< Ezra 6 >

1 Ary tamin’ izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany Babylona.
Thus King Darius ordered a search of the archives stored in the treasury of Babylon.
2 Dia tao Akmeta, tao an-dapa izay any amin’ ny tanin’ ny Mediana, no nahitana horonan-taratasy anankiray, ka voasoratra teo izao tantara izao:
And a scroll was found in the fortress of Ecbatana, in the province of Media, with the following written on it: Memorandum:
3 Tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin’ ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran’ ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,
In the first year of King Cyrus, he issued a decree concerning the house of God in Jerusalem: Let the house be rebuilt as a place for offering sacrifices, and let its foundations be firmly laid. It is to be sixty cubits high and sixty cubits wide,
4 dia vato vaventy telo an-dalana sy hazo vaovao iray an-dalana; ary aoka haloa avy amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izay lany;
with three layers of cut stones and one of timbers. The costs are to be paid from the royal treasury.
5 ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin’ ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho amin’ ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon’ Andriamanitra avokoa.
Furthermore, the gold and silver articles of the house of God, which Nebuchadnezzar took from the temple in Jerusalem and carried to Babylon, must also be returned to the temple in Jerusalem and deposited in the house of God.
6 Koa amin’ izany, ry Tatenay, governora any an-dafin’ ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin’ ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin’ ny ony, mihataha ianareo.
Therefore Darius decreed: To Tattenai governor of the region west of the Euphrates, Shethar-bozenai, and your associates and officials in the region: You must stay away from that place!
7 Aza misakana ny fanaovana io tranon’ Andriamanitra io; aoka ny mpanapaka ny Jiosy sy ny loholon’ ny Jiosy hanao io tranon’ Andriamanitra io eo amin’ ilay efa niorenany ihany.
Leave this work on the house of God alone. Let the governor and elders of the Jews rebuild this house of God on its original site.
8 Ary izaho manao didy ny amin’ ny hataonareo amin’ ny loholon’ ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon’ Andriamanitra izany: aoka ny haren’ ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin’ ny any an-dafin’ ny ony, no handoavana marina izay lany ho an’ ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy.
I hereby decree what you must do for these elders of the Jews who are rebuilding this house of God: The cost is to be paid in full to these men from the royal treasury out of the taxes of the provinces west of the Euphrates, so that the work will not be hindered.
9 Ary izay zavatra ilainy, na zanak’ omby, na ondrilahy, na zanak’ ondry, ho fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian’ ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan’ andro isan’ andro tsy tapaka izany,
Whatever is needed—young bulls, rams, and lambs for burnt offerings to the God of heaven, as well as wheat, salt, wine, and oil, as requested by the priests in Jerusalem—must be given to them daily without fail.
10 mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’ Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ ny zanany.
Then they will be able to offer sacrifices of a sweet aroma to the God of heaven and to pray for the lives of the king and his sons.
11 Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin’ ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.
I also decree that if any man interferes with this directive, a beam is to be torn from his house and raised up, and he is to be impaled on it. And his own house shall be made a pile of rubble for this offense.
12 Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’ Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
May God, who has caused His Name to dwell there, overthrow any king or people who lifts a hand to alter this decree or to destroy this house of God in Jerusalem. I, Darius, have issued the decree. Let it be carried out with diligence.
13 Ary tamin’ izany Tatenay, governora amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin’ ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain’ i Dariosy ho any aminy izany.
In response, Tattenai the governor of the region west of the Euphrates, Shethar-bozenai, and their associates diligently carried out what King Darius had decreed.
14 Dia nanao ny trano ny loholon’ ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian’ i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’ Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin’ i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia.
So the Jewish elders built and prospered through the prophesying of Haggai the prophet and Zechariah son of Iddo. They finished building according to the command of the God of Israel and the decrees of Cyrus, Darius, and Artaxerxes, kings of Persia.
15 Dia vita io trano io tamin’ ny andro fahatelo tamin’ ny volana Adara tamin’ ny taona fahenina nanjakan’ i Dariosy mpanjaka.
And this temple was completed on the third day of the month of Adar, in the sixth year of the reign of King Darius.
16 Ary ny Zanak’ Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ ny fahababoana, dia nitokana io tranon’ Andriamanitra io tamin’ ny fifaliana;
Then the people of Israel—the priests, the Levites, and the rest of the exiles—celebrated the dedication of the house of God with joy.
17 ary ny nateriny hitokanana io tranon’ Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak’ ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an’ ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ Isiraely.
For the dedication of the house of God they offered a hundred bulls, two hundred rams, four hundred lambs, and a sin offering for all Israel of twelve male goats, one for each tribe of Israel.
18 Dia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny firazanany avy sy ny Levita ho amin’ ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an’ Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy.
They also appointed the priests by their divisions and the Levites by their groups to the service of God in Jerusalem, according to what is written in the Book of Moses.
19 Ary ny olona izay efa nody avy tamin’ ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany;
On the fourteenth day of the first month, the exiles kept the Passover.
20 fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an’ izay rehetra efa nody avy tamin’ ny fahababoana sy ho an’ ny mpisorona rahalahiny ary ho an’ ny tenany,
All the priests and Levites had purified themselves and were ceremonially clean. And the Levites slaughtered the Passover lamb for all the exiles, for their priestly brothers, and for themselves.
21 Dia nihinana izany ny Zanak’ Isiraely izay efa nody avy tamin’ ny fahababoana mbamin’ izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin’ ny fahalotoan’ ny firenena tompon-tany hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
The Israelites who had returned from exile ate it, together with all who had separated themselves from the uncleanness of the peoples of the land to seek the LORD, the God of Israel.
22 ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin’ ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin’ ny nanaovany ny tranon’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.
For seven days they kept the Feast of Unleavened Bread with joy, because the LORD had made them joyful and turned the heart of the king of Assyria toward them to strengthen their hands in the work on the house of the God of Israel.

< Ezra 6 >