< Ezra 9 >

1 Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin’ ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.
Baada ya mambo haya kutendeka, viongozi walinijia na kusema, “Watu wa Israeli, wakiwemo makuhani na Walawi, hawakujitenga na majirani zao katika kufanya machukizo, kama yale ya Wakanaani, Wahiti, Waperizi, Wayebusi, Waamoni, Wamoabu, Wamisri na Waamori.
2 Fa efa naka tamin’ ny zanakavavin’ ireo ho vadiny sy ho vadin’ ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin’ ny olona tompon-tany ny taranaka masìna; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin’ izany fahadisoana izany.
Wamewaoa baadhi ya binti zao kuwa wake zao na wake za wana wao, nao wamechanganya taifa takatifu na watu waliowazunguka. Nao viongozi na maafisa wamekuwa mstari wa mbele katika njia hii potovu.”
3 Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.
Niliposikia jambo hili nilirarua koti langu na joho langu, nikazingʼoa nywele za kichwa changu na ndevu zangu na kuketi nikishangaa.
4 Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin’ Andriamanitry ny Isiraely ny amin’ ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.
Kisha kila mmoja aliyetetemeshwa na maneno ya Mungu wa Israeli alikusanyika kunizunguka kwa sababu ya upotovu huu wa hao watu waliorudi kutoka utumwani. Nami niliketi pale nikishangaa mpaka wakati wa dhabihu ya jioni.
5 Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin’ i Jehovah Andriamanitro aho
Ndipo wakati wa kutoa dhabihu ya jioni nikainuka kutoka kujidhili kwangu nikiwa na koti na joho langu lililoraruka, nikapiga magoti mikono yangu ikiwa imeinuliwa kwa Bwana Mungu wangu.
6 ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra;
Nami nikaomba: “Ee Mungu wangu, natahayari na kuona aibu kukuinulia uso wangu Mungu wangu, kwa sababu dhambi zetu zimejikusanya hata kupita juu ya vichwa vyetu na hatia yetu imefika mbinguni.
7 fa hatramin’ ny andron’ ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin’ izao anio izao.
Tokea siku za babu zetu mpaka sasa, hatia yetu imekuwa kubwa. Kwa sababu ya dhambi zetu, sisi na wafalme wetu na makuhani wetu tumekabiliwa na vita, utumwa, kutekwa na kudhiliwa katika mikono ya wafalme wa kigeni, kama ilivyo leo.
8 Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin’ i Jehovah Andriamanitray tamin’ ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin’ ny nanomezany anay fihantonana eo amin’ ny fitoerany masìna, mba hohazavain’ Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin’ ny fahandevozanay izahay.
“Lakini sasa, kwa muda mfupi, Bwana Mungu wetu amekuwa na neema kwa kutuachia mabaki na kutupa mahali imara katika mahali pake patakatifu, hivyo Mungu wetu atupa mwanga machoni petu na unafuu katika utumwa wetu.
9 Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin’ Andriamanitray, na dia tamin’ ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason’ ireo mpanjakan’ i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon’ Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
Ingawa tu watumwa, Mungu wetu hajatuacha katika kufungwa kwetu. Ametuonyesha huruma mbele ya wafalme wa Uajemi: Ametujalia maisha mapya kwa kujenga upya nyumba ya Mungu wetu na kukarabati magofu yake, naye ametupa ukuta wa ulinzi katika Yuda na Yerusalemu.
10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin’ izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,
“Lakini sasa, Ee Mungu wetu, tunaweza kusema nini baada ya hili? Kwa maana tumedharau maagizo
11 dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan’ ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
uliyoyatoa kupitia watumishi wako manabii uliposema: ‘Nchi mnayoiingia kuimiliki ni nchi iliyochafuliwa na uovu wa watu wake. Kwa matendo yao ya machukizo wameijaza nchi kwa unajisi wao kutoka mwisho mmoja hadi mwingine.
12 koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin’ ny tany, dia hamela izany ho lovan’ ny taranakareo mandrakizay.
Kwa hiyo, msiwaoze binti zenu kwa wana wao wala binti zao kwa wana wenu. Msitafute mkataba wa urafiki nao kwa wakati wowote. Ndipo mtakapofanikiwa na kula mema ya nchi na kuwaachia watoto wenu nchi hiyo kama urithi wao wa milele.’
13 Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
“Yale yaliyotupata ni matokeo ya matendo yetu mabaya, pia hatia yetu kubwa. Hata hivyo, wewe Mungu wetu, umetuadhibu kidogo kuliko dhambi zetu zilivyostahili na umetupa mabaki kama haya.
14 fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin’ ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?
Je, tutavunja maagizo yako tena na kuoana na watu ambao hufanya mambo ya machukizo? Je, hutakuwa na hasira ya kutosha juu yetu na kutuangamiza, bila kutuachia mabaki wala atakayenusurika?
15 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin’ izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin’ ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.
Ee Bwana, Mungu wa Israeli, wewe ni mwenye haki! Leo hii tumeachwa kama mabaki. Tupo hapa mbele zako na hatia yetu, ingawa katika hali hii hakuna hata mmoja wetu anayeweza kusimama mbele zako.”

< Ezra 9 >