< Ezra 7 >
1 Ary rehefa afaka izany, tamin’ ny nanjakan’ i Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia, dia niakatra Ezra, zanak’ i Seraia, zanak’ i Azaria, zanak’ i Hilklay
Sasa baada ya hili, kipindi cha kutawala Artashasta mfalme wa Uajemi, Ezra akaja kutoka Babeli. Watangulizi wa Ezra walikuwa: Seraya, Azaria, Hilkia,
2 zanak’ i Saloma, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Ahitoba,
Shalumu, Sadoki, Ahitubu,
3 zanak’ i Amaria, zanak’ i Azaria, zanak’ i Meraiota,
Amaria, Azaria, Merayothi,
4 zanak’ i Zerahia, zanak’ i Ozy, zanak’ i Boky,
Zerahia, Uzi, Buki,
5 zanak’ i Abisoa, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisoronabe;
Abishaua, Fineasi, Eliazari ambaye ni mtoto wa Haruni kuhani mkuu.
6 io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen’ ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ ny tànan’ i Jehovah Andriamaniny azy.
Ezra akaja kutoka Babeli na alikuwa mtalaam mwandishi wa sheria ya Musa, ambayo Yahwe, Mungu wa Israel aliwapa. Mfalme akampatia kila kitu alichooomba kwa kuwa mkono wa Yahwe ulikuwa pamoja naye.
7 Ary niakatra koa ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ny sasany amin’ ny mpisorona mbamin’ ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka.
Baadhi ya wazao wa Israel, na makuhani, walawi, waimbaji, walinzi, na wale waliochaguliwa kuhudumu katika Hekalu pia wakaenda Yerusalem katika mwaka wa saba wa mfalme Artashasta.
8 Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ ny mpanjaka.
Naye akafika Yerusalem mwezi wa tano kama mwaka huo.
9 Fa tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamaniny taminy.
Naye akaondoka Babeli siku ya kwanza ya mwezi wa kwanza. Ilikuwa siku ya kwanza ya mwezi wa tano ambapo alifika Yerusalem, kwa kuwa mkono mzuri wa Mungu ulikuwa pamoja naye.
10 Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’ i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
Ezra alikuwa ametoa moyo wake kusoma, kutenda, na kufundisha maagizo na sheria za Yahwe.
11 Ary izao no tenin’ ny taratasy izay nomen’ i Artaksersesy mpanjaka an’ i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin’ ny lalàn’ i Jehovah sy ny didiny tamin’ ny Isiraely:
Hii ndio amri ambayo mfalme Artashasta alimpa Ezra kuhani na mwandishi wa sheria za Yahwe na maagizo kwa Israeli.
12 Artaksersesy, mpanjakan’ ny mpanjaka, ho an’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra.
Mfalme wa wafalme Artashasta, kwa kuhani Ezra, mwandishi wa sheria za Mungu wa mbinguni.
13 Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin’ ny fanjakako amin’ ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
Ninatoa amri kwamba mtu yeyote Israel katika ufalme wangu pamoja na makuhani na walawi ambao wanatamani kwenda Yerusalem, wanaweza kwenda pamoja na wewe.
14 Fa ianao efa nirahin’ ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran’ i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn’ Andriamanitrao izay eny an-tananao;
Mimi mfalme na washauri wangu saba, tunawatuma wote kwenda kufahamu kuhusu Yuda na Yerusalem kuhusiana na sheria ya Mungu, ambayo iko mkononi mwako.
15 ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin’ ny sitrapo ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
Itakupasa kuleta Dhahabu na fedha ambazo walitoa kwa ajili ya Mungu wa Israel, ambaye makazi yake ni Yerusalem.
16 ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran’ ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin’ ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin’ ny sitrapo hanaovany ny tranon’ Andriamaniny, izay any Jerosalema.
Fedha iliyotolewa kwa hiari na Dhahabu yote iliyotolewa Babeli pamoja na matoleo ya hiari waliotoa watu na makuhani kwa ajili ya nyumba ya Mungu katika Yerusalem.
17 Koa amin’ izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak’ ondry mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin’ io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin’ ny alitara ao an-tranon’ Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
Basi ununue vyote sadaka ya kondoo, beberu, kondoo, unga na kinywaji, uvitoe kwenye madhabahu ambayo ni nyumba ya Mungu wako katika Yerusalem.
18 Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin’ ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon’ Andriamanitrareo.
Fanya hivyo pamoja na sehemu ya fedha na dhahabu, vyovyote utakavyoona inakupendeza wewe na ndugu zako, kumpendeza Mungu.
19 Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan’ Andriamanitra any Jerosalema.
Viweke vitu vilivyotolewa kwa hiari mbele yako kwa ajili ya huduma ya nyumba ya Mungu Yerusalem.
20 Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an’ ny tranon’ Andriamanitrao dia alao ao amin’ ny trano firaketan’ ny mpanjaka.
Kitu chochote kingine ambacho kinahitajika kwenye nyumba ya Mungu wako ambacho unahitaji, Gharama yake itatoka kwenye hazina yangu.
21 Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin’ ny mpitahiry ny haren’ ny fanjakana rehetra izay any an-dafin’ ny ony, fa na inona na inona no ilain’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
Mimi mfalme Artashasta, natoa amri kwa wotunza hazina wote mjini ngambo ya mto, chochote Ezra atakachoomba kwenu anapaswa kupewa chote,
22 na hatramin’ ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
hata zaidi ya talanta mia moja za fedha, vipimo mia vya ngano, bathi mia za divai na bathi mia za mafuta, pia na chumvi isiyo na kikomo.
23 Na inona na inona andidian’ Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an’ ny tranon’ Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka sy ny zanany?
Chochote ambacho kimeamriwa kutoka kwa Mungu wa mbinguni, kifanye hicho kwa utukufu wa nyumba yake. Kwa nini hasira yake ije kwenye ufalme wangu na watoto wangu?
24 Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin’ io tranon’ Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
Tutawapa taarifa wao kuhusu ninyi kwamba wasiwatoze ushuru wowote au kodi kwa kuhani, mlawi, mwimbaji, mlinzi au kwa mtu aliyechaguliwa kwenye huduma ya Hekalu na mtumishi katika nyumba ya Mungu.
25 Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’ Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin’ ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’ Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Ezra, kwa hekima aliyokupa Mungu, inakulazimu kuteua waamuzi na mtu muelewa kuwahudumia watu katika mji ngambo ya mto na kusaidia yeyote anayejua sheria za Mungu wako. Pia inakubidi ufundishe wale ambao hawajui sheria.
26 Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan’ Andriamanitrao sy ny lalàn’ ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
Toa adhabu kwa yeyote asiyetii sheria ya Mungu au sheria ya mfalme, ikiwezekana kwa kifo, kuhamishwa, kuchukuliwa mali zake au kufungwa.
27 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Atukuzwe, Yahwe, Mungu wa watangulizi wetu, ambaye aliweka ndani ya moyo wa mfalme ili kutuza Nyumba ya Yahwe Yerusalem,
28 sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban’ ny tanan’ i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
ambaye akaendeleza agano kwangu kwa uaminifu mbele ya mfalme, na washauri wake na wakuu wake wenye mamlaka, nilitiwa nguvu na mikono ya Yahwe, Mungu wangu, nami nikawakusanya viongozi kutoka Israel kwenda pamoja nami.