< Galatiana 3 >
1 Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an’ i Jesosy Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana?
wagalatia mwalalo, ni liyo liako ovu laliwaaribu? Je Kristo Yesu alaite lii kati msulubiwa kunnonge ya minyo yinu?
2 Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan’ ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana?
nenga nipala tutange tena boka kwinu. je mwatipokiya roho kwa makowe ga saliya ama kwa amini galo gamyowine.
3 Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin’ ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin’ ny nofo va ankehitriny?
Je mwenga ni mwalalo kiasi che? je mwtumbwile katika Roho lengo muyowe katika yega?
4 Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
Je mwatiseka kwa makowe genge bure, kati ya kweli yabile ya bure?
5 Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin’ ny asan’ ny lalàna va izany, sa avy amin’ ny fitoriana ny finoana?
Je yolo apiale Roho kwinu napanga makowe ya ngupu kati yinu upanga kw makowe ga saliy ama kwa pekania pamope na imani?
6 Dia tahaka an’ i Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany.
abrahamu “Atikumuamini nnongo atibalangiliwa panga mwene haki.”
7 Koa fantaro fa izay amin’ ny finoana no zanak’ i Abrahama.
Kwanamna yelo mwelewe panga, balo ambao bandamini Nibana ba abrahamu.
8 Ary satria hitan’ ny Soratra Masìna rahateo fa amin’ ny finoana no anamarinan’ Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’ i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra;
Andiko latitabili kwamba nnongo atikua balangilia haki bandu badunia kwandela ya amini. injili hatikuhihubili wete kwa abrahamu: “katika wenga dunia yoti yabarikiwa.”
9 ka dia izay amin’ ny finoana notahina mbamin’ i Abrahama mpino.
Lenga baadaye balo ambao babii naimani uwayali pamope ni abrahamu, yembe yabile na imani.
10 Fa izay rehetra amin’ ny asan’ ny lalàna dia eo ambanin’ ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna.
balo ambao bandategemea makoe ga saliya babile pae ya laana. kwakua itiandikwa, “amelaaniwa kila mundu yabakamwana lii na makoe goti gabaandikite katika kitabu cha salia, kuyapanga goti”
11 Ary hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
Mbeyambe ni ubi wazi kwamba Nnongo am'balan gia kwaa haki hata yumo kwa saliya, kwa kuwa mwene haki apala tama kwa imani.
12 Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy.
salia inokana na imani, lakini badala yake “yembe yapanga makoe gana katika salia, apala tama kwasalia.
13 Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ ny hazo,
kristo atitukwombwa twenga boka lazi kwajili yitu. kwakua itiandikwa akoeite lazi kila mundu ywabambilwa kunani ya mkongo.
14 mba ho tonga amin’ ny jentilisa ny fitahiana an’ i Abrahama ao amin’ i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ ny finoana ny teny fikasana ny amin’ ny Fanahy.
Nia lyabile lengo labile nyanya baraka yayabile kwa Ibrahimu yipala yeicha kwa kila mundu wa mataifa katika Kristo Yesu, lenga kwamba tuweche pokia ahadi ya Roho petya imani.
15 Ry rahalahy ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ― na dia ny fanekena ataon’ olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.
Nongo, nindalongela kwa namna ya kibinadamu. Hata muda ambapo patano la kibinadamu litiyomoka bekwa imara, ntopo ywa wecha chalawa ama yongekea.
16 Ary tamin’ i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an’ ny taranakao, dia Kristy izany.
Mbeyambe ahadi bahatizibaya kwa Ibrahimu na kwa kizazi chake. Ibaya kwaa, “kwa vizazi,” imaanisha kwaa bana mbone bali badala yake kwa yumo kichake, “kwa kizazi chako” ywembe ni Kristo.
17 Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon’ Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan’ ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
mbeyambe nibaya, saliya ambayo yaisile miaka 430 baadae, iboka kwaa patano la kiogo labekite Nnongo.
18 Fa raha avy amin’ ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin’ ny teny fikasana intsony; nefa tamin’ i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan’ Andriamanitra azy.
Kwa kuwa kati urithi isa kwa ndela ya saliya, ipale baha kae aichile kwa ndela ya ahadi lakini Nnongo yapiite bure kwa Ibrahimu kwa ndela ya ahadi.
19 Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin’ ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr’ anjely teo an-tànan’ ny mpanalalana izany.
mwanja namani saliya batikuipiya? batikuiyongekea kwa sababu ya makosa, mpaka lubeleko wa Ibrahimu uiche kwa balo ambao kwabe ati kuwaaidi. Salia yatibekwa katika shinikizo petiya malaika kwa luboko lwa mapatano.
20 Ary ny mpanalalana dia tsy an’ ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
mbeyambe mkengi amainisa zaidi ya mundu yumo, bali Nnongo ni yumo kichake.
21 Ka moa manohitra ny teny fikasan’ Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin’ ny lalàna tokoa ny fahamarinana
Kwaiyo je saliya ibile kiogo na ahadi za Nnongo/ la hasha! kwa kuwa kati saliya yayapiyilwe yabile na uweso wa leta ukoti, haki mana ipatikikine kwa saliya.
22 Fa ny Soratra Masìna efa nanidy azy rehetra teo amin’ ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
Lakini bvadala yake, liandiko lititaba makowe goti pae ya dhambi. Nnongo apangite nyaa lenga kwamba aadi yake ya kutulopwa twenga kwa imani katika Yesu Kristo iwese patikana kwa balo baba amini.
23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ ny lalàna isika ka voahidy ho amin’ ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
Lakini kabala ya imani katika Kristo iichile kwaa, twabile twatitabilwa na kuwa pae ya saliya mpaka uwise ufunuo wa imani.
24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’ i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
Kwaiyo saliya yatipangika kiongozi witu mpaka Kristo paisile, lenga kwamba tutihalangilwa haki kwa iamani.
25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’ izay mpitaiza intsony isika.
Mbeyambe kwa kuwqa imani itiicha tupile kwaa pae ya muangalizi.
26 Fa ianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesosy.
kwa kuwa mwenga mwaboti ni bana ba Nnongo petiya imani katrika Kristo Yesu.
27 Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’ i Kristy dia nitafy an’ i Kristy.
Boti ambao twatibatizwa katika Kristo mutikumwala Kristo.
28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy.
Ntopo myahudi wala Myunani, mtu mwa wala huru, mnatome wala mnwawa, kwa kuwa mwenga mwaboti katika Kristo Yesu.
29 Fa raha an’ i Kristy ianareo, dia taranak’ i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
Kati mwenga ni wa Kristo, basi n lubeleko lwa Ibrahimu, warithi kwa mujibu wa ahadi.