< Ezra 8 >

1 Ary izao no lohan’ ny fianakaviana sy filazana ny firazanan’ ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin’ ny nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka:
Hawa ndio viongozi wa jamaa pamoja na wale walioandikwa ambao walikuja pamoja nami kutoka Babeli wakati wa utawala wa Mfalme Artashasta:
2 Gersoma, avy tamin’ ny taranak’ i Finehasa; Daniela, avy tamin’ ny taranak’ Itamara; Hatosy, avy tamin’ ny taranak’ i Davida;
wa wazao wa Finehasi, alikuwa Gershoni; wa wazao wa Ithamari, alikuwa Danieli; wa wazao wa Daudi, alikuwa Hatushi
3 Zakaria, avy tamin’ ny taranak’ i Sekania (avy tamin’ ny zanak’ i Parosy), mbamin’ ny namany dimam-polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
wa wazao wa Shekania; wa wazao wa Paroshi, alikuwa Zekaria, na watu 150 walioandikishwa pamoja naye;
4 Elihoenay, zanak’ i Zerahia, avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba, mbamin’ ny namany roan-jato lahy;
wa wazao wa Pahath-Moabu, alikuwa Eliehoenai mwana wa Zerahia na wanaume 200 pamoja naye;
5 ny zanak’ i Jahaziela, avy tamin’ ny taranak’ i Sekania, mbamin’ ny namany telon-jato lahy;
wa wazao wa Zatu, alikuwa Shekania mwana wa Yahazieli na wanaume 300 pamoja naye;
6 Ebeda, zanak’ i Jonatana, avy tamin’ ny taranak’ i Adina, mbamin’ ny namany dimam-polo lahy;
wa wazao wa Adini, alikuwa Ebedi mwana wa Yonathani na wanaume 50 pamoja naye;
7 Jesaia, zanak’ i Atalia, avy tamin’ ny taranak’ i Elama, mbamin’ ny namany fito-polo lahy;
wa wazao wa Elamu, alikuwa Yeshaya mwana wa Athalia, na wanaume 70 pamoja naye;
8 Zebadia, zanak’ i Mikaela, avy tamin’ ny taranak’ i Sefatia, mbamin’ ny namany valo-polo lahy;
wa wazao wa Shefatia, alikuwa Zebadia mwana wa Mikaeli na wanaume 80 pamoja naye;
9 Obadia, zanak’ i Jehiela, avy tamin’ ny taranak’ i Joaba, mbamin’ ny namany valo ambin’ ny folo amby roan-jato lahy;
wa wazao wa Yoabu, alikuwa Obadia mwana wa Yehieli na wanaume 218 pamoja naye;
10 ny zanak’ i Josifia, avy tamin’ ny taranak’ i Selomita, mbamin’ ny namany enim-polo amby zato lahy;
wa wazao wa Bani, alikuwa Shelomithi mwana wa Yosifia na wanaume 160 pamoja naye;
11 Zakaria, zanak’ i Bebay, avy tamin’ ny taranak’ i Bebay, mbamin’ ny namany valo amby roa-polo lahy,
wa wazao wa Bebai, alikuwa Zekaria mwana wa Bebai na wanaume 28 pamoja naye;
12 Johanana, zanak’ i Hakatana, avy tamin’ ny taranak’ i Azgada, mbamin’ ny namany folo amby zato lahy;
wa wazao wa Azgadi, alikuwa Yohanani mwana wa Hakatani na wanaume 110 pamoja naye;
13 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin’ ny namany enim-polo lahy,
wa wazao wa Adonikamu, hawa walikuwa wa mwisho ambao majina yao ni Elifeleti, Yeueli, Shemaya na wanaume 60 pamoja nao;
14 Otahy sy Zaboda, avy tamin’ ny taranak’ i Bigvay, mbamin’ ny namany fito-polo lahy.
wa wazao wa Bigwai, walikuwa Uthai na Zakuri na wanaume 70 pamoja nao.
15 Ary novoriko teo amoron’ ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak’ i Levy teo na dia iray akory aza.
Niliwakusanya kwenye mto utiririkao kuelekea Ahava, nasi tukapiga kambi pale siku tatu. Wakati nilipokagua kati ya watu na makuhani, sikuwapata Walawi.
16 Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
Basi niliwaita Eliezeri, Arieli, Shemaya, Elnathani, Yaribu, Elnathani, Nathani, Zekaria na Meshulamu waliokuwa viongozi na Yoyaribu na Elnathani waliokuwa wasomi,
17 Ary nampitondraiko teny ho any amin’ Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin’ Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitray.
nikawatuma kwa Ido kiongozi huko Kasifia. Niliwaambia watakayomwambia Ido na ndugu zake, watumishi wa Hekalu huko Kasifia, ili waweze kutuletea wahudumu kwa ajili ya nyumba ya Mungu wetu.
18 Ary araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin’ ny taranak’ i Maly, zanak’ i Levy, zanak’ Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin’ ny rahalahiny, valo ambin’ ny folo lahy,
Kwa sababu mkono wa neema wa Mungu wetu ulikuwa juu yetu, walituletea Sherebia, mtu mwenye uwezo kutoka wazao wa Mahli mwana wa Lawi, mwana wa Israeli, na wana wa Sherebia pamoja na ndugu zao wanaume kumi na wanane.
19 ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin’ ny taranak’ i Merary, mbamin’ ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;
Naye Hashabia, pamoja na Yeshaya kutoka wazao wa Merari na ndugu zake na wapwa wake wanaume ishirini.
20 ary avy tamin’ ny Netinima, izay notendren’ i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
Vilevile walileta watumishi wa Hekalu 220, kikundi ambacho Daudi na maafisa walikuwa wamekiweka kusaidia Walawi. Wote walikuwa wameorodheshwa kwa majina.
21 Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron’ ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan’ Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an’ ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
Kando ya Mto Ahava, hapo nilitangaza kufunga, ili tujinyenyekeshe mbele za Mungu wetu na kumwomba kwa ajili ya kutujalia safari ya amani sisi na watoto wetu, pamoja na mali zetu zote.
22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ ny mpanjaka hiaro anay amin’ ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan’ Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
Niliona aibu kumwomba mfalme askari na wapanda farasi wa kutulinda njiani kutokana na adui zetu, kwa sababu tulikwisha kumwambia mfalme, “Mkono wa neema wa Mungu wetu uko juu ya kila mmoja anayemtafuta, lakini hasira yake kubwa ni dhidi ya wote wamwachao.”
23 Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’ Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
Kwa hiyo tulifunga na kumwomba Mungu wetu kuhusu jambo hili, naye akajibu maombi yetu.
24 Ary nanokana roa ambin’ ny folo lahy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,
Kisha niliwatenga viongozi wa makuhani kumi na wawili, pamoja na Sherebia, Hashabia na ndugu zao kumi,
25 ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon’ Andriamanitray, izay efa naterin’ ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
nami nikawapimia fedha, dhahabu na vifaa ambavyo mfalme, washauri wake, maafisa wake na Israeli wote waliokuwepo walikuwa wamevitoa sadaka kwa ajili ya nyumba ya Mungu wetu.
26 eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan’ ny talenta zato, ary talenta volamena zato
Niliwapimia talanta 650 za fedha, vifaa vingine vya fedha vya uzito wa talanta mia moja, talanta mia moja za dhahabu,
27 sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan’ ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.
mabakuli ishirini ya dhahabu ya thamani ya darkoni elfu moja, na vyombo viwili vya shaba iliyosuguliwa, ya thamani kama dhahabu.
28 Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masìna ho an’ i Jehovah, sady masìna koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
Niliwaambia, “Ninyi pamoja na vyombo hivi ni wakfu kwa Bwana. Fedha na dhahabu ni sadaka ya hiari kwa Bwana, Mungu wa baba zenu.
29 Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Isiraely any Jerosalema, dia amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ i Jehovah.
Vilindeni kwa uangalifu mpaka mtakapovipima ndani ya vyumba vya nyumba ya Bwana katika Yerusalemu mbele ya makuhani, viongozi na Walawi pamoja na wakuu wa jamaa za Israeli.”
30 Dia noraisin’ ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon’ Andriamanitray.
Ndipo makuhani na Walawi wakapokea fedha, dhahabu na vyombo vilivyowekwa wakfu ambavyo vilipimwa na kupelekwa katika nyumba ya Mungu wetu mjini Yerusalemu.
31 Dia niala teo amin’ ny ony Ahava izahay tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan’ Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
Tulianza safari kutoka Mto Ahava kwenda Yerusalemu kwenye siku ya kumi na mbili ya mwezi wa kwanza. Mkono wa Mungu wetu ulikuwa juu yetu, naye njiani alitulinda dhidi ya adui na wanyangʼanyi.
32 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.
Kwa hiyo tuliwasili Yerusalemu ambapo tulipumzika kwa siku tatu.
33 Ary tamin’ ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan’ i Meremota, zanak’ i Oria mpisorona, tao an-tranon’ Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak’ i Finehasa; ary teo amin’ izy roa lahy koa Jozabada, zanak’ i Jesoa, sy Noadia, zanak’ i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
Katika siku ya nne, ndani ya nyumba ya Mungu wetu, tulipima fedha, dhahabu na vyombo vilivyowekwa wakfu, tukakabidhi mikononi mwa kuhani Meremothi mwana wa Uria. Eleazari mwana wa Finehasi alikuwa pamoja naye, pia walikuwako Walawi wawili, Yozabadi mwana wa Yeshua na Noadia mwana wa Binui.
34 an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin’ izany andro izany ny lanjany rehetra.
Kila kitu kilihesabiwa kwa idadi na kupimwa kwa uzito, nao uzito wote uliandikwa wakati ule.
35 Ary ny olona izay niverina avy tamin’ ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo ho an’ ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
Kisha mateka waliokuwa wamerudi kutoka utumwani wakatoa sadaka za kuteketezwa kwa moto kwa Mungu wa Israeli: mafahali kumi na wawili kwa ajili ya Israeli wote, kondoo dume tisini na sita, wana-kondoo sabini na saba na mbuzi dume kumi na wawili kuwa sadaka ya dhambi. Hii yote ilikuwa sadaka ya kuteketezwa kwa moto kwa Bwana.
36 Ary ny didin’ ny mpanjaka dia natolony tamin’ ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon’ Andriamanitra.
Pia walikabidhi manaibu wa mfalme na watawala wa Ngʼambo ya Mto Frati maagizo ya mfalme, ambao baadaye walitoa msaada kwa watu na kwa nyumba ya Mungu.

< Ezra 8 >