< Galatiana 3 >
1 Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an’ i Jesosy Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana?
2 Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan’ ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana?
3 Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin’ ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin’ ny nofo va ankehitriny?
4 Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
5 Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin’ ny asan’ ny lalàna va izany, sa avy amin’ ny fitoriana ny finoana?
6 Dia tahaka an’ i Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany.
7 Koa fantaro fa izay amin’ ny finoana no zanak’ i Abrahama.
8 Ary satria hitan’ ny Soratra Masìna rahateo fa amin’ ny finoana no anamarinan’ Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’ i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra;
9 ka dia izay amin’ ny finoana notahina mbamin’ i Abrahama mpino.
10 Fa izay rehetra amin’ ny asan’ ny lalàna dia eo ambanin’ ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna.
11 Ary hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
12 Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy.
13 Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ ny hazo,
14 mba ho tonga amin’ ny jentilisa ny fitahiana an’ i Abrahama ao amin’ i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ ny finoana ny teny fikasana ny amin’ ny Fanahy.
15 Ry rahalahy ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ― na dia ny fanekena ataon’ olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.
16 Ary tamin’ i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an’ ny taranakao, dia Kristy izany.
17 Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon’ Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan’ ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
18 Fa raha avy amin’ ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin’ ny teny fikasana intsony; nefa tamin’ i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan’ Andriamanitra azy.
19 Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin’ ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr’ anjely teo an-tànan’ ny mpanalalana izany.
20 Ary ny mpanalalana dia tsy an’ ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
21 Ka moa manohitra ny teny fikasan’ Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin’ ny lalàna tokoa ny fahamarinana
22 Fa ny Soratra Masìna efa nanidy azy rehetra teo amin’ ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ ny lalàna isika ka voahidy ho amin’ ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’ i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’ izay mpitaiza intsony isika.
26 Fa ianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesosy.
27 Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’ i Kristy dia nitafy an’ i Kristy.
28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy.
29 Fa raha an’ i Kristy ianareo, dia taranak’ i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.