< Ezra 5 >
1 Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido, naminany tamin’ ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin’ ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
爰に預言者ハガイおよびイドの子ゼカリヤの二人の預言者ユダとヱルサレムに居るユダヤ人に向ひてイスラエルの神の名をもて預言する所ありければ
2 Dia nitsangana Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’ Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
シヤルテルの子ゼルバベルおよびヨザダクの子ヱシユア起あがりてヱルサレムなる神の室を建ることを始む 神の預言者等これと共に在て之を助く
3 Ary tamin’ izany andro izany ihany koa dia nankany amin’ ireo Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin’ ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
その時に河外の總督タテナイといふ者セタルボズナイおよびその同僚とともにその所に來り誰が汝らに此室を建て此石垣を築きあぐることを命ぜしやと斯言ひ
4 Ary izao koa no nataonay taminy Iza avy no anaran’ izay lehilahy manao io trano io?
また此建物を建る人々の名は何といふやと斯これに問り
5 Nefa ny mason’ Andriamaniny nitsinjo ny loholon’ ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan’ ny teny ho any amin’ i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin’ izany raharaha izany.
然るにユダヤ人の長老等の上にはその神の目そそぎゐたれば彼等これを止むること能はずして遂にその事をダリヨスに奏してその返答の來るを待り
6 Ny tenin’ ny taratasy izay nampitondrain’ i Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ho any amin’ i Dariosy mpanjaka;
河外ふの總督タテナイおよびセタルボズナイとその同僚なる河外ふのアパルサカイ人がダリヨス王に上まつりし書の稿は左のごとし
7 eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an’ i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be.
即ち其上まつりし書の中に書しるしたる所は是のごとし 云く願くはダリヨス王に大なる平安あれ
8 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin’ ny tany Joda izahay ho any an-tranon’ Andriamanitra lehibe, izay atao amin’ ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin’ ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
王知たまへ我儕ユダヤ州に往てかの大神の室に至り視しに巨石をもて之を建て材木を組て壁を作り居り其工事おほいに捗どりてその手を下すところ成ざる無し
9 Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io?
是に於て我儕その長老等に問てこれに斯いへり 誰が汝らに此室を建てこの石垣を築きあぐることを命ぜしやと
10 Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran’ ny olona izay lohany;
我儕またその首長たる人々の名を書しるして汝に奏聞せんがためにその名を問り
11 ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon’ Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’ ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
時に彼等かく我らに答へて言り 我儕は天地の神の僕にして年久しき昔に建おかれし殿を再び建るなり 是は素イスラエルの大なる王某の建築きたる者なしりが
12 Fa noho ny nampahatezeran’ ny razanay an’ Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan’ i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
我らの父等天の神の震怒を惹起せしに縁てつひに之をカルデヤ人バビロンの王ネブカデネザルの手に付したまひければ彼この殿を毀ち民をバビロンに擄へゆけり
13 Fa tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon’ Andriamanitra io.
然るにバビロンの王クロスの元年にクロス王神のこの室を建べしとの詔言を下したまへり
14 Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’ Andriamanitra, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin’ ny tempoly any Babylona, dia nalain’ i Kyrosy mpanjaka tao amin’ ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin’ ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
然のみならず ヱルサレムの殿よりネブカデネザルが取いだしてバビロンの殿に携へいれし神の室の金銀の器皿もクロス王これをバビロンの殿より取いだし其立たる總督セシバザルと名くる者に之を付し
15 ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin’ ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon’ Andriamanitra hatsangana eo amin’ ilay efa niorenany ihany.
而して彼に言けらく是等の器皿を取り往て之をヱルサレムの殿に携へいれ神の室をその本の處に建よと
16 Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan’ ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin’ izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.
是において其セシバザル來りてヱルサレムなる神の室の石礎を置たりき 其時よりして今に至るまで之を建つつありしが猶いまだ竣らざるなりと
17 Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan’ ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon’ i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon’ Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon’ ny mpanjaka hambarany aminay ny amin’ izany zavatra izany.
然ば今王もし善となされなば請ふ御膝下バビロンにある所の王の寳蔵を査べたまひて神のこの室を建べしとの詔言のクロス王より出しや否を稽へ而して王此事につきて御旨を我らに諭したまえ