< Galatiana 5 >

1 Ho amin’ ny fahafahana no nanafahan’ i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ ny zioga fanandevozana intsony.
Стойте, прочее, твърдо в свободата, за която Христос ни освободи, и не се заплитайте отново в робско иго.
2 Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
Ето, аз, Павел, ви казвам, че ако се обрязвате Христос никак нямя да ви ползува.
3 Ary lazaiko marina indray amin’ ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.
Да! повторно заявявам на всеки човек, който се обрязва, че е длъжен да ивпълни целия закон.
4 Dia tafasaraka amin’ i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ ny lalàna; efa lavo niala tamin’ ny fahasoavana ianareo.
Вие, които желаете да се оправдавате чрез закона сте се отлъчили от Христа, отпаднали сте от благодатта.
5 Fa izahay amin’ ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana.
Защото ние чрез Духа ожидаме оправданието чрез вяра, за което се надяваме.
6 Fa ao amin’ i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana.
Понеже в Христа Исуса нито обрязването има някаква сила, нито необрязването, но вяра, която действува чрез любов.
7 Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
Вие вървяхте добре; кой ви попречи да не бъдете послушни на истината?
8 Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin’ ilay miantso anareo.
Това убеждение не беше от Онзи, Който ви е призовал.
9 Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
Малко квас заквасва цялото тесто.
10 Izaho matoky anareo ao amin’ ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan’ ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
Аз съм уверен за вас в Господа, че няма да помислите другояче; а който ви смущава, той ще понесе своето наказание, който и да е бил той.
11 Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
И аз братя, защо още да бъда гонен, ако продължавам да проповядвам обрязване? защото тогава съблазънта на кръста би се махнала.
12 Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo.
Дано се отсечеха ония, които ви разколебават.
13 Fa efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ ny fitiavana.
Защото вие, братя, на свободата бяхте призовани; само не употребявайте свободата си като повод за угаждане на плътта, но с любов служете си един на друг.
14 Fa tanteraka amin’ ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Защото целият закон се изпълнява в една дума, сиреч в тая "Да обичаш ближния си както себе си".
15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
Но ако се хапете и се ядете един друг, пазете се да не би един друг да се изтребите.
16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo ianareo.
Прочее казвам: Ходете по Духа и няма да угаждате на плътските страсти.
17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
Защото плътта силно желае противното на Духа, а Духът противното на плътта; понеже те се противят едно на друго, за да можете да правите това, което искате.
18 Fa raha tarihin’ ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ ny lalàna.
Но ако се водите от Духа, не сте под закон.
19 Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
А делата на плътта са явни; те са: блудство, нечистота, сладострастие,
20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
идолопоклонство, чародейство, вражди, разпри, ревнования, ярости, партизанства, раздори, разцепления,
21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra.
зависти, пиянства, пирувания и там подобни; за които ви предупреждавам, че които вършат такива работи, няма да наследят Божието царство.
22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
А плодът на Духа е: любов, радост, мир, дълготърпение, благост, милост, милосърдие, вярност,
23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
кротост, себеобуздание; против такива неща няма закон.
24 Fa izay an’ Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filany tamin’ ny hazo fijaliana.
А които са Исус Христови, разпнали са плътта заедно със страстите и похотите й.
25 Raha velon’ ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
Ако по Дух живеем, по Дух и да ходим.
26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
Да не ставаме щеславни, един друг да се не дразним и да си не завиждаме един на друг.

< Galatiana 5 >