< Ezra 1 >

1 Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Na rĩrĩ, mwaka-inĩ wa mbere wa Kurusu mũthamaki wa Perisia, nĩguo kiugo kĩa Jehova kĩrĩa kĩarĩtio nĩ Jeremia kĩhiinge-rĩ, Jehova akĩarahũra ngoro ya Kurusu mũthamaki wa Perisia aanĩrĩrithie kũrĩa guothe aathamakaga, na andĩke atĩrĩ:
2 Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
“Kurusu, mũthamaki wa Perisia ekuuga ũũ: “‘Jehova, Ngai wa igũrũ, nĩaheete mothamaki mothe ma thĩ, na nĩanyamũrĩte ndĩmwakĩre hekarũ kũu Jerusalemu bũrũri wa Juda.
3 Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
Mũndũ wake o na ũrĩkũ ũrĩ thĩinĩ wanyu, Ngai wake aroikara hamwe nake, nĩambate athiĩ Jerusalemu kũu Juda, na aake hekarũ ya Jehova, Ngai wa Isiraeli, o we Ngai ũcio ũrĩ kũu Jerusalemu.
4 Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin’ izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin’ ny fanati-tsitrapo ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, izay any Jerosalema.
Na rĩrĩ, andũ a kũndũ o guothe kũrĩa matigari mangĩkorwo marĩ, nĩ mamũhe betha na thahabu, na indo na mahiũ, na mĩhothi ya kwĩyendera nĩ ũndũ wa hekarũ ya Ngai ĩrĩa ĩrĩ kũu Jerusalemu.’”
5 Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Hĩndĩ ĩyo atongoria a nyũmba ya Juda na ya Benjamini, na athĩnjĩri-Ngai na Alawii, arĩa othe Ngai aarahũrire ngoro ciao, makĩĩhaarĩria gũthiĩ magaake nyũmba ya Jehova kũu Jerusalemu.
6 Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan’ ireo tamin’ ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin’ izay rehetra nateriny tamin’ ny sitrapo.
Andũ othe a matũũra mao makĩmateithĩrĩria na indo cia betha na cia thahabu, na indo ingĩ na mahiũ, na iheo cia goro, makĩria ya mĩhothi ĩrĩa yarutĩtwo ya kwĩyendera.
7 Dia navoak’ i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon’ i Jehovah, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon’ ireo andriamaniny.
Ningĩ Mũthamaki Kurusu akĩruta indo iria ciarĩ cia hekarũ ya Jehova, iria ciatahĩtwo nĩ Nebukadinezaru kuuma Jerusalemu ikaigwo thĩinĩ wa hekarũ ya ngai yake.
8 Ary Mitredata, mpitahiry ny haren’ ny fanjakana, dia nasain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an’ i Sesbazara, lehiben’ ny firenen’ i Joda.
Kurusu mũthamaki wa Perisia nĩatũmire Mithiredathu ũrĩa mũigi wa kĩgĩĩna arehe indo icio, agĩcitarĩra Sheshibazaru mũnene wa Juda.
9 Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
Indo icio ciatariĩ ta ũũ: thaani nene cia thahabu ciarĩ 30 thaani nene cia betha ciarĩ 1,000 ngĩo cia betha ciarĩ 29
10 kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;
mbakũri cia thahabu ciarĩ 30 mbakũri ihaanaine cia betha ciarĩ 410 na indo ingĩ ciarĩ 1,000.
11 efa-jato amby dimy arivo no isan’ ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin’ i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin’ ny babo izay niverina avy tany Babylona.
Indo icio ciothe cia thahabu na betha ciarĩ 5,400. Sheshibazaru akĩrehe indo icio ciothe hĩndĩ ĩrĩa andũ arĩa maatahĩtwo maacookaga Jerusalemu kuuma Babuloni.

< Ezra 1 >