< Ezra 7 >

1 Ary rehefa afaka izany, tamin’ ny nanjakan’ i Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia, dia niakatra Ezra, zanak’ i Seraia, zanak’ i Azaria, zanak’ i Hilklay
E dolgok után pedig, Artachsaszt, Perzsia királya uralma alatt, Ezra, Szerája fia, Azarja fia, Chilkija fia,
2 zanak’ i Saloma, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Ahitoba,
Sallúm fia, Czádók fia, Achitúb fia,
3 zanak’ i Amaria, zanak’ i Azaria, zanak’ i Meraiota,
Amarja fia, Azarja fia, Merájót fia,
4 zanak’ i Zerahia, zanak’ i Ozy, zanak’ i Boky,
Zerachja fia, Uzzí fia, Bukkí fia,
5 zanak’ i Abisoa, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisoronabe;
Abísúá fia, Pínechász fia, Eleázár fia, Áron főpap fia –
6 io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen’ ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ ny tànan’ i Jehovah Andriamaniny azy.
ő, Ezra fölvonult Bábelből, s ő irástudó volt, jártas Mózes tanában, a melyet adott az Örökkévaló Izraél Istene, s megadta neki a király, a mint rajta volt az Örökkévaló az ő Istene keze, minden kivánságát.
7 Ary niakatra koa ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ny sasany amin’ ny mpisorona mbamin’ ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka.
És felvonultak Izraél fiai közül a papok és a leviták, az énekesek s a kapuőrök és a szentélyszolgák közül Jeruzsálembe Artachsaszt király hetedik évében.
8 Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ ny mpanjaka.
És elérkezett Jeruzsálembe az ötödik hónapban, ugyancsak a király hetedik évében.
9 Fa tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamaniny taminy.
Mert az első hónap elsején volt a Bábelből való fölvonulás megkezdése, és az ötödik hónap elsején érkezett Jeruzsálembe, a mint rajta volt Istenének jóságos keze.
10 Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’ i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
Mert Ezra arra irányitotta szivét, hogy kutassa és megtegye az Örökkévaló tanát, hogy tanitson Izraélben törvényt és jogot.
11 Ary izao no tenin’ ny taratasy izay nomen’ i Artaksersesy mpanjaka an’ i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin’ ny lalàn’ i Jehovah sy ny didiny tamin’ ny Isiraely:
És ez az irat másolata, melyet Artachsaszt király adott Ezrának, a papnak, az irástudónak, a ki irástudó az Örökkévaló parancsolatai és Izraél számára adott törvényei szavaiban.
12 Artaksersesy, mpanjakan’ ny mpanjaka, ho an’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra.
Artachsaszt, a királyok királya Ezrának, a papnak, a ki irástudója az ég Istene törvényének, teljesen és így tovább.
13 Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin’ ny fanjakako amin’ ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
Tőlem adatik a rendelet, hogy mindenki, a ki felajánlkozik királyságomban Izraél népe és papjai és a leviták közül, hogy Jeruzsálembe menjen, veled menjen,
14 Fa ianao efa nirahin’ ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran’ i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn’ Andriamanitrao izay eny an-tananao;
mivelhogy a király és a hét tanácsosa részéről kiküldve vagy vizsgálatot tartani Jehúda és Jeruzsálem fölött Istened törvénye szerint, a mely kezedben van,
15 ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin’ ny sitrapo ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
s hogy vigyél ezüstöt és aranyat, a mit a király s tanácsosai fölajánlottak Izraél Istenének, a kinek Jeruzsálemben van hajléka,
16 ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran’ ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin’ ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin’ ny sitrapo hanaovany ny tranon’ Andriamaniny, izay any Jerosalema.
s minden ezüstöt s aranyat, a mit találsz Bábel egész tartományában, a felajánlással együtt, a mit a nép s a papok fölajánlanak Istenük házának, mely Jeruzsálemben van.
17 Koa amin’ izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak’ ondry mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin’ io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin’ ny alitara ao an-tranon’ Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
Ennél fogva buzgón vásárolj ez ezüstön tulkokat, kosokat és juhokat meg a liszt- és öntő áldozataikat, s mutasd be azokat az oltáron, mely Istentek házában van Jeruzsálemben.
18 Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin’ ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon’ Andriamanitrareo.
A mit pedig neked s testvéreidnek jónak tetszik tenni a többi ezüsttel s aranynyal, Istentek akarata szerint tegyétek.
19 Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan’ Andriamanitra any Jerosalema.
Az edényeket pedig, melyek neked adatnak Istened háza szolgálata számára, szolgáltasd át Jeruzsálem Istene előtt.
20 Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an’ ny tranon’ Andriamanitrao dia alao ao amin’ ny trano firaketan’ ny mpanjaka.
És Istened házának többi szükségletét, a mit alkalmad lesz adni, adjad a király kincsesházából.
21 Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin’ ny mpitahiry ny haren’ ny fanjakana rehetra izay any an-dafin’ ny ony, fa na inona na inona no ilain’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
S én tőlem, Artachsaszt királytól, adatik a rendelet mind a Folyamontúl kincstárosainak, hogy minden, a mit tőletek kér Ezra a pap, az ég Istene törvényének irástudója, buzgón végeztessék:
22 na hatramin’ ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
száz kikkár ezüstig, száz kór buzáig, éa száz bat borig, és száz bat olajig, só pedig előirás nélkül.
23 Na inona na inona andidian’ Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an’ ny tranon’ Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka sy ny zanany?
Mindaz, a mi az ég Istenének rendeletéből való, végeztessék pontosan az ég Istenének háza számára, mert minek legyen harag a királynak és fiainak uralma fölött.
24 Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin’ io tranon’ Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
Véletek pedig tudatjuk, hogy mind a papokra és levitákra, az énekesekre, kapuőrökre, szentélyszolgákra s ez Istenháza szolgálattevőire adót, vámot és utipénzt kivetni senkinek nem szabad.
25 Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’ Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin’ ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’ Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Te pedig, Ezra, a te Istened bölcsesége szerint, a mely kezedben van, rendelj birákat s jogtudókat, hogy jogot mondjanak az egész népnek, a mely a Folyamon túl van, mindazoknak, a kik a te Istened törvényeit ismerik; a ki pedig nem ismeri, azzal ismertessétek meg.
26 Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan’ Andriamanitrao sy ny lalàn’ ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
S mindaz, a ki nem teszi meg Istenednek törvényét s a királynak törvényét, buzgón végeztessék rajta az ítélet: akár halálra, akár kiközösítésre, akár vagyonbeli büntetésre és böntönre.
27 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Áldva legyen az Örökkévaló, őseink Istene, a ki ilyet adott a király szivébe, hogy megdicsőitse az Örökkévaló házát Jeruzsálemben;
28 sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban’ ny tanan’ i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
felém pedig forditott kegyet a király és tanácsosai előtt s mind a király vitéz nagyjai előtt. És én megerősödtem, a mint rajtam volt az Örökkévalónak, Istenemnek keze s összegyüjtöttem Izraélből főembereket, bogy velem fölvonuljanak.

< Ezra 7 >