛ ɔbɔmmɔfo kɛse a Awurade ahyira no, na wɔbɔ ne din ka asɛm. Na obiara a ɔyɛ akokodurusɛm no, wɔde no toto Nimrod a na ɔyɛ ɔbɔmmɔfo kɛse a Awurade ahyira no no ho.
10 Ary ny niandohan’ ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin’ ny tany Sinara.
Nʼahenni fii ase wɔ Babilonia, Erek, Akad ne Kalne a ne nyinaa wɔ Sinear asase so.
11 Ary nivoaka avy tamin’ izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an’ i Ninive mbamin’ i Rehobot-ira sy Kala
Ofii saa asase no so trɛw nʼahenni mu kɔɔ Asiria, kɔkyekyeree Ninewe. Rehobot-Ir, Kala ne
12 ary Resena teo anelanelan’ i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
Resen a ɛda Ninewe ne Kala ntam; ɛno na ɛyɛ kurow kɛse wɔ saa ahemman no mu.
13 Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
Na Misraim woo Ludfo, Anamfo, Lehabfo, Naftuhfo,
14 sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian’ ny Filistina ary ny Kaftorita.
Patrusfo, Kasluhfo ne Kaftorfo a wɔn ase na Filistifo fi.
15 Ary Kanana niteraka an’ i Sidona lahimatoany sy Heta,
Na Kanaan woo nʼabakan Sidon ne Het.
16 ary ny Jebosita, sy ny Amorita sy ny Girgasita
Yebusifo, Amorifo, Girgasifo,
17 sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
Hewifo, Arkifo, Sinifo,
18 sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen’ ny Kananita.
Arwadfo, Semarifo ne Hematifo. Akyiri no, Kanaanfo mmusua no petee.
19 Ary ny fari-tanin’ ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’ i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin’ i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboïma.
Kanaan nsase ahye trɛw fii Sidon koduu Gerar de kosii Gasa koduu Sodom ne Gomora, Adma, Seboim de kosi Lasa.
20 Ireo no zanak’ i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ ny taniny, amin’ ny fireneny.
Eyinom ne Ham asefo a wɔn mmusuakuw, wɔn kasa, wɔn nsase ne wɔn aman da wɔn adi.
21 Dia niteraka koa Sema, rain’ ny zanak’ i Ebera rehetra rahalahin’ i Jafeta, izay zokiny.
Sem a na ne nua panyin ne Yafet no nso woo mmabarima. Sem nananom ne Eber mma.
22 Ny zanakalahin’ i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
Sem asefo ni: Elam, Asur, Arfaksad, Lud ne Aram.
23 Ary ny zanakalahin’ i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
Aram asefo ni: Us, Hul, Geter ne Mas.
24 Ary Arpaksada niteraka an’ i Sela; ary Sela niteraka an’ i Ebera.
Na Arfaksad woo Sela, na Sela woo Eber.
25 Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran’ ny iray natao hoe Palega, satria tamin’ ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ ny rahalahiny.
Eber woo mmabarima baanu. Wɔtoo ɔbaako din Peleg a ase kyerɛ Nkyekyɛmu, efisɛ nʼawobere mu na kasa ahorow nti, nnipa a wɔwɔ asase so mu kyekyɛe ma wɔhwetee. Na wɔtoo ne nua a ɔka ne ho no din Yoktan.
26 Ary Joktana niteraka an’ i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
Yoktan woo Almodada, Selef, Hasarmawet, Yera,
27 sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
Hadoram, Usal, Dikla,
28 sy Obala sy Abimaela sy Sheba
Obal, Abimael, Seba,
29 sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Joktana.
Ofir, Hawila ne Yobab.
30 Ary ny fonenan’ ireo dia hatrany Mesa ao akaikin’ i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
Asase a wɔte so no trɛw fi Mesa kosi Sefar, ɔmantam a ɛda bepɔw so wɔ apuei fam no.
31 Ireo no zanak’ i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ ny taniny, araka ny fireneny.
Eyinom ne Sem mmabarima, sɛnea wɔn mmusua ne wɔn kasa, wɔn nsase ne wɔn amanaman te no.
32 Ireo no mpianakavin’ ny zanak’ i Noa, araka ny taranany, amin’ ny fireneny; ary avy tamin’ ireo no niavakavahan’ ny firenena tambonin’ ny tany taorian’ ny safo-drano.
Eyinom ne Noa mmabarima mmusua, sɛnea wɔn awo ntoatoaso te wɔ wɔn amanaman mu. Na efi eyinom mu na nsuyiri no akyi no amanaman petee asase so.