< Galatiana 2 >
1 Ary nony afaka efatra ambin’ ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa.
A HALA na makahiki he umikumamaha, pii hou aku la au i Ierusalema, me Barenaba, a lawe pu aku no hoi ia Tito.
2 Ary niakatra araka ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin’ ny jentilisa, nefa nangingina ihany tamin’ izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana.
Pii aku la au no ka hoikeia mai, a hoakaka aku la au ia lakou i ka enanelio a'u i hai aku ai i ko na aina e; aka, hoakaka malu aku la au i ka poe i manao maikai ia'e, malia o holo hewa paha uanei au, a ua holo hewa paha mamua.
3 Kanefa na dia Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza izy,
Aka, o Tito ka Helene i noho pu me au, aole ia i lilo i ke koiia mai e okipoepoeia;
4 dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin’ i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika;
No ka poe hoahanau hoopunipuni i hookipa malu ia, ka i komo malu mai iloko e hoomakakiu mai i ko kakou luhi ole iloko o Kristo Iesu, i hooluhi mai ai lakou ia kakou.
5 fa tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran’ ny fahamarinan’ ny filazantsara aminareo.
Aole makou i hoolohe aku ia lakou me ka hoopili aku i hookahi hora; i mau ai ka oiaio o ka euanelio me oukou.
6 Fa ny amin’ ny olona atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan’ olona), izaho tsy nomen’ ireo manan-daza ireo saina na tamin’ inona na tamin’ inona.
Aka, o ka poe i manao maikai ia, he oia paha, he mea ole ia ia'u; aole ke Akua i manao mai i ko ke kanaka kino. No ka mea, aohe mea hou a ka poe i manao maikai ia i haawi mai ai ia'u.
7 Fa hafa kosa no nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an’ ny tsy voafora aho, tahaka an’ i Petera ho an’ ny voafora
Aka, a ike iho la lakou, ua haawiia mai ia'u ka euanelio no ka poe i okipoepoe ole ia, e like me ia i haawiia mai ia Petero no ka poe i okipoepoeia;
8 (fa Izay niasa ho an’ i Petera hah’ Apostoly azy ho an’ ny voafora no niasa ho ahy koa ho an’ ny jentilisa),
(No ka mea, o ka mea nana i hooikaika mai ia Petero ma ka oihana lunaolelo no ka poe i okipoepoeia, oia ka i hooikaika mai ia'u no na kanaka e; )
9 ary nony fantatr’ i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan’ ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin’ ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin’ ny voafora.
A ike mai la Iakobo me Kepa a me Ioane i manaoia he mau Kia, i ka maikai i haawiia mai ia'u, haawi mai la lakou ia maua me Barenaba i na lima akau e hoolauna pu ai; i hele maua i ko na aina e, a o lakou i ka poe okipoepoeia.
10 Izao ihany no tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.
I manao hoi maua i ka poe ilihune, oia hoi ka'u i manao nui ai e hana.
11 Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy.
A hele mai la Petero i Anetioka, ku e aku la au ia ia imua o kona alo, no ka mea, ua hewa ia.
12 Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin’ i Jakoba, dia niara-nihinana tamin’ ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.
No ka mea, mamua o ka hiki ana mai o kekahi poe mai o Iakobo mai, ua ai pu iho la ia me ko na aina e; a hiki mai la lakou, hookaawale ae la oia ia ia iho, e makau ana i ka poe i okipoepoeia.
13 Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan’ ny fihatsaram-belatsihiny koa.
A hoomahui pu aku la ka poe Iudaio e ae me ia; a lilo aku la o Barenaba mamuli o ko lakou hookamaui ana.
14 Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin’ i Kefasy teo anatrehan’ ny olona rehetra: Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon’ ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ ny Jiosy?
A ike aku la au, aole i ku pono ko lakou hele ana ma ka oiaio o ka euanelio, i aku la au ia Petero imua o lakou a pau, Ina o oe he Iudaio e noho like ana me ko na aina e, aole me ka poe Iudaio, pehea la kau e koi aku nei i ko na aina e e noho like me ko ka Iudaio?
15 Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ ny jentilisa,
O kakou na Iudaio maoli, aole na lawehala o ko na aina e,
16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna ny olona, fa amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy, dia nino an’ i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ ny finoana an’ i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna.
Ke ike nei kakou, aole e hoaponoia ke kanaka ma na hana o ke kanawai, aka, ma ka manaoio ia Iesu Kristo; o kakou hoi kekahi i manaoio ia Iesu Kristo, i hoaponoia mai kakou ma ka manaoio ia Kristo, aole ma na hana o ke kanawai: no ka mea, aole e hoaponoia mai kekahi kanaka ma na hana o ke kanawai.
17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin’ i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
Ina paha e imi kakou e hoaponoia mai ma o Kristo la, a ikea mai kakou he poe hewa, ke kumu anei o Kristo no ka hewa? Aole loa.
18 Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho.
No ka mea, a i kukulu hou au i na mea a'u i wawahi ai, ua hoolilo iho la au ia'u iho i lawehala.
19 Fa raha izaho, dia tamin’ ny lalàna no nahafatesako ny amin’ ny lalàna, mba ho velona ho an’ Andriamanitra aho.
A owau nei ma ke kanawai, ua make i ke kanawai, i ola aku ai au i ke Akua.
20 Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
Ua kau pu ia'ku au me Kristo ma ke kea: ua ola no hoi au, aole nae owau iho, aka, e ola ana o Kristo iloko o'u: a o ke ola e ola nei au iloko o ke kino, e ola'na au ma ka manaoio aku i Ke Keiki a ke Akua, nana au i aloha mai, a haawi mai la ia ia iho no'u.
21 Tsy mahafoana ny fahasoavan’ Andriamanitra aho; fa raha avy amin’ ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
Aole au e hoolilo i ka lokomaikai o ke Akua i mea ole; no ka mea, ina ma ke kanawai ka pono, ina ua ano ole ko Kristo make ana.